Vohizina mafy dia mafy ankehitriny ny fanerena ny kandidà Lalao Ravalomanana sy ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ary Ingahy Andry Rajoelina mba hanala ny filatsahan-kofidian'izy ireo ho filoham-pirenena.
Tao anatin’ny andro vitsivitsy izao dia tsy mitsahatra ny tsindry sy faneren’ireo vondrona iraisam-pirenena mba hampiala an-daharana ireo kandidà telo ireo satria mety hiteraka korontana hono ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara sady tsy manaja ny « Tondro zotra ».

.png)