Nanome vaovao sy nitafa mivantana tamin'ireo vahoaka vory maro be teo amin'ny kianjan'ny finoana indray androany ny Filoha Marc Ravalomanana.Tamin'izany no nitondràny fanazavàna sy nanomezany toky ny vahoaka Malagasy fa ara-dalàna ny filatsahan-kofidian'i "Neny".
"...mijoro amin'ny fahamarinana isika, ary tsy misy mihitsy ny tsy maha ara-dalàna ny filatsahan'i Neny...aza ny tatitra entin'ny sasany any no henoina ary aza atao safobe-mantsina toa ny filatsahan'ireo olona izay ao anatin'ireo 109 voasazy ireo...". Hoy i Neny tamin'ny filoha Ravalomanana :"Izaho no ampody anao!"
Tetsy ankilan'izany dia tamim-pifaliana sy fanantenana lehibe koa no nandraisan'ireo vahoaka maro vory lanona ny kabary nataon'i "Neny" Lalao Ravalomanana tetsy Itaosy anio.Niompana indrindra tamin'ny fanentanana mba handray andraikitra sy ny firaisan-kina ny hafatra sy kabary nataony tamin'izany.
Araho sy henoy eto: IREO KABARY SY VAOVAO ANIO 18/05/2013
Ireo andian-tsary nanamarika ny andro androany
Sary: GTT miaraka amin'ny Filoha Ravalomanana/ Mydago.com/ Nadia Raonimanalina
http://www.tim-madagascar.org/
.png)
mirary sy miezaka ny hahalany an'i neny e !
RépondreSupprimer