Efa-taona izao no latsaka an-katerena ny firenena. Natao daholo izay hevitra nivoahana anatin’ny kirizy. Ny zavatra tsy azo hodian-tsy fantatra dia sady niaina anaty fahoriana sy zohindalana mikitroka ny vahoaka, no mbola naneho fandeferana maro lehibe manoloana ny vahaolana izay nolazaina fa hamaha ny olana politika.
Tao anatin’izany fandeferana izany ny fanekena tsy fidiny ny tsy firotsahan-kofidian’ny Filoha izay nofidiany, ary ny fametrahana ny mpanongam-panjakana ho mpitantana ny tetezamita hamahana ny kirizy. Noesorina tamin’izy ireo ny zo maro ary anisan’izany ny fahalalahana miteny manoloana ny zava-misy. Mbola fandeferana ihany koa ary fanehoana finiavana sy risim-po ny hiditra amin’ny fifidianana izay naroso.
Fotoana nahafahan’ny mpikambana tao amin’ny CES nampiseho fahendrena sy fahambonintsaina mba hiverenan’ny fitokisana amin’ny samy malagasy ny famoahana ny lisitry ny mpifanina amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Ny mifanohitra amin’izany no niseho. Efa toa zary tsy mahamenatra intsony ny fandikana lalàna eo amin’ny firenena.
Mamohehatra ny finiavan’ny mpikambana ao amin’ny CES nanaiky tsy tamin-tahotra na henatra akory ny filatsahankofidian’ olona izay nametraka ny fangatahana tsy minitra na ora vitsy akory, fa andro maromaro mihitsy taorian’ny ora fetra voatondro. Na ireo mpikambana ao amin’ny CES tsy mahay ny asany, na izy ireo nandray kolikoly, na azo heverina ihany koa fa nahazo fandrahonana, izay fomba amam-panaon’Andriamatoa Andry Rajoelina efa fantam-poko fantam-pirenena, fa inian’ireo fikambanana iraisam-pirenena tsy hita na lazaina ihany koa. Nefa na inona antony na inona dia mbola manamafy izao zava-miseho izao fa rafitra mitanila amin’ny lohan’ny mpanongam-panjakana ary rafitra mifanohitra amin’ny tombotsoan’ny vahoaka ny rafitra ankehitriny.
Raha nitarika ity hevitra fampihavanana ny samy malagasy ity ny FFKM dia tianay ny manamarika fa tsy vitan’ny teny fanakianana ny fampihavanana fa mitaky asa fanatanterahana. Voalohany amin’izany ny fihainoana tsy amin’ny fitanilàna ireo voakasiky ny raharaha, ary tsy latsa-danja amin’izany ny vahoaka malagasy, izay fantatrareo miharihary fa miaina anaty jadona sy horohoro, sy ny Filoha Ravalomanana, izay sakanana tsy hiverina an-tanindrazana.
Mangataka izahay :
- ny hanaovana izay rehetra hampodiana ny Filoha Marc Ravalomanana tsy misy hatak’andro, mba tsy ho ianareo ihany koa no hampiseho fitanilàna mivantana raha minia mikimpy manoloana ny tsy mety ataon’ny CES izay mibaribary toa ny vay an-kandrina
- ny hanorenana rafitra tsy mitanila na manome vahana ny vondrona izay efa sady fototry ny kirizy no mbola sakana amin’ny famahana azy dia ny mpanongam-panjakana.
Vondrona mitantana ny fiangonana kristiana ianareo : aoka ho mendrika izany ny asanareo ka tsy hanota amin’ny fanahin’Andriamanitra izay nodradradrainareo hiteny amin’izao fampihavanana izao, fa fantatrareo tsara fa tsy ahazo famelan-keloka ny amin’izany ianareo. Tsy nomena fanahy osa ianareo, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononantena.
Mitodika any aminareo ny vahoaka ankehitriny. Hindraminay ny tenin’Andriamanitra manao hoe : “aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, saingy mitoetra matoky eo aminao izy”.
Am-bava homana, am-po mieritra
Vondrona mitantana ny fiangonana kristiana ianareo : aoka ho mendrika izany ny asanareo ka tsy hanota amin’ny fanahin’Andriamanitra izay nodradradrainareo hiteny amin’izao fampihavanana izao, fa fantatrareo tsara fa tsy ahazo famelan-keloka ny amin’izany ianareo. Tsy nomena fanahy osa ianareo, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononantena.
Mitodika any aminareo ny vahoaka ankehitriny. Hindraminay ny tenin’Andriamanitra manao hoe : “aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, saingy mitoetra matoky eo aminao izy”.
Am-bava homana, am-po mieritra
GTT

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire