RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Iza moa ny kandidà Docteur Jean Louis ROBINSON ?





    VOAVOLAVOLA TETO MADAGASIKARA


    - Teraka tao Ampasikely

    - Nianatra tao amin’ny ESCA-Antanimena ary nahazo ny Bakalorea (Sciences expérimentales) ny taona 1970

    - Nivoaka ho dokotera teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny taona 1980

    - Nanao ny asa maha-mpitsabo tamina sehatra avo maro be

    - Efa filohan’ny Filankevitra Nasionalin’ny Holafitry ny Mpitsabo (ONM) ihany koa ary Filoham-boninahitra ankehitriny.

    NIASA HATRANY HO AN’NY FIRENENA MALAGASY


    - Mpanolon-tsaina manokan’ny Praiminisitra Jacques Sylla

    - Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Faritra Alaotra-Mangoro

    - Minisitry ny Fahasalamana, ny Fandrindram-piterahana ary ny Fiarovana ara-tsosialy tao amin’ny fitondrana RAVALOMANANA

    - Minisitry ny Tanora, ny Fanatanjahantena ary ny Kolontsaina tao amin’ny fitondrana RAVALOMANANA ihany.


    ISAN’NY FANATSARANA NENTINY AMIN’NY MAHA-MPITSABO AZY


    - Nanana andraikitra lehibe tamin’ny sahan’asa mampihena ny taham-pahafatesan’ny zaza am-bohoka

    - Mpitarika fototra tamin’ny fametrahana ho raikitra ny hetsika « Herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza »

    - Nametraka ny « Fandrindram-piterahana » tsy andoavam-bola teto Madagasikara

    - Namaritra ny paik’ady isian’ny fandidiana ara-piterahana (césariennes) sy fitsaboana nyzaza tsy andoavam-bola tao DIANA sy SAVA ary faritra hafa teto Madagasikara

    - Tompon-kevitra sady Prezidan’ny fifaninana “aggregation de medicine humaine” voalohany natao teto Madagasikara.


    MANAJA FATRATRA NY HASIN’ NY FIANAKAVIANA




    Aza hadinoina fa i Dr Jean Louis ROBINSON dia:

    - Olona tena akaiky ny Filoha RAVALOMANANA ka izany indrindra no nanekeny hanohanana azy amin’ny fifidianana rehafa nailiky ny mpitondra ny Tetezamita ny firotsahan’I Neny. Lesona ho an’ireto tsy mataho-tody ireto izao fiandanian’I Dada amin’I Dr Jean Louis ROBINSON satria tena endriky ny FIHAVANANA MARIM-POTOTRA TSY AZO OZONGOZONINA NA ARODANA



    - Mandala ny soatoavina fototra dia ny FAHAMARINANA izany. Sarotra ho an’ny TSY MATAHO-TODY ny MITANDRINA ny FAHAMARINANA, indrindra raha ny tsy firaharahana ny HASINA MAHA-OLONA no mibaiko ny fitondran-tenany. Mora ho an’ny DOKOTERA tahaka an-dr’i Jean Louis ROBINSON ny manao ny MARINA.

    - Raha atambatra ireo roa voalaza etsy ambony ireo dia miteraka zava-dehibe iray: SAROTRA ho an'i Dr Jean Louis ROBINSON ny manao FAMPANANTENANA poak’aty: REHEFA MITENY IZY hoe HATAOKO HO ANAREO ITY dia TANTERAHINY satria FANTANY sady ITOKISANY fa HO VITANY.


    TELO ny hevi-dehibe mibaiko ny fijoroany:

    - FANANTENANA

    - TOMBONTSOA IOMBONANA

    - FIHAVANANA


    Loharanom-baovao: http://robinson2013.mg/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire