RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Dr Jean Louis Robinson : Nahazo tso-drano tamin'i Dada sy i Neny - Filoha Ravalomanana: "Tsy matahotra fifidianana ny ankolafy Ravalomanana" [+ andian-tsary]


    Robinson_ravalomanana_Imerintsiatosika.jpg


    Nanao be fiavy teny Imerintsiatosika ny movansy Ravalomanana niaraka tamin’ny kandidà Dr Robinson Jean Louis, androany, notarihan’ny Neny Lalao Ravalomanana. Nafana ny hetsika ary ny masoandro mody no nampalahelo .

    Nifandimby nandahan-teny ny solontenan’ny vahoaka avy eo an-toerana notarihan’ny depioté Rodin Rakotomanjato. Nanolotra ny kandidà tamin’ireo vahoaka vory lanina ny filohan’ny delegasiona ny Ankolafy Ravalomanana, Andriamatoa Mamy Rakotoarivelo.

    Tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny Dr Jean Louis Robinson no nanambarany ny hafaliany : « Faly aho tena faly aho fa nahazo tso-drano tamin’i Neny, nahazo tso-drano avy amin’i Dada, nahazo tso-drano tamin’ny movansy Ravalomanana ary nahazo tso-drano taminareo vahoaka. Tsy mbola manao fampielezan-kevitra no ahatongavanay eto fa hanentana anareo hifidy haneho ny safidy amin’ny 25 oktobra izao hoy hatrany ny tenany.

    Nosafidiana manokana Imerintsiatosika tamin’izao hetsika izao, « Tsy azo atositosika i Dr Robinson miaraka amin’i Dada sy Neny ary ny Movansy Ravalomanana » hoy Dr Jean Louis Robinson. Nanamafy hatrany ny kandidà avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana fa marary ny firenena ka mila dokotera hitsabo azy, « inty aho » aho hoy izy. Fa tamin’ny hafatra nampitainy teto dia namerimberina ny tenana fa , tsy maintsy tafody eto i Dada.

    Nididtra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby teto ihany koa ny filoha Ravalomanana.Toy izao ny kabariny raha fintinina :

    Misaotra an’Andriamanitra isika fa mahay ny lalana tokony hitondrana antsika izy, naka andinina soratra masina teto ny filoha, nalainy tamin’ny Korintiana II 5- 7. Mandeha amin’ny finoana isika fa tsy amin’ny fahitana hoy izy. Mbola nanamafy hatrany ny filoha fa baiko no omeny dia ny handraisana anjara amin’ny fifidianana . Ny movansy Ravalomanana tsy matahotra fifidianana hoy hatrany izy. Sahirana ny vahoaka Malagasy, marary ny vahoaka, maika ny hody i Dada koa tsy maintsy hatao izay hahalany ny kandidàntsika hoy izy. Nitondra hafatra ihany koa teto ny filoha Ravalomanana : « Tandremo ry havana vao tonga, manilikilika ny mpitolona niharitra ny nandritra ny efa-taona teto.Mila anareo miara-miasa aho » hoy Ravalomanana.

    crédit photos: Daniel Rakotoarisoa


    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire