RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Marc Ravalomanana: "Misaotra anareo ry vahoaka Malagasy fa tena nahay nisafidy ianareo,(...) Aza matahotra fa hanome toro-marika vaovao aho mba hampahomby antsika."



    Taorian'ny fifidianana sy ny voka-pifidianana izay mampiseho sy mampibaribary tanteraka ny maha mamim-bahoaka ny Kandidà Dr Robinson Jean-Louis,natolotry ny antoko Avana sy ny Ankolafy Ravalomanana dia niditra mivantana tamin'ny antso an-tarobia ny Filoha Ravalomanana nisaotra ny vahoaka Malagasy.

    Noporofoin'ny vahoaka Malagasy taorian'ny vokatra azon'ity kandidà tohanan'ny Ankolafy Ravalomanana ity fa tsy voakosoka ary mbola am-po sy ankamamian'ny Malagasy tanteraka ny Filoha Marc Ravalomanana.Porofo izao fa tsy matahotra fifidianana ny Ankolafy Ravalomanana sy ny Kandidà tohanany ary vonona tanteraka hisedra ireo fifidianana hafa manaraka.
    Hoy indrindra izy raha nitafa mivantana sy nizara vaovao tamin'ny alalan'ny antso an-tarobia: 

    "Zava-dehibe loatra ity andro ity fa ahafahako misaotra anareo,satria iarahantsika mahalala fa tao anatin’ny fotoana fohy ary tampoka no nitenenako taminareo hoe handray anjara isika, hanohana dia izao no vokany ary midika izany fa matoky sy mino ianareo. Zava-dehibe amiko, amin’ny firenena, amin’ny Malagasy rehetra ny fiverenana ao anatin’ny sehatra iraisam-pirenena na dia mbola tsy vitantsika aza ny dingana farany.

    Ny antony dia efa voasakantsika ny mpanongam-panjakana tsy handeha eo satria mafy tena mafy tamintsika Malagasy raha ohatra ratsy teo i Madagasikara.Matokia ahy fa n’iza n’iza hilatsaka eo na misy aza ny 2eme tour dia tsy matahotra isika fa tena bahanantsika tanteraka ary ataontsika ho ren-tany ho ren-danitra. 

    Ny movansy Ravalomanana tsy matahotra fifidianana. Nisy ny fiarahabàna nataon’ny Amerikana, izay niarahaba ny vahoaka Malagasy amin’ny fahendrena izay nananany. Raha tena mahay mamaky teny diplomatika tsara dia hoe misaotra anareo ry vahoaka Malagasy fa tena nahay nisafidy ianareo fa tsy namela ireo mpanongam-panjakana ireo hiakatra fa ianareo izao no voalohany. Ireo mpamantsy vola sy ireo mpiara-dia amintsika dia tena nitebiteby fa raha sanatrian’ny vava ka.., kanjo tena henin-kaja sy henim-boninahitra ny vahoaka Malagasy ary mahalala ny zavatra ataony sy misy mpitarika ka noho izany dia misaotra anareo.

    Hainareo tsara fa ny tomboantsoan’ny firenena aloha no ambony indrindra. Iza no tsy hahalala fa ireo vola miparitaka, sy lainga afafy etsy sy eroa dia zavatra tsy misy mandeha amin’ny izy hoy ny mpamatsy vola.Fantatry ny mpamatsy vola daholo ny "dossier"-n’ireny. Amin’izao fotoana izao isika mbola tsy misioka fa tsy mbola tafavoaka ny ala, fa na izany na tsy izany dia afaka midera tena isika. Tsy maintsy mandresy isika ary tsy maintsy tafaverina eto ny fandriampahalemana, tsy maintsy vitantsika ny fampandrosoana, ary ireo fampanantenana rehetra izay iaharantsika amin’ireo mpamatsy vola ireo. 

    Manome toky anareo aho fa aninkeheo maraina dia nilaza daholo izy ireo hoe matoky izahay prezidà fa tena hainao ny mampahafantatra ny olona, fa miaraka amin’ny vava dia ho tonga daholo ny famantsiam-bola sy ny fanampiana niaraka taminao. Nilaza mazava tsara ny Amerikana fa hiverina ny AGOA, tsy maintsy mahita asa ireo mpiasan’ny zone franche ireo ka noho izany dia aza matahotra ianareo fa matoa aho miteny aminareo;tena miverina eo amin’ny sehatra misy azy i Madagasikara saingy mila manao dingana mafy dia mafy isika ka miomana amin’izany.

    Matoky aho fa ianareo izay nitolona nandritra ny 5 taona,dia tsy handraraka ilom-by andoha. Inareo mpitarika rehetra dia samia mieritreritra tsara izay paikady hanaovantsika ny manaraka raha mbola misy izany. Mazava izao ny làlan-kivoahantsika fa mila miasa miaraka, mila mifampatoky isika, ary mila manaraka ny fanjakana tan-dalàna sy manaja ny lalàm-panorenana. Manome toky anareo aho fa tsy maintsy miverina ny fandriampahalemana, ny mpamatsy vola mba hahafan’ny olona misy fidiram-bola, mampianatra ny zanany

    Tsy maintsy miverina ny fanamboaran-dàlana, izay mihitsy ny fepetra napetrako tamin’ny mpamatsy vola raha manampy ahy ianareo , sy manome toky ny vahoaka Malagasy, dia manome toky anareo ny tenako fa ataonay tafita ny tolona izay nataonay ary tsy ho ohatra ratsy aty Afrika i Madagasikara, noho izany dia tafaray ny tia sy ny maniana. 

    Ireny fiarahabana nataon’ny Amerikana ireny dia santionany fotsiny fa ireo Afrikana taty sy ny mpanara-maso tany dia efa niteny fa raha sanatria ka ny mpanongam-panjakana no teo dia zava-doza.Tsy miantsy averintsika ireny mbola nisalasala ireny. Kely sisa dia ho tonga i Dada. Tsy fanao hoy izy ny hoe misao-bady fa dia tena mankasitraka an’i Neny ny tenako. Isika miresaka izao dia any Antsirabe izy manomboka manao sahady ny fitsidihana sy ny mijery ny zava-misy any an-toerana. Mino aho fa nitondra ny anjara birikiny izy ary ianareo koa dia mampirisika anareo hampahery azy. Aza matahotra ianareo fa hanome toro-marika vaovao aho mba hampahomby antsika."

    Loharanom-baovao: Mydago.com

    Horonan-tsary tetsy amin'ny kianja Magro nandritra ny antso nataon'ny Filoha Marc Ravalomanana

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire