Nanamafy ny tenany fa dia handray anjara amin’ny fifidianana ny ankolafy Ravalomanana. Noho izany tsy maintsy manohana kandidaty dia i Jean Louis Robinson. Matoky izany kandidaty izany koa i Neny hoy izy. Fitiavana ny malagasy no nanekeny ihany koa hanohana azy io.
Ny tanjona amin’izany dia ny hanalana ireo mpanongam-panjakana amin’ny toerany, mba ahafahany mody hiara-miasa amin’ny malagasy ka hamerina an’I Madagasikara ho firenena vanona sy manana ny maha izy azy eo amin’izao tontolo izao. Mba ahatongavana amin’izany dia mila mandeha mifidy isika, mitaona ny havana aman-tsakaiza hifidy ary hanao izay hampandresy ny kandidatin’ny ankolafy. Mila ny fiaraha-miasan’ny rehetra izany. Ireo izay vao tonga hoy izy dia tsy tokony hanilikilika ireo nitolona nandritra izay taona maro izay.
Henoy eto ny ANTSO: Antson'ny Filoha Ravalomanana, 20 septambra 2013 :" Hamerina an’i Madagasikara ho firenena vanona sy manana ny maha izy azy eo amin’izao tontolo izao isika"

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire