RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Ampy izay: Sahia, Mijoroa, reseo ny tahotra!


    malagasy-mijoro.jpg
    Sahia ry Malagasy...Ny firaisan-kina no hery!
    Taona 5 izay no nihodina nampisehoan’ireto mpanongam-panjakana ny fahaizany nandetika ny firenena sy ny fiainam-bahoaka tanatin’ny kizo lalina. Ankehitriny dia mbola mitohy ny fanadalàna ny saimbahoaka.

    Fitadiavana tombotsoa manokana, fametrahana ny kolikoly ho fomba fiasa sy fiady politika no imasoan’ny mpanao politika ankehitriny. Moa misy miraharaha izay manjo ny vahoaka ankehitriny, vahoaka izay norobain-tsafidy hatrany amboalohany ? Hanao ahoana ny ho avinao ? Jereo ny lasa dia araho ny zava-misy ankehitriny hibanjinanao ny ho avy !


    Ny toky fitaka fa ny atao no hita : Mifikitra mafy amin’ny fitondràna ireo mpanongam-panjakana tamin’ny alalan’ny halatra bevata aloha, dia ankehitriny mitohy tsy misy hafa ny fomba amam-panaon’izy ireo : Halatra, fanamparam-pahefana, fisolokiana, kolikoly. Mila mifoha isika malagasy ka hisafidy.

    Ny safidintsika tanaty harona efa norobaina tamin’ny fomba maro. Koa andeha hatao an-tsaina ny safidintsika : Ampy izay ny fanaovana ny fiainam-pirenena ho fandihizana sy filalaovam-bola. An’ny vahoaka ny firenena malagasy.

    Anaty fahasahiranana isika ankehitriny, fa mbola ho sahirana lavitra isika raha mbola mpanao politika tsy manana foto-kevitra no hitondra. Raha mbola mpitsara tsy marina no hametraka ny fahefàny amin’ny sehatry ny fanaovan-dalàna.

     Ampy izay ny fanamparam-pahefàna isan-karazany. Ho an’ny tanindrazana no baiko ankehitriny. Ario ny tahotra, sahia mijoro hampandresy ny marina… Miantomboka amin’ny fahasahiana milaza ny marina izany.

    Zon’ny tsirairay ny maneho ny heviny sy ny tsy fankasitrahany ny fampahantràna ny firenena toa izao. 

    Mandalo ihany koa amin’ny tsy fanekena fiarahana amin’izao rafitra mipetraka amin’ny alahelom-bahoaka izao. Ary miafara amin’ny fitakiana fanovàna lalina sy fanavaozana ny fanaovana pôlitika sy ny mpikirakira azy.

    Noho izany dia miantso firaisan-kina sy fiombonam-peo amin’izay tsara sitrapo rehetra, hanongotra ny aretina mamono sy mampijaly ny Malagasy. Mila fahavononana izany satria sedra takian’ny fijoroana hoan’ny Tanindrazana satria tsy maimaimpoana ny famarenana indray ny fahafahana.

    Lova apetraka hoan’ny taranaka izany, ary fanantenana omena ny tanora ankehitriny. Tsy raharaha mora ny famerenana indray ny hasin’ny Malagasy ary tokony hiarahan’ny hery velona rehetra eto amn’ny firenena ny fanaovana izany. Manana andraikitra amin’izany ny foloalindahy satria mivoaka avy amin’ny vahoka izy ireo ary natao hiaro ny vahoaka ihany koa.

    Antsoina mivantana izy ireo satria maro amin’izy ireo no nitàna ny maha-miaramila mpiaro-vahoaka azy ireo.

    Fotoana fampisehoana fitiava-Tanindrazana izao ka hamerenanareo indray ny sata maha-foloalindahy anareo. Ho hafa-trosa ianareo eo imasom-bahoaka satria nitondra ny anjara-birikinareo amin’ny famerenana indray ny voninahitrareo.

    Adidinareo ny miaro ny tombotsoan’ny vahoaka manoloana izao rafim-pitantanana mampahantra vahoaka izao. Raha handroso ianareo dia ho ao andamosinareo ny Malagasy. Raha toa hitaza-potsiny izao fiainana mitovy amin’ny biby izao ianareo dia isan’ny miray tsikomba amin’ireo mitondra ny firenena any ankady. 

    Tsotra ny safidinareo : Raiso ny andraikitra ary aza manaiky lotoina ny lazanareo ka ireo vitsy very henatra ankehitriny no lasa ho endrikareo. Toa izany koa ny hafatra miantefa amin’ny Malagasy tsy manaiky izao fampijaliana izao : Sahia mijoro toa ireo zoky ray aman-dreny izay sahy niady ary nanohitra ireo mpanjanaka.

    Ho reharehan’ny firenena isika ka hanandratra indray ny maha-malagasy antsika eo imason’izao tontolo izao.

    Ho reharehan’ireo taranaka ihany koa ka ho voarakitra ao anatin’ny tantara ho mahery fo, sahy nitsangana niaro ny fahamarinana. Entano, tariho ary sintony ny anaty fianakaviana, mpiray fokontany, mpiara-miasa, mpiray fiangonanana, aparitaho ny fahamaizana manoloana ny fahasahiranan’ny fianakaviana Malagasy rehetra ka tsy maintsy ampisehona firaisankina.

    Mijoroa, mitrakà, reseho ny tahotra, atreho ny adidinao ary aza adino fa ny vahoaka sahy ihany no nahita izany fahafahana tao amin’ny taniny izany. MIJOROA HOAN'NY TANINDRAZANA!

    http://www.tim-madagascar.org/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire