Antananarivo, faha-11 Novambra 2013
FANAMBARANA
Vita iny ny fifidianana fihodinana voalohany, ary arahabaina ny vahoaka Malagasy, nihoatra ka tsy niraviravy tanana, na dia nisy aza ny fanagejàna sy ny fanakivina, ary tsy mahagaga raha toa ka tsy nahafapo iny fihodinana voalohany iny.
Hiroso amin’ny fihodinana faharoa isika izao, izay tsy resaka tsangan’olona fotsiny na fiandaniana be fahatàny fa hisafidianana ny ho filamatry ny firenena sy ny fifampitondràna.
Koa tianay ny manatitrantitra fa tsy miova amin’ny teny nifamotorana izahay, dia ny fandàvana hatrany, ankitsirano ny :
- fanonganam-panjakana sy ny fampiasàna hery, ny fandrombahana ny fahefan’ny vahoaka ary ny fisaviana ny safidiny amin’ny alalan’ny hala-bato sy ny fihetsika mamoafady rehetra.
Koa averinay fa fihodinana faharoa hampanjakàna ny mangarahara sy ny rariny ary ny hitsiny sy ny marina no tadiavina.
Noho izany tsy ekena ny fihetsika sy ny fikotrehina, fanakatsakànana sy hanembatsembànana ny firosoana amin’ny fihodinana faharoa madio sy mangarahara hanehoan’ny vahoaka ny safidiny amin’izao dingana faharoa izao, hisian’ny lalana hirosoana amin’ny fitsaboana ny firenena.
Heverinay fa amin’ireo tolotra nataon’ireo nilatsaka ho fidiana, ny mifandraika indrindra amin’ny safidy sy taky narosonay hatramin’izay dia ny an’i Dokotera Robinson Jean Louis.
Amin’ny anaran’ny Fikambanana Hetsika Vonjy Aina:
Ny Filoha Nasionaly
Andriamihaja Ferdinand
Ny Sekretera Jeneraly
Ratsimanify Abraham Elysée
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire