RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • 26 jona : Tsingerintaonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara !



    fahaleovan-tena-madagasiara.jpg

    Ny fanontaniana mipetraka ankehitriny manodidina ny fankalazana ny 26 jiona ity amin’izao taoa 2014 izao indrindra indrindra, dia ny hoe “mahaleo tena tokoa ve i Madagasikara ka mendrika ny hankalazana izany” ? Inona tokoa no tokony hiravoravoan’ny Malagasy amin’izao andro izao ? 

    Raha mijery ny zava-misy iainanan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao dia tsy hita loatra hoe inona no hiravoravoana manokana amin’izao vanim-potoana izao. Ny vaki-trano sy ny vono-olona miroborobo sy tsy voafehin’ny manam-pahefana, mba tsy hilazana hoe hifandrombonan’ny mpitandro filaminana, ve no hifaliantsika ? Ny fihenan’ny hanin-kohanina sy ny fahefa-mividy naterakin’ny fanonganam-panjakana namporisihan’ny vahiny ve no iravoantsiaka ? Ny fitazoman’ny vahiny ny banky izay havokavokin’ny toe-karena ary manome vahana sy tombotsoa ny mpandraharaha vahiny ve no mahafaly antsika ? hitotorebika ve isika satria hamelarana karipetra izy ireo fa ny teratany malagasy izay namerina ny hambompo tamin’ny “Vita malagasy” hanaovana anjonjay tsy avela hipetraka eto amin’ny taniny hampandroso ny mpiray tanindrazana aminy ? 

    Marina fa na dia misy aza izany rehetra izany dia fetim-pirenena ny 26 jona, koa inona no tokony atao ? Raha ny zava-manjo ny firenena dia andro tokony handinihan-tena ny amin’izay tokony ataon’ny tsirairay izany andro izany satria toa mizotra tsikelikely any amin’ny fahaverezan’ny fiandrianam-pirenena isika. 

    Manoloana ny adim-piainana mahazo izao tontolo izao dia samy manao izay tsy aharendrika azy ny firenena rehetra. Ny firenena toa antsika, izay manankarena ankibon’ny tany dia lasibatry ny firenena afaka mampiasa vola ankehitriny ka tsy tokony hipetrapetra-poana isika. Ampy ve ny fanaganan-tsaina, ampy ve ny fitondrana harendrina ? ilaina ve ny mitotorebika arahina hanimpitoloha raha ny ankamaroan’ny malagasy mandry fotsy na mitrongy vao homana ? 

    Zava-dehibe no iriana ho antsika tsirairay amin’izao 26 jona izao dia ny hamokatra hevitra ny amin’izay azonao hatao ho an’ny firenenao sy ho an’ny mpiray tanindrazana aminao, mba hananany fahaleovantena marina sy maharitra !

    http://www.tim-madagascar.org/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire