![]() |
| "Tolona ho an’ny tanindrazana sy ny taranaka izao atrehintsika izao" |
Araka ny tarehimarika nozarainy tamin’ny vahoakan’i Vakinankaratra dia anetsiny ireo ankizy tsy afaka niverina an-tsekoly noho ny fahasahiranana vokatry ny krizy tato anatin’ny efa-taona. « Hojerentsika ny fomba tsy handoavana vola amin’ny ambaratonga voaohany » hoy Robinson Jean Louis « mba ho famporisihana ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany ». Ho an’ny antoko misy azy rahateo dia lohalaharana ny fitsinjovana ny vahoaka izay tompon’ny fahefana.
Raha niditra mivantana nitafa tamin’ny vahoakan’i Vakinankaratra ary ny filoha Ravalomanana nandritra ity hetsika ity dia nitana izany ho teny ifamatoran’ny ankolafy tarihiny ny kandida. « Enga anie mba ny tena mahasoa ny vahoaka tokoa no himasoan’ny kandidantsika » hoy ny filoha « araka ny teny filamatra efa noraisiny ». Ankoatra ireo olo-maventy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny antoko avana dia niara-dia hatrany tamin’ny dokotera Robinson Jean Louis i Neny Lalao Ravalomanana nandritra ny fitsidihana an’Antsirabe. Feno fahavitrihana hatrany izy nitafa tamin’ny mponina ary nanolotra ny kandida amin’ireo rehetra izay sendra azy. Tamin’ny fandraisany fitenenana dia nentaniny ny Malagasy rehetra mba hahay hifanampy sy hifanome tanana satria « tolona ho an’ny tanindrazana sy ny taranaka izao atrehintsika izao”.
crédit photos: Daniel Rakotoarisoa
Araho eto koa an-dian-tsary maro hafa mirakitra ny dian'ny Kandidà Robinson Jean Louis sy ny ankolafy Ravalomanana tany Vakinankaratra: SARY+VAOVAO

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire