Tsy nataotao foana ilay ohabolan-drazana manao hoe « Aleo
mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpanadainga ».Ary dia
vao maika manamarina tanteraka io teny mifono fahendrena io ny zava-doza iainan’ny
vahoaka Malagasy sy ny Firenena ankehitriny.
Raha vao niandoha fotsiny ny fanonganam-panjakàna
nataon-dRajoelina dia efa lainga miharo fitaka sy fanaratsiana ranoray no
nambaboany sy nandreseny lahatra ireo andian’olona niaraka taminy efa-taona
lasa izay.
Lainga sy fitaka,toetra ratsy izay tsy hitan’ny
mpanongam-panjakàna izay maharatsy azy satria nahafahany nitazona ilay fahefàna
tsy ara-dalàna nandritra ny efa-taona ka dia mbola tohizany mandraka
ankehitriny.
Tsy ny vahoaka Malagasy ihany no voasoloky sy voafitaka anefa fa nahazo ny anjarany avokoa hatramin’ireo vondrona iraisam-pirenena isan-tsokajiny izay miara-miasa amin’i Madagasikara amin’ny fitadiavam-bahaolana hivoahana amin’izao krizy goavana tian’ny sasany haharitra izao.
Hatramin’ny sonia nolavina tany Maputo,ka hatramin’ireo
kibaombabaomba tsy mipoaka noforonina mba hisamborana ireo mpitarika ny
mpanohitra,ny vary 500 Ariary ny Kilao izay nofinofy hatramin’izao raha tsy
hitanisa hafa tsy ireo dia taratra fa tena talentan’ireo mpandrombaka fahefàna
tamin-kery tokoa ny lainga sy ny filalaovana ny sain’ny vahoaka.
Ny azo antoka dia nentin’ireo mpandainga sy mpisoloky
mpanongam-panjakàna anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantràna tanteraka ny
Firenena sy ny fiainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny.
-Firifiry ireo zaza Malagasy no voatery tsy mianatra intsony
ka lasa manampy tsy fidiny ireo Raiamandreniny eo amin’ny sehatry ny fitadiavam-bola.Raha
ny vaovao sy fanadihadiana nivoaka farany teto Antananarivo fotsiny ohatra dia
mitombo isan’andro ny isan’ny ankizy tsy mandeha any an-tsekoly intsony vokatry
ny hanohanana.Mba manao ahoana izany ny zava-mitranga any ambanivohitra any ?
-Firifiry ireo zazavavy tsy ampy taona atosiky ny fahantràna
ka lasa mivaro-tena tsy fidiny.
-Firifiry ireo Malagasy very asa sy noverezina asa (nodorana
ny orinasany) vokatry ny krizy sy fanonganam-panjakàna tao anatin’ny efa-taona
izay?Tsy fananan’asa sy fahantràna mihoa-papana izay mitarika ny tsy
fandriam-pahalemana tsy manam-paharoa ankehitriny.
Tsy hitanisa hafa tsy ireo koa isika fa ankoatr’ireo dia mbola
marobe ny ohatra azo raisia izay voka-dratsy nateraky ny lainga sy fisolokian’ny
mpanongam-panjakàna avokoa.
Nodradradradraina sy namitahana ny sain’ireo tsy mandinika
lavitra tamin’izany fa tsy azo hanina ,hono,ny làlana.Ny tsy tokony hadinon’ireo
mpitari-bato vilam-bava sy ireo voakaikitry ny amboa kely tiany ankehitriny
anefa dia tsy misy hanina na sakafo tonga eo ambony latabatra sy anaty lovia raha
tsy misy ny làlana hitanterana ny vokatra.Ny tatitra nataon’ny sampan-draharaha
manokana momba ny vary farany teo dia nilaza fa vokatry ny tsy fisiana sy
haratsin’ny làlana no mampidangana ny vidin’ny vary sy ireo kojakoja ilaina
amin’ny andavan’andro ankehitriny.Ka tsy azo hanina tokoa ary ve ny làlana ?
Misy oha-pitenenana manao hoe: « Azo atao ny
mandainga in-dray mandeha amin’ny olona zato,fa tsy azo atao ny mandainga
in-jato amin’ny olona iray. » Ny fanontaniana mipetraka dia hoe :Mba
efa nahatonga saina ny Malagasy ve ireo lainga marivo tototra maro nataon’ny
mpanongam-panjakàna taminy nandritra izay efa-taona izay ? Ary mbola misy hino ny lainga sy
fampanantenana ataon’ny mpanongam-panjakàna ve amin’ny ho avy ?
Farany teo
mantsy ,ny marimarina kokoa tamin’ny herinandro iny dia nanaiky ny
hiverenan-dRamatoa Lalao Ravalomanana eto antanindrazana mba hitsabo ny reniny
marary mafy i Rajoelina.Somary gaga ny rehetra naheno izany satria raha
tsiahivina kely ny tantara dia efa nisy fotoana Rtoa Lalao Ravalomanana tonga
teny Ivato saika hamangy ny reniny tsy salama ihany saingy herisetra sy
fikasihan-tanana ary fandroahana teo no eo avy hatrany no nasetrin’ny mpitondra
tetezamita azy sy ny vinanto-vaviny tamin’izany.
Ho an’ireo
mpanara-baovao sy efa vita vaksiny amin’ny lainga manara-penitry ny mpitondra
ankehitriny kosa dia nahatsinjo sy nahatakatra avy hatrany ny tetika ambadik’i
Rajoelina raha vao nametraka ireo fepetra maro isan-karazany tsy maintsy arahin-dRamatoa
Lalao Ravalomanana izy;ary tsy gaga firy intsony raha tsy navelan’ny mpitondra
FAT hiditra tao anaty fiaramanidina hitondra azy aty Madagasikara indray tamin’ny
ora farany ity vadin’ny Filoham-pirenena teo aloha ity.Araho eto ny fanazavàna nomeny mikasika izany.
Mandra-pahoviana
no hiaina anaty fitaka sy lainga ary fisolokiana fahefàna toy izao ny Malagasy?
Tsetsatsetsa
tsy haritra no hanipihana sy hampatsiahivana fa matoa manongam-panjakàna,matoa
manala amin-kery ny mpitondra na filoham-pirenena iray amin’ny toerany (tsy
mandalo fifidianana sady voararan’ny lalàna rahateo) dia manana antoka fa
mahavita tsaratsara kokoa noho izay vitan’ny teo aloha,afaka mitondra
fandrosoana sy fampivoarana haingakaingana kokoa noho ny teo aloha.
Efa-taona
aty aoriana nanonganana ny Filoha Ravalomanana anefa i Rajoelina izao,mba aiza
ho aiza ny zava-bitany ankoatra ny fahantràna manara-penitra izay iainan’ny
vahoaka Malagasy isan’andro?
Efa-taona
lasa izay taiza ho aiza no nisy ny Firenena sy ny fiainan’ny Malagasy?Raha ny
tatitra sy fanadihadiana navoakan’ny Banky iraisam-pirenena sy ireo
manam-pahaizana ara-ekonomika maro dia efa lasa lavitra i Madagasikara amin’ny
tanjaka ara-toe-karena raha tsy nisy ny fanonganam-panjakàna nataon’ireo
fahavalom-pirenena sy ireo fahavalon’ny fandrosoana.
Ankehitriny
i Madagasikara dia mitana ny rambony hatrany eo amin’ny sehatry ny fahantràna
sy tsy fandriam-pahalemana eto Afrika sy manerana izao tontolo izao.Ary tsy
amin’ireo sehatra ireo ihany fa dia mbola anisan’ny voalohany ihany koa eo amin’ny
tsy fanajàna ny zon’olom-belona (Tsy ny Amnesty International mihitsy ohatra no
hilaza ny mifanohitra amin’izany) sy fanosihosena ny asa fanaovan-gazety sy
falalahana miteny.Porofon’ izany farany teo ohatra ny hetraketraka izay nahazo ny
mpanao gazetin’ny fahitalavitra TV Plus,ramatoa Onitiana Realy.
Ankoatr’io koa
anefa dia tsara ny mampatsiahy fa nandritra izay efa-taona nisian’ny
fanonganam-panjakàna sy ny tetezamita izay dia Hainoamanjery (Radio sy televiziona)
maherin’ny 80 no nakaton’ny mpitondra FAT manerana an’i
Madagasikara.(Loharanom-baovao: Reporters sans frontières).
Fehiny dia
tsy mbola nisy fanapena-bava sy fahantràna ary lainga manara-penitra ohatr’izao
teto Madagasikara hatramin’izay.
Tsy misy voro-dolo
mitera-boromanga hoy ny fiteny,ary tsy hisy mpanongam-panjakàna hanaiky mora
foana ny hanatanterahana fifidianana ara-demokratika izany koa.Ny tahotra sy
horohoro ny safidim-bahoaka mihitsy no efa nahatonga azy hanongam-panjakàna fa
tsy niandry fifidianana.Ho avy tsy ho ela hono ny fifidianana eto amin’ny
Firenena,koa asakasatsika ry Malagasy raha hatoky sy hanantena fifidianana
madio sy mangarahara eo ambany fitantanan’ireo mpanongam-panjakàna isika.
Raha ny tondro
zotra izay niarahan’ireo milaza azy fa mpitondra sy mpanao politika eto amin’ny
Firenena no jerena sy arahana dia voalaza ao fa ilaina ny fitoniana mialohan’ny
fifidianana,ary dingana goavana takian’ny fitoniana sy takian’ny tondro zotra
ny fiverenan’ireo sesi-tany rehetra tsy misy hakanavaka sy tsy misy fepetra,ny
fivoahan’ireo gadra politika rehetra,ary ny fisokafan’ireo Hainoamanjery nakatona
rehetra.
Firy amin’ireo
fepetra ireo no efa tanteraka ankehitriny?
Fitoniana
makany amin’ny fifidianaa tokoa ve no tanjon’ny mpitondra tetezamiitatra
tetezamita ankehitriny sa korontana araka ny naverimberin-dRajoelina matetika
tao amin’ilay fandaharana fahitalavitra nanasa azy tsy dia ela akory izay
(Invité du zoma)?
Soa lavo
hahay hamindra,soa kenda hahay hitsako…Hanatra any izany ka alefalefa
ihany.Izay mandray dia omena fa izay tsy mandray tsy terena!
D.R.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire