RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • "Neny" Lalao Ravalomanana nitsidika an'Ambatolampy kely sy Ambatomanga:« koa enga anie samy ho tsilovin’ny Fanahy Masina hatrany isika » [+andian-tsary]


    neny_ambatolampy_tsena.jpg

    Fiaraha-mivavaka tao Ambatolampy Kely

    Mahatsapa tena fa olom-pirenena toy ny olon-drehetra ny kandida Ravalomanana Lalao, ka dia afaka miriaria eny rehetra eny tsy misy tahotra. Ny Alatsinain’ny Pentekosta, izay andro natokana hitsangatsanana dia nidina tany Ambatolampy-Antsirabe i Neny.

    Nihazo ny tsena an-tongotra ny tenany ary nitafa mivantana tamin’ireo mponina sendra ny fandalovany. Mitaraina mafy amin’ny fahasahiranana ny ankamaroan’izy ireo ary manantena fa tsy ho ela dia hiverina amin’ny ara-dalàna ny fiainany. Ny ankamaroan’ny mponina dia nilaza mazava ny fanantenany amin’ny andraikitra raisin’i Neny amin’ny raharaham-pirenena. Niantsena toy ny renim-pianakaviana rehetra izy saingy tsy nanaiky ny tsy hitafa sy tsy hanaraka azy ny vahoaka. Nifanome toky ary ny roa tonta fa hifanome tanàna hanarina ny rava satria tsy andraikitr’olon-tokana izany fa « andraikitro izaho sy ianao » hoy Neny.

    Mampiavaka ity kandidà ity ny fanankinany ny fiainany amim-bavaka.

    « Pentekosta faharoa androany » hoy Lalao Ravalomanana tao amin’ny FJKM Karmela Fanantanana Ambatolampy « koa enga anie samy ho tsilovin’ny Fanahy Masina hatrany isika ». Taorian’ny fanompoam-pivavahana dia nisy ny fizaram-pifaliana natolotry ny sampana maro ho fahatsiarovana ho an’ny vahiny. Tononkalo hoan’i Neny sy hira fiderana no nentina nandravaka ny fanomezana ireo tolotra hita maso avy amin’ny sampana isanisany.

    FJKM Ambatomanga

    Niatrika ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tao Ambatomanga Ramatoa Ravalomanana Lalao, tamin’ny andro fankalazana ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly, ny 19 Mey lasa teo.

    Nentina am-bavaka tao ny fiainam-pirenena sy ny fianakaviana Ravalomanana ary ny fikasana handray andraikitra amin’ny firenena. Nohararaotin’ny fitandremana ny niarahaba sahady an’i Neny satria ankatoky ny fetin’ny reny io andro io.

    Satria tsy ho afaka mandalo any an-toerana intsony amin’ny amin’izany andro natokana ho an’ny reny izany dia nisy ny fahatsiarovana ho fanamarihana izany.

    Sekoly Protestanta sy kilasy mandry – Ambatomanga


    Rehefa avy nidera an’Andriamanitra Ravalomanana Lalao nitsidika ihany koa ny sekoly nianarany fahiny. Sekoly protestanta izay isan’ny reharehan’Ambatomanga raha ny andraikitra tazomin’ireo nobeazina tao. Isan’ireo notaizana tao amin’ny kilasy mandrin-jazavavy ihany koa Ravalomanana Lalao fony mbola mpianatra.

    Ny fitsidihany ity toerana ity dia nahafahany nijery ny fiovana nisy sy ny fiaimpiainan’ny zazavavy beazina ao amin’izao fotoana.

    Eo ihany koa ny ezaka ataon’ny mpikarakara izao toerana izao toy ny trano fonenan’ny mpampianatra izay mbola anaty tetik’asa ihany ny ankamaroany. Nialoha izany anefa dia nisy ihany koa ny resadresaka tamin’ny mpiandraikitra sy ny fitsidihana ny kilasy mandrin-jazalahy tao Ambatomanga.

    Amin’izao fotoana, dia manabe zatovo 30 ny akany. Zatovo izay heverina fa hanana ny anjara toerana eto amin’ny firenena.

    Araho eto ireo andian-tsary nanamarika ny fotoana/ Sary: Daniel Rakotoarisoa




    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire