RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • "Neny" Lalao Ravalomanana tetsy Ankorondràno: Ny hery hananan’ny fahavalo dia tsy hampaninona anao rehefa manana ny herin’ny Fanahy Masina ianao [+andian-tsary]


    Lalao-Ravalomanana_Ankorondrano.JPG

    Noporofoin’i Neny Lalao Ravalomanana omaly alahady fa azo atao tsara ny miaraka sy miray ao anaty fahasamihafàna.Araka izany dia tonga namaly ny fanasàna azy nataon’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy tetsy Akorondrano ny tenany.


    Nifototra indrindra tamin’ny fitrotroana am-bavaka ny Firenena ny fotoana;ary nandritra izany dia nampitahàn’ny mpitandrina tompon’andraikitra tao ho toy ny tendrombohitra mila arodana sy ravàna ho lasa lemaka ny olana goavana izay mahazo ny Firenena ankehitriny.Ny hery hananan’ny fahavalo hoy izy dia tsy hampaninona anao rehefa manana ny herin’ny Fanahy Masina ianao.

    Rehefa nifarana ny fotoana dia tsy adinon’i Neny ny nisaotra sy nandray tànana ny mpitandrina sy ireo tompon’andraikitra rehetra tao niaraka tamin’ireo vahoaka mpino maro be niara-niombom-bavaka taminy noho ny fanasàna sy fitrotrona am-bavaka azy.

    Tsara ny manamarika fa dia hafaliana sy haravoana tanteraka no nandraisan’ireo vahoaka kristiana maro be an’i Neny teo Ankorondrano.

    Indro fehezintsika anaty andian-tsary vetivety ireo fotoana nanamarika ny fiaraha-mivavaka omaly.

    crédit photos: Daniel Rakotoarisoa

    1 commentaire:

    1. Mankasitraka Neny a!Andriamanitra tokoa anie homba anao.Izany ka olom-banona vonona marina hampitambatra sy hampiray indray ny Malagasy.Mivavaka ho anao sy ny Firenentsika Mandrakariva satria tsy kely lalana ny devoly sy ny fahavalo.

      RépondreSupprimer