RADIO LONGO MADAGASIKARA
Rtoa Lalao Ravalomanana manazava ny zava-nisy mikasika ny fanakanana ny fodiany antanindrazana
Nilaza ny zava-nisy sy marina mikasika ny fanakanana ny diany tsy hody antanindrazana Ramatoa Lalao Ravalomanana anio.Tsy rariny loatra hoy izy amin'ny maha olom-belona ary indrindra amin'ny maha reny ny zava-misy.
HENOY ETO NY ANTSO SY HAFATRA
Antso sy fanazavàna avy amin-dRtoa Lalao Ravalomanana anio 02 mars 2013
Ry Vahoaka Malagasy!Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika nohon’ny fahafahako miresaka mivantana aminareo izao.
Misaotra Azy isika fa momba antsika mandrakariva Izy sady mampahery tokoa.Tsy hiresaka politika aminareo aho akory, fa tsy haritro mihitsy ny tsy hilaza aminareo ny zava-marina nitranga sy misy.
Marary mafy ny reniko, Bebe Razay,.mbola any amin’ny hopitaly amin’izao isika miresaka izao. Marary mafy izy, tsy afaka miteny, tsy afaka mitsangana, ary 83 taona izy izao. Ka malahelo azy aho, ary izy koa malahelo ahy.
Efa aman-taonany aho no tsy nahita azy, nohon’ny tsy fidiny mahazo anay. Hiarahantsika mahalala izany.
Dia nahazo filazana izahay tamin’ny Talata fa afaka mody hitsabo ny reniko, ka dia natoky avy hatrany.Tonga ny protocole-ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ary efa vonona avokoa ny rehetra. Efa azo ny billets, ary efa vonona aho tonga teny amin’ny aéroport omaly Zoma tamin’ny 8 maraina.
Tampoka teo anefa dia nisy filazana azon’ny compagnie AIRLINK (Tompon’ny avion saika hitondra ahy) avy amin’ny ACM na Aviation Civile de Madagascar, milaza fa tsy mahazo mitondra ahy ny avion.
Kepoka tanteraka aho, sady nalahelo mafy. Tena tsy rariny loatra amin’ny maha olombelona, ary indrindra indrindra moa ny maha Reny.
Aiza ny zo aman-kasina ary ny Fihavanana maha Malagasy?
Nanao izay azony natao ny protocole. Naseho azy ny taratasy avy amin’Andriamatoa Praiminisitra manamafy ny fanomezan-dalana ahy hody, ka isaorako azy tokoa.
Izay ny zava-marina sy nisy, ka ampitao amin’ny Vahoaka Malagasy rehetra. Dia manao veloma mandra-pihaona, fa tena mbola feno dia feno ny foko, fa holazaiko aminareo ihany ny tohiny,
Mandra-pihaona. Homba antsika Andriamanitra.
http://www.tim-madagascar.org/
Inscription à :
Publier les commentaires (Atom)

Malheureusement , la décision du 1er Ministre ne fait pas le poids face à l'ordre de la Présidence.
RépondreSupprimer