Samy liana ny rehetra nihaino ny hafatra nampitaina teny an-toerana. Nambarany fa azoko sary an-tsaina hoy izy ny tebibety sy ny alahelo mahazo antsika mianakavy, satria nivoaka tampoka, tsy nampoizina ny didy aman-dalàna nataon’ny sasany. Ao anatin’ny tebiteby ny vahoaka Malagasy. Tsy mora hoy izy ny toerana mahazo ny vahoaka Malagasy. Ny 91%n’ny vahoaka Malagasy dia mahita sy milaza fa diso làlana tanteraka ary mandeha amin’ny tsy izy ny fitantanana raharaham-pirenena.Manampy trotraka izany ny fitsabahana sy ny fanaovana tsinotsinona ny fiandrianampirenena ataon’ny vahiny.
Mahatratra eo amin’ny 72%n’ny malagassy hoy ny filoha Ravalomanana Marc no mahatsapa fa atao tsinontsinona ny maha Malagasy ny Malagasy. Ny vahiny avy aty ivelany no manome baiko ary maniraka olona hanao tsindry hazo lenan manararaotra ny fahasahiranana , indrindra mitondra ny irak’ireo firenena mitady ny tomboantsoany manokana. Ka mamily ny safidin’ny vahoaka. Misaotra an’Andriamanitra sy ny vahoaka Malagasy ny tenako hoy izy fa mbola misy ny vahoaka tsy manaiky ny tsindry hazo lena sy mizana tsindrian’ila, fa indrindra fiarovana ny hasina maha Malagasy , Tena misy 72 %n’ny vahoaka Malagasy ankehitriny dia milaza fa tena tsy izy intsony izao ataon’ny vahiny izao, tsy izy rehetra akory satria tsy mitovy hevitra izy ireo. Amin’izao fotoana izao hoy izy dia milaza amin’ireo aho hoe mba tsy rariny loatra ny teny midina ataonareo manilikilika ary tsy manaja ny tondrozotra izay nifanarahana. Tampotampoka teo hoy izy dia nilaza vonona hihaona amiko izy amin’ny herinandro ambony io. Miezaka hatrany aho hoy izy ny mitady ary manao izay tratran’ny hery hamerenana an’i Madagasikara ao anatin’ny tany tan-dalàna, mba ao anatin’ny fanajana ny mahaolombelona. Ny firaisankinantsika Malagasy hoy izy , ny fijoroantsika no tena zavatra ilaina. Diso hevitra dia diso hevitra ny milaza fa hoe ny fahantran’ny Malagasy no hanararaotan’ny sasany izao. Ahitsiko izay teny izay hoy izy noho ny fananan’ny Malagasy harena tsy toko tsy foroahana, petrole sy vato aty amintsika no mahatonga ny sasany hanao izao tsindry hazo lena izao. Noho ny harenan’ny vahoaka no mahatonga ny sasany hanao ny fizarazarana ny Malagasy.
Samia ianareo hoy izy mandinika tsara satria lany andro isika raha isika samy Malagasy no miady eto. Ny tombontsoa lehibe hananantsika dia mitady hanjakan’ny sasany fotsiny. Vao tamin’ity herinandro ity hoy izy ny filoha Mozambikana nilaza fa nahita gaz tany amin’ny lakandranon’I Mozambika. Tsy hanaiky izany mihitsy aho hoy izy ary averiko eto indray fa ny andro sisa iainako dia hanasoavako ny Malagasy.
Rehefa manohana ny filoha Ravalomanana hoy izy, ka mijery ny sezan’ny eo dia tsy manohana ahy izy izay. Raha manohana ahy ianao dia tohano ny vahoaka Malagasy.Mila mijoro isika ary tsy hanaiky lembenana amin’ny ataon’ny sasany fitaovana eo. Alaivo sary antsaina hoy izy hoe 1% n’ny Malagasy no mananana tomboantsoa amin’izao fitondrana misy izao. Mananaraotra amin’izao fisavoritaha politika izao hoy izy ny vahiny sasany mba handrobana ny fananana, mba hanaovana tsinontsinona ny maha Malagasy ny maha Malagasy.
Etsy andanin’izany ihany koa hoy izy dia ny mpitondra tsy mandeha amin’ny lanoniny ny fitantanana misy. Tsy misy firenena eto ambonin’ny tany hoy izy ka olona avy aty ivelany no hilaza hoe esory ity andrimpanjakana ity dia esorina. Mahamenatra izany hoy izy ary tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany. Aza adinonareo hoy izy fa iray hetsy ny mponina any Seychelle amin’ireo nosy manodidina ireo, isika nefa 22 tapitrisa. Manainga ny hambom-pon’ny Malagasy rehetra aho hoy izy na tia ahy na tsy tia ahy, na manohana na tsy manohana ahy mba mijoro amin’ny maha Malagasy anao.
Ianareo mpitsara mitsara amin’ny mahampitsara marina. Voazalan’ny baiboly hoy izy hoe ianareo mpitsara aoka hitsara amin’ny fahamarinana, manan-janaka sy taranaka ianareo, manana firenena ianareo. Raha nisy ny fanapahan-kevitra hoy izy dia nisy didy nivoaka ary nazava tsara ny didy nivoaka tamin’ny 3 May fa tsy azo ivalozana. Nahoana indray no azo ivalozana amin’izao fotoana izao rehefa navoakan’ny HCC. Samy manao izay saim-pantany hoy izy ka araraotin’ny sasany izany tsy fitoviankevitra izany. Izahay ato amin’ny movansy Ravalomanana hoy izy dia tsy matahotra ny fifidianana hiseho eo fa na iza na iza tohananay movansy Ravalomanana dia lany foana.
Ny tena tadiavinay marina hoy izy dia fitsarana marina fa aoka tsy hanaiky izay tombontsoa any ambadika any.Mampiteny ny moana hoy izy ny hoe misy didy tsy azo ivalozana, misy ny didy azo ivalozana. Diso be ny filazana fa isika zanak’i dada no tsy te hilamina fa isika Malagasy maika dia maika hamerina ny filaminana ao anatin’ny ara-dalàna ary indrindra ao anatin’ny fifankatiavana, fa ny firaisankina no zava-dehibe.
Aza avela hanjaka ao anatintsika ny fankahalana olona hoy izy. Efa sangy mihoatra ny loha ity , fa ny vahiny avy ivelany no mitsabaka. Ho avy aho hoy izy hiresaka amin-dry zareo hoe maninona ianareo no manao izany amin’ny Malagasy, fa maninona ianareo Sadc raha manao izany amin’ny firenena 14. Tsy hamelantsika Malagasy na iza na iza ho lany eo hoy izy ka tsy ao anatin’ny tsy fahalalahana, mangaraharaha, ary mandray anjara ny rehetra.
Izao ny hafatra omeko anareo rehetra na any ivelany na eto an-kianja, ny toromarika omeko avy aty arahana satria misy dia misy tokoa ny zavatra tsy fantatrareo any Madagasikara. Misy fivoriana izay ataony aty hoy izy ary tsy hanaiky lembenana amin’io fifidianana io aho ary milaza ihany koa aho hoe izahay tsy matahotra fifidianana, fa aleo fifidianana malalaka hahafahan’ny olona misafidy malalaka hitondra azy. Raha tsy miray hina sy mifanaja isika hoy izy dia tsy tafaverina ny filaminana aty Madagasikara. Ianareo mpanao gazety hoy izy dia aza faly fotsiny amin’ny tomboantsoa amin’ny vidin’ny gazety ianareo fa milaza ny marina ary tezao ny vahoaka. Manana faharetana hoy izy fa omeko anareo ny valiny amin’ny herinandro ho avy io.
Aza matahotra izay fampitahorana etsy sy eroa, manana fanantenana, tsy maintsy mijoro isika miaro ny fananana sy ny firenena. Momba ny FFKM dia nambarany fa miantso anareo FFKM ary manohana 100% izahay , tohizo ny fampihavanana.
Araho sy henoy eto ny ANTSO: "...manaitra ny ambo-pon' ny malagasy rehetra aho, na ny tia ahy na tsy tia ahy, na manohana ahy na tsia, mba mijoro amin'ny maha-malagsy anao..."

Miverina hatr@ 2009 isika Malagasy @ izao fotoana satria nesorina t@ hery ny olomboafidy. androany dia nesoriana koa ny olona ho fidiana. Antony tokana no mahatonga izany : efa taona mahery no niadivan'ireo mpanongampanjakana mba ho olomboafidy izy ireo nefa tsy nahomby. Any sisa azo natao dia esorina ny olona tsy fidina dia izy sy ireo namany sisa no hilatsaka ho candidat ary hiseho ho olomboafidy. Ny dikany dia ho roahina tsy olompirenena izay tsy manaika hifidy @ ireo mpanongampanjakana. Manaiky izany ve ny Malagasy. TSIA.
RépondreSupprimer