![]() |
| Dr Robinson Jean Louis N°33 |
Fahombiazana tanteraka ny andro voalohan’ny
fampihelezan-kevitra niarahana tamin’ny dokotera Robinson Jean Louis,izay
kandidà atolotry ny antoko AVANA sy ny Ankolafy RAVALOMANANA.
Natomboka tamin’ny fiaraha-mivavaka tao amin’ny kianja magro
Behoririka izany ary notohizana tamin’ny fitsidihana ireo faritra maro teto
Antananarivo.
Ny azo hamintinana azy dia FIFALIANA sy FANANTENANA mifono
FANDRESENA avy hatrany no hita eny amin’ny endrik’ireo vahoaka maro be nihaona
sy niaraka tamin’ny Kandidà Dr Robinson Jean Louis tamin’ity andro voalohany
ity.
Nanamafy izany ny antso an-tarobia nataon’ny Filoha Marc
Ravalomanana izay nilaza fa Dr Robinson Jean Louis no « favori » ary
tsy maintsy ataontsika izay hampandresy azy.
Araho eto ireo VAOVAO sy SARY hafa nanamarika ny andro
voalohan’ny fampihelezan-kevitra omaly :
Araho sy henoy eto : ANTSO SY TORO-MARIKA avy amin’ny Filoha Marc Ravalomanana 24 Septambra 2013
FANDAHARAM-POTOANA ANIO SY RAHAMPITSO
Isaorana manokana ireo namana rehetra naka sy tompon'ny ny sary


Alefa e!Fifidianana hafa kely izy ity ry Malagasy ary fifidianana mitongilana satria dia omena vahana tanteraka ireo kandidàn'ny mpanongam-panjakana; ary ankoatr'izay dia ny vahiny mba tsy hilazàna hoe ny frantsay no nisafidy izay kandidà hirotsaka hofidiantsika Malagasy.Ny tena marina dia fifidianana sarotra izy ity nefa fomba iray ihany koa hanehoantsika Malagasy ny fitiavan-tanindrazana ananantsika.
RépondreSupprimerTandremo tsara ary diso safidy sy ho voafitaka isika ka tsy hahay hanavaka ireo kandidan'ny mpanongam-panjakàna sy ny frantsay izay efa nampitondra faisana antsika nandritra izay efa-taona mahery izay.
Asehoy fa antsika Malagasy i Madagasikara,asehoy fa tiantsika ny tanindrazantsika,asehoy fa tsy ekentsika ny fanonganam-panjakàna natao teto ary tsy mila olon'ny mpanongam-panjakàna intsony isika.