RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Dr Robinson Jean-Louis: Fanantenan’ny Malagasy - Grad Iloafo: Manohana ny fivoahana amin’ny krizy amin’ny alalan’ny Dr Robinson Jean-Louis


    robinson-grad-iloafo.jpg


    Miditra amin’ny andro fahenina anio sahady ny fampielezan-kevitra. Mitohy ny fitsidiham-paritra ataon’ny kandida filoham-pirenena Robinson Jean Louis.

    Nosantariny tao amin’ny Distrikan’Avaradrano ny fampielezan-keviny omaly ka nihaonany nivantana tamin’ny vahoakan’i Talata Volonondry sy Sabotsy Namehana, nisaorany ireo nifidy azy tamin’ny fihodinana voalohany satria nahazoany vato mihoatra ny 45% ireo Kaominina ireo ary manam-pinoana izy fa hahazo mihoatra ny 80% amin’ny fihodinana faha -2. Nohamafisiny fa tsy maintsy mody i Dada, sokafana ireo orinasa nikatona, atao maimaimpoana ny fianarana ambaratonga voalohany, vatsiana jiro sy rano ny mponina. Tsy atao ambanin-javatra ny fitandroana ny fandriampahalemana izay mampikaikaika ny mponin’Avaradrano. Horaisina ho mpampianatra raikitra koa ny mpampianatra FRAM. Tsy resin’ny hery sy ny vola ny Fanahy, hoy ny kandida Dr Robinson Jean Louis satria matotra ny Malagasy, hendry ny Malagasy, tia fivoarana ny Malagasy ary indrindra manampanahy ny Malagasy. Nilaza koa izy fa i Neny Lalao Ravalomanana no hataony Praiminisitra. Noho izany dia tsy maintsy fidintsika ho solombavambahoaka ireo depiote ao amin’ny lisitra ankolafy Ravalomanana Zanak’i Dada mba hahafahana mahazo toerana maro ao Tsimbazaza sy hahamafy ny fitondrana hitsangana.

    Ho an’Avaradrano dia ny lisitra laharana faha-4 no hofidina tarihan’i Benjamin Andriamitantsoa izay nilaza fa hapetrak’i Talata Volonondry sy Sabotsy Namehana eny Iavoloha i Robinson Jean Louis.

    Nohamafisiny fa tsy maintsy harenina ny firenena ary ankinina amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Nitohy tany Analavory (Miarinarivo) sy Mananasy (Soavinandriana Itasy) ary nifarana teny Mamory Ivato (Ambohidratrimo) ny rodorodo fampielezan-kevitra nataon’ity kandidan’ny AVANA tohanan’ny ankolafy Ravalomanana ity, omaly. Notsiahiviny fa izy no voalohany tamin’ny fohidinana voalohany ka tsy azo eritreretina ny hiovan’izany vokatra izany amin’ny 20 desambra, nambarany fa voalohany koa izy amin’ny hamaroan’ireo mpanohana vonona hampandany azy amin’ny fihodinana faharoa. 

    Niantso ny Malagasy tsivakivolo, araka izany, i Robinson Jean Louis hiaraka aminy hamadika ny pejy ka handrotsaka ny vato ho azy sy hifidy ireo depiote ofisialy narotsaky ny ankolafy Ravalomanana Zanak’i Dada, hamaranana ity krizy lavareny ity ka hiverenana amin’ny tan-dalàna. Nanamafy izany tamin’ny antso an-tariby ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ireo toerana notsidihin’ny kandida ireo. Nisy hatrany moa ny fanehoana ampahibemao sy fampahafantarana ireo kandida depiote hiaraka hofidiana aminy amin’ny 20 desambra io.

    JD

    Vakio koa:

    Grad Iloafo: Manohana ny fivoahana amin’ny krizy amin’ny alalan’ny Dr Robinson Jean Louis

    Malagasy Miray: Mitaona ny rehetra hifidy an-dRobinson Jean Louis


    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire