RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • SARY+VAOVAO - Tonga soa Ramatoa Lalao Ravalomanana


    lalao-ravalomanana-tongasoa.jpg

    Misy hafaliana sy fanantenana miainga sy mitsiry any ho any.Izay no azo hilazàna ny fandraisan'ny ankamaroan'ny olona,indrindra ireo izay nahazo vaovao voalohany tety amin'ny tranonkala,ny fahatongavan-dRamatoa Lalao Ravalomanana teto antanindrazana io Maraina io.

    Araka ny vaovao dia tamin'ny dimy ora sy folo maraina no nigadona teny Ivato niaraka tamin'ny vinantolahiny Thierry Radavidra Ramatoa lalao Ravalomanana.Araho eto ny vaovao

    Na dia tao anatin'ny fahanginana tanteraka aza izany fahatongavan'ny vadin'ny Filoha Ravalomanana izany (Tsy nisy filazàna mialoha ny andro sy ora hahatongavany) dia vetivety monja dia niparitaka sy voarain'ny olona ny vaovao ary ny azo ambara dia tamim-pifaliana tokoa no nandraisan'ireo mpanara-baovao izany,indrindra fa ireo zanak'i Dada.

    Misy hafaliana sy fanantenana satria dia tsy vitsy mba tsy hilazàna hoe maro amin'ny vahoaka Malagasy no niandrandra izao fahatongavana izao nandritra ny efa-taona izay.Efa-taona izay tsy asiana resa-be intsony satria dia iarahan'ny besinimaro mahita sy miaina ny zava-misy ankehitriny.

    Ny faniriana sy tonom-bavaky ny maro dia mba hahita fahasalamana feno sy haingana i Bebe Razay,renin-dRamatoa Lalao Ravalomanana.Ary dia mba ho tonga tsy ho ela eto antanindrazana ihany koa ny Filoha Ravalomanana Marc ka mba hifarana sy ho lasa nofy ratsy sisa izao fahoriana sy vahavoazana tsy hita noanoa mahazo ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy izao...TONGA SOA NENY!!!

    Isaorana manokana ireo namana naka ny sary.

    lalao-ravalomanana-tongasoa2.jpg



    lalao-ravalomanana-tongasoa3.jpg


    lalao-ravalomanana-tongasoa4.jpg


    Madagasikara Malalako

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire