“Tsy hisy fanapahan-kevitra raisina raha tsy tafaverina i dada !”.
Izany no anisan’ny hafatra lehibe nentin’ ny Filoha Marc Ravalomanana
raha niditra mivantana teny Amboanjobe izy anio, niarahaba tratry ny
taona ary nampahery ny mpandala ny ara-dalàna. Nampatsiahy izy
tamin’izany fa Andriamanitra no tompon’ny fahefana ka tokony hatoky Azy
ny vahoaka malagasy.
Nampahery
ny vahoaka izy mba hanana fanantenana, tsy ho kivy amin’ny
famendrofendroana sy ny fandrangitana samihafa ataon’ny mpandroba ary
hanambatra ny hery izay hitondra amin’ny fandresen’ny malagasy. Nanome
toky izy fa na dia mangiana aza dia miasa andro aman’alina ho amin’izany
ary dia nametraka ihany koa ny fitokisany amin’ny vahoaka malagasy. Ny
vahoaka malagasy hoy izy dia vahoaka mahafantatra izay tokony hofidiany
hitondra azy.
Nanambara
koa ny Filoha Ravalomanana fa mankasitraka ny fanemorana ny
datim-pifidianana.Tsy hisy fanapaha-kevitra raisin’ny ankolafy
Ravalomanana raha tsy tonga an-tanindrazana izy ary izy tenany no
hanambara izay andro ahatongavany.
http://www.tim-madagascar.org/

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire