![]() |
| Sary tahiry |
Tsy maintsy mivoaka ihany ny marina ary tsy mba
maty.Fantatra izao araka ny feo nivoaka tamin’ny masoivohom-pirenena vahiny
iray miasa sy monina eto Madagasikara fa mbola tena mamim-bahoaka ary tsy azo
tsinontsinoavina ny herin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Hay ve misy
masoivohom-pirenena vahiny hafa miteny sy maneho hevitra ihany any ambadika any
e? Ny mahazatra ny maro mantsy dia ny feon’ny masoivoho frantsay hatrany izay
efa fantatra rahateo ny heviny sy fomba fijeriny mikasika ny toe-draharaham-pirenena
eto Madagasikara nanomboka ny taona 2009.
Inona tokoa
moa izany izao no tena antony goavana mbola hanakanan’ny sasany ny fodian’ny
Filoha Ravalomanana eto an-tanindrazany? Efa vita soa aman-tsara iny ny
fifidianana nokarakarain’ny CENIT ary efa voapetraka soa aman-tsara io ny filoha
vaovao.Raha tsiahivina mantsy ny tantara dia anisan’ny antony goavana
nanemorana ny fodian-dRavalomanana hatrany ny fifidianana ary tsy nitsahatra
nanamafy izany Ingahy Goldblatt izay masoivohom-pirenena frantsay miasa sy
monina eto Madagasikara fa tsy mahazo mody Ravalomanana raha tsy efa vita ny
fifidianana, ary mbola ity masoivoho frantsay ity ihany no nanome toky (ireo
izay mbola nino azy) fa ny frantsay mivantana no handray an-tanana ny
fodian-dRavalomanana an-tanindrazana raha vao vita ny fifidianana.
Mipetraka
ny fanontaniana ankehitriny hoe inona ary no mbola sakana amin’ny fodian’ny
Filoha Ravalomanana ankehitriny?Etsy andanin’izany dia alaim-panahy ihany hametra-panontaniana
hoe “inona tokoa moa no hidiran’i lafrantsa amin’izany?”.Tsy maintsy mahazo
fankatoavana avy amin’ny frantsay ve izany ny Filoham-pirenena MALAGASY teo
aloha Marc Ravalomanana vao mahazo mody indray eto Madagasikara?
Tsy handany
fotoana sy ady hevitra betsaka mikasika ny andraikitr’i lafrantsa tamin’ny
krizy (rehetra) nisy teto amin’ny Firenena intsony isika satria efa
iaraha-mahalala ny zava-misy, fa ny azo antoka dia tsy very maina ary tsy
nandamoka izany ny tolona sy heri-pon’ireo Malagasy izay tsy nitsahatra nitaky
ny fodian’ny Filoha Ravalomanana nandritra izay dimy taona izay na dia ninian’ny
sasany nafenina aza izany satria dia mivoaka ihany ny feo ankehitriny avy any
ambony any fa mbola tena matanjaka ny Filoha Ravalomanana ary tsy azo
tsinontsinoavina ny fitiavan’ny Malagasy azy.Inona tokoa re no niseho sy
nitranga raha navela nody sy nilatsaka nofidiana filoham-pirenena teo i Ravalomanana
e…?
Hamaranana
azy dia tsara ny manatitrantitra, ary tsy mampaninona mihitsy ny mamerimberina
indrindra ho an’ireo izay mora manadino sy mody manadino fa Filoham-pirenena voafidy
sy nametrahan’ny vahoaka Malagasy sy fitokisany in-droa nisesy teto amin’ny
Firenena ny Filoha Marc Ravalomanana, ary tamin’izany dia lany tamin’ny fihodinana
voalohany hatrany ny tenany (1er tour dia vita); ary fanonganam-panjakàna no nanilihan'ny sasany azy teo amin'ny fitondràna.
Madagasikara Malalako

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire