Rehefa sady
ny mpangalatra ihany no mpitsara,ny polisy ihany no vôlera,ny mpitondra ihany
no mafia…ary Remenabingo ihany no Remenabila dia aza gaga mihitsy isika vahoaka
raha toa ka ny mpangalatra sy mpanao ratsy indray no mandeha mitory manao gisa
lahy mangala-ketsa sy mamo miantso polisy eto amin’ny Firenena.
Ankoatra ny
Filoha Zafy Albert dia efa mba nitondra ny fitarainany ihany koa ireo “Olo-be”
sy “Tangalamena” avy amin’ny faritra maro manerana ny Nosy mikasika ny
“Andramena”(Bois de rose) izay ataon’ny fitondràna FAT-Tetezamitatra
ampihi-mamba sy tantely afa-drakotra ankehitriny saingy toy ny fanaon’ny
fitondran-dRajoelina izay tsy hitany izay maharatsy azy dia ny
“fampihorohoroana mora” sy “herisetra mora” avy hatrany no harangaranga mba hanampenana
ny vava sy mason’ireo izay sahy mitsivalana amin’ny “Bizinesin’ny mpitondra
tetezamitatra”.
Mikasika
izay indrindra,taorian’ny ampamoaka goavana miaraka amin’ny antotan-taratasy sy
porofo nataon’ny Tangalamena Zakariasy mikasika ny halatra be vava sy
fanondranana antsokosoko ny Andramena Malagasy (Bois de rose) izay efa tena
ripaka tanteraka ankehitriny tao anatin’ny taona vitsy monja dia gaga ianao fa
ity farany indray (Tangalamena Zakariasy) no nantsoina natao fanadihadiana sy nalaina
ambavany teny amin’ny zadarimaria Betongolo.Ary tsy vitan’izay fa dia nahazo ny
hafatra sy ny fitoriana mora ihany koa ireo mpanao gazety maromaro izay
nanatrika sy nitatitra ny valan-dresaka sy fanadihadiana nataon’Atoa
Zakariasy.Nahazo fampiantsoana teny amin’ny Zandarimaria ihany koa mantsy ireo
mpanao gazety avy amin’ny MIDI Madagasikara sy La Nation.
Hatraiza marina
ny fahalalahan’ny mpanao gazety mitatitra vaovao sy manao ny asany eto
Madagasikara raha misy marina izany amin’izao andron’ny tetezamitatra izao?
Rehefa
olona ambony mpanefoefo sy mpiara-miasa akaiky amin’ireo mpitondra tetezamitatra
ve dia tsy azo kitikitihana sy ambonin’ny lalàna tanteraka na dia efa hita-poko
sy hita-pirenena izao aza fa mpangalatra sy mpandika lalàna?
Mandra-pahoviana
ny fitsaràna sy ireo milaza azy fa mpitandro ny filaminana no hinia hanakipy ny
masony manoloana ny fihoaram-pefy ataon’ny mpitondra tetezamitatra ankehitriny
sy ny forongony?
Eto
Madagasikara tokoa mantsy ankehitriny dia izay mitaraina sy mitory ary
mitatitra ny zava-misy indray no iharan’ny fitoriana sy ny tsindry hazo-lena
ary ny sazy.
Tsy mitsahatra
ary tsy sasatra ireo mpanakanto sy mpitondra fivavahana ary tompon’andraikitra
avy any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny (Betroka sy ny manodidina) no
mitondra vaovao sy fitarainana mikasika ny zava-doza misy any:Tifitifirina
an-jambany sy atao vono moka ireo vahoaka,iharan’ny habibian’ny basy marovava
sy ny "lance-roquettes" ny mponina ary tsy misy hanavahana fa hatramin’ny zaza
amam-behivavy dia manefa avokoa,ripaky ny doro-trano (ataon’ny mpitandro ny
filaminana) ny fonenan’ireo mponina hany ka tsy tambo isaina ireo tsy manan-kialofana…
Raha tsy hitanisa hafa tsy ireo dia izany no fahoriana sy zava-doza iainan’ireo
vahoaka any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny izao hatramin’ny
nahatongavan’ireo miaramila sy “Force spéciale” nalefan’ny mpitondra
tetezamitatra.Nisy mihitsy aza renim-pianakaviana nivaky fa naleo lavitra hono
tsy nisy ireto miaramila mpitandro ny (fanakorontanana) filaminana ireto toy
izay miaina ny zava-doza entiny ankehitriny.
Eo
anatrehan’izany dia ireo izay mahasahy mitatitra ny zava-misy (mpanao
gazety,mpanakanto,mpitondra fivavahana,sns…) any an-toerana indray no mahazo
fanakihanana (mba tsy hilazàna hoe fanapenam-bava) avy amin’ny tompon’andraikitra
ambonin’ny mpitandro ny (fanakorontanana) filaminana FAT.Voalaza fa tany
tan-dalàna hono i Madagasikara ary manao ny asany ry Kolonely Lylyson Réné sy
ny ekipany (Efa hatreny Ambohitsorohitra io kolonely io no nanao ny adidy
nampanaovin’I Andry Rajoelina azy :Vakio eto aminy fiteny frantsay
Ny azo
antoka aloha hatramin’izao dia mbola tsy hita popoka i Remenabila (Raha tena
misy tokoa) fa ny vahoaka kosa no iharan’ny habibian’ny fitaovam-piadiana
mahery vaika sy mpitandro (fanakorontanana) filaminana MANARA-PENITRA.
Fehiny dia
mitaraina ny tany,mitaraina ny Malagasy.Iharan’ny fampihorohoroana sy ny
setrasetran’ny be basy sy ny be volan’ny tetezamitatra avokoa ireo izay sahy
mijoro sy milaza ny marina ary manembatsembana ny halavan’ny tetezamitatra eto
amin’ny Firenena.
Zandarimaria,miaramila,fitsaràna,fonja:Hita
fa vorona azon’adala tokoa ny fanjakàna ankehitriny ka ataon’izao bodo sy adala
mpanongam-panjakàna rehetra izao kilalao sy fitaovana amin’izay hitiavany azy avokoa.
Asa!Oviana
ianao ry vahoaka Malagasy ,izay lasa tompony mangatak’atiny sisa,vao hifoha
tanteraka amin’ny torimasonao ka hijoro ho tompon’andraikitra indray eto amin’ny
Firenena.Firenena izay lasa fananana
manokan’ireo olom-bitsy manorina ny fahefàny eo ambony herisetra sy
fampihorohoroana ary basy.
Hoy i Mahatma
Gandhi,olo-malazan’ny fandriampahalemana ,hoe ny olona iray mahatakatra ny
zava-misy sy mijoro dia zava-doza kokoa ho an’ny fitondràna raha mihoatra amin’ny
vahoaka alin-kisa matory sy voageja.
Aza adino
fa anao i Madagasikara ry Malagasy koa sahia mijoro ho tompon’andraikitra marina sy
saro-piaro amin’ny Firenenao mba tsy ho tompony mangatak’atiny amin'ny harem-pirenenao sy ho
tompo-trano mihono intsony!Mifohaza ry Malagasy!!!
D.R.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire