![]() |
| Miaramila Malagasy manome fihofanana ireo miaramila frantsay izay sarotiny dia sarotiny amin'ny fiandrianam-pirenena manara-penitra |
Taorian’ny
fanonganam-panjakàna feno habibiana niseho tao Frantsa dia voatery nitsoaka sy nanao
sesi-tany ny tenany ny filoham-pirenena frantsay rehefa nataon’ireo andiana miaramila frantsay mpanongam-panjakàna haza-lambo tao Parisy.
Efa-taona aty
aoriana dia tsy nitsahatra nitolona ny vahoaka frantsay mba hiverenan’ny ara-dalàna sy
mba hiverenan’ilay Filoham-pirenena voafidim-bahoaka ao frantsa indray
saingy mandà mafy izany ireo mpitondra tetezamita mpanongam-panjakàna tohanan’i
Madagasikara izay Firenena nanjanaka an’i Lafrantsa teo aloha.
Manizingizina
ireo mpanongam-panjakàna ao Lafrantsa sy
ny Firenena Malagasy mpanohana azy fa hiteraka korontana ny fiverenan’ny Filoha
Frantsay teo aloha ao Frantsa,ary dia hihezaka hanao izay fara-heriny i
Madagasikara amin’ny alalan’ny masoivohony miasa sy monina ao Parisy mba
hanakanana izany Filoha Frantsay izany tsy hody ao antanindrazany.
Etsy
andaniny ireo mpanongam-panjakàna mitondra ny tetezamita ao Frantsa dia
mifikitra mafy eo amin’ny fitondràna amin’ny alalan’ny fanaovana fitaovana ny
Hainoamanjery sy ny tafika ary ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsaràna.
Tsy misy
mahazo miteny ao amin’ny TF1 sy France2 intsony ireo mpanohitra ary efa tapitra
nakaton’ny mpanongam-panjakàna avokoa ireo hainoamanjery manelingelina azy
rehetra.
Nahazo
fisondrotan-karama sy fisondrotana Grady tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy
avokoa ireo manam-boninahitry ny tafika sy mpitandro ny filaminana Frantsay ary
dia tsy misalasala mihitsy izy ireo maneho sy manaporofo ny fanohanany ny
tetezamita tarihan’ny mpanongam-panjakàna.Anisan’ny mpanohana mafana fo ny
mpanongam-panjakàna amin’izany ireo Zandary GIGN,polisy GIPN ary ireo Lezionera
izay samy nahazo fihofanana manokana sy fitaovam-piadiana vaovao avy amin’ny
Firenena Malagasy avokoa.
Ny
fitsaràna moa eo anatrehan’izany dia tsy mihambahamba mihitsy mandrahona ireo
mpanohitra sy mamonja ireo rehetra izay sahy mitsikera sy mitroatra manoloana
ny tsy rariny ataon’ireo mpanongam-panjakàna.Maro ireo miaramila,mpanao gazety
ary mpitondra fivavahana no nigadra vokatry ny fanehoan-kevitr’izy ireo
mikasika ny habibiana ataon’ny mpanongam-panjakàna.
Ankoatr’izay
dia potika sy lasibatr’ireo mpanongam-panjakàna avokoa ireo orinasa goavana maro
izay andry iankinan’ny toe-karena frantsay toy ny orinasa Peugeot,Renault,Bouygues
sy ny sisa…ka dia ny orinasa vahiny sy ny orinasa Malagasy mpanohana ny
mpanongam-panjakàna sisa mahazo vahana.
Marihina fa
samy manakihana sy manome tsiny ny mpanongam-panjakàna avokoa ireo masoivoho
vahiny sy vondrona iraisam-pirenena rehetra manoloana ny habibiana ataony
sy ny tsy fanajàny ny zon’olom-belona ao frantsa.Saingy ny masoivoho Malagasy irery
ihany no mahita fa milamina tsara ary ara-dalàna tsy misy kihanina ny zavatra
ataon’ireo mpanongam-panjakàna ao anaty tetezamita frantsay.
Tsy
mitsahatra ny fitokonana sy tolona ataon’ireo vahoaka Frantsay sy ireo
tera-tany Frantsay mipetraka ivelan’i Lafrantsa izay mivondrona ao anatin’ilay
fikambanana atao hoe FTT na Frantsay Tia Tanindrazana.Miharihary loatra ary tsy
takona afenina intsony mantsy ny fanohanan’i Madagasikara ireo mpanongam-panjakàna ao Lafrantsa.
Porofon’izany
fanohanan’i Madagasikara ny mpanongam-panjakàna frantsay izany ny fandraisan’ny
Filoham-pirenena Malagasy tamin’ny fomba ofisialy ny lehiben’ny
mpanongam-panjakàna izay filohan’ny tetezamita frantsay tao amin’ny lapa-panjakàna
Iavoloha.
Raha ny
vaovao farany dia hisy ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ao
frantsa ao afaka volana vitsivitsy.Manoloana izany anefa dia tsy mitsahatra
mampiaka-peo sy mitolona ireo vahoaka frantsay satria tsy mangarahara sady tsy madio
hoy izy ireo ny fifidianana manaraka eo raha mbola ny mpanongam-panjakàna no
mikarakara sy manomana izany fa indrindra indrindra takian’ireo vahoaka sy
vondrona iraisam-pirenena maro hafa ny fiverenan’ny Filoham-pirenena frantsay teo
aloha izay lasa sesi-tany mba hody ao antanindrazany ao Frantsa mialohan’ny
fifidianana mba tsy hisian’ny mizana tsindrian’ila sy hampangarahara tsara ny
fifidianana marina.
Eo
anatrehan’izany anefa dia nanantitrantitra sy namerina indray ny masoivoho
Malagasy miasa sy monina ao Frantsa fa tsy manaiky ny fiverenan’ny filoha
frantsay teo aloha hody ao Frantsa ary hanao izay fara-heriny sy hampiasa ny
fahefàny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mba hanakanana izany.
Mametra-panontaniana
sy velon-taraina ihany ireo vahoaka frantsay manoloana izany hoe:Ny vahoaka
frantsay tokoa ve no tompon’i Lafrantsa sy mahalala izay mahasoa ny
tanindrazany sa ity masoivoho Malagasy izay manao bodongerona sy manao didy
jadona manohana tsy misy fepetra ireo mpanongam-panjakàna anaty tetezamita ity.
Eto
ampamaranana dia tsara ny manamarika fa vokatry ny fanonganam-panjakàna nisy
dia mbola tsy nahatra sy fadiranovana toy ny misy ankehitriny i Lafrantsa.
-An’etsiny
maro ireo vahoaka frantsay very asa vokatry ny doro orinasa nataon’ny
mpanongam-panjakàna sy fitsoahan’ireo mpampiasa vola sy mpandraharaha vahiny vokatry
ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana intsony.
-An’etsiny
maro ireo zaza frantsay no tsy mandeha an-tsekoly intsony vokatry ny fahantràna
ka voatery manampy ny ray aman-dreniny eo amin’ny sehatry ny fitadiavam-bola.
-Tsy
mitsahatra isan’andro ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo andian-jiolahy ao
Parisy sy Marsay ary ireo faritra maro ao Frantsa.Ary ny tena loza dia miparitaka dia miparitaka manerana an'i frantsa ny fitaovam-piadiana mahery vaika ary fantatra fa ireo
lezionera sy GIGN ihany no lasa dahalo sy jiolahy manafika ny vahoaka ka miteraka tsy fandriam-pahalemana tsy manam-paharoa.Very fanahy mbola velona ireo vahoaka frantsay vokatr'izany.Ireo miaramila
sy mpitandro ny filaminana noheverina mba ho tandroka aron’ny vozona indray mantsy no lasa
jiolahy sy mpikarama an’ady ara-politika...
Vaovao
farany tena farany dia tsy takatry ny kely vola intsony ny atody ao Frantsa ao,ny vahoaka nefa mba nanantena vary 500 Ariary ny Kilao.
Angano
angano,arira arira!!!Atsipy ny tady eny an-tandroky ny mpanongam-panjakàna sy ny
reny malalany,atsipy ny teny any am-pon’ny Malagasy saro-piaro amin'ny Fireneny sy tia Tanindrazana rehetra.
Ampitapitao sy zarazarao raha nahaliana anao!!!
*Angano noforonina avy amin'ny tantara tena nisy izay nivoaka t@ gazety mpiseho isan'andro iray VAKIO ETO (amin'ny fiteny frantsay)
*Angano noforonina avy amin'ny tantara tena nisy izay nivoaka t@ gazety mpiseho isan'andro iray VAKIO ETO (amin'ny fiteny frantsay)
D.R

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire