Tsy afaka miala fa tompon’andraikitra feno amin’izao fahorian’ny firenena izao ny miaramila, indrindra fa ireo izay nanampy an’i Andry Rajoelina tamin’ny fanonganam-panjakana nataony ny taona 2009. Efa-taona katroka amin’ity 16 martsa ity tokoa izay no nanafihana andiana miaramila ny lapam-panjakana teny Ambohitsorohitra. Miaramila nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanani-dapa ary dia nitondra fiara mifono vy mihitsy izy ireo nandrodanana ny vavahady lehibe. Nopitsohana sy nidirana an-keriny ny lapa sy ireo birao maro be tao anatiny avy eo. Nisy ny zavatra potika, nisy koa ny very.
Ady an-trano
RTT
Tsy angano na tantara izany fa zava-nisy marina ary niparitaka tamin’ny tranonkala ny sarin’ireo miaramila nandaka varavarana sy naka sary teo ambonin’ilay fiara mifono vy nanoloana ny lapan’Ambohitsorohitra. Tsikaritra tamin’ireny fa efa nisy ny lamina maty paika nataon’ny mpanongam-panjakana, nanomboka ny volana desambra 2008 ary ny tanjona dia tsy maintsy miala eo amin’ny fitondrana amin’ny fomba rehetra i Marc Ravalomanana. Raha fidinana an-dalambe fotsiny no natao dia mety tsy niongana ny fitondrana, na naharitra ela dia ela ny hetsika, fa rehefa niditra an-tsehatra ny miaramila dia haingana ny firodanan’ny fitondrana Ravalomanana. Tsy lavina mihitsy fa nisy ny olona tsy faly sy tsy nankasitraka ny fitondrana Ravalomanana, na olon-tsotra io, na mpandraharaha eny fa na dia tao amin’ny tafika aza saingy tsy azo ampitoviana velively tamin’ny tolom-bahoaka ny taona 2002 sy 1991 ny nitranga tamin’ny 2009, na ny isan’ny olona nidina an-dalambe izany na ny votoatin’ny fitakiana. Zary natao teny fampiasan’ny mpanao politika mantsy ilay hoe : tolom-bahoaka, dia iaraha-mahita tsara izao fa tsy lasa lavitra i Andry Rajoelina satria fanonganam-panjakana no nataony fa tsy nitarika revolisiona na tolom-bahoaka.
Raha tena tao an-damosiny mantsy ny vahoaka dia tsy nisy izany fifanarahana tany Ambohibao, Maputo, Addis Abeba, Pretoria, Seychelles, Ivato izany fa tonga dia mora ho azy ny nanatontosa fifidiana ary voafidy tamin’ny isam-bato mazava. Efa-taona aty aoriana, mibaribary ny ady an-trano eo amin’ny samy mpanongam-panjakana, mizara ny ankolafy Rajoelina, mitohy hatrany kosa anefa ny fanambantambazana ny miaramila ka natao «braderie» mihitsy ny fampisondrotana grady, samy nahazo ny anjarany daholo. Tsara ny tombontsoa ara-bola azon’ny miaramila ary nekena hatrany ny fitakian’izy ireo. Maro ny manamboninahitra nampitazomina andraikitra ambony, ary misy ny vondrona manamboninahitra manampy tosika ny filohan’ny tetezamita amin’ny fandavana ny hahatongavan’ny filoha teo aloha eto an-tanindrazana. Variana loatra miaro an’i Andry Rajoelina ireo manamboninahitra ireo ka tsy manana fotoana hikarohana paikady hisamborana an-dRemenabila sy hiadiana amin’ny jiolahy mpambotry vahoaka. Ireo sahy nijoro hanitsy ny tsy mety, hanavotra ny firenena, any am-ponja mandrak’ity ny androany.
RTT
http://tiatanindrazana.com

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire