Naneho ny heviny mahakasika ny raharam-pirenena ny filoha Ravalomanana, rehefa ela tsy nandrenesam-peo-peo.
Tafa tamin’ny mpanao gazety teny Bel’Air misy ny foiben’ny antoko TIM no nataony tamin’ny alalan’ny antso an-tarobia mivantana.
Efa ela ela aho hoy izy no tsy niresaka taminareo teto, fantatro fa mangetaheta vaovao ianareo. Te hilaza ny zava-marina aminareo aho satria tombontsoam-pirenena no jerena fa tsy tomboantsoan’olona iray.
Averiko indray fa manantitratitra ny fiarahabana ny vahoaka Malagasy aho amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fahaleovantenantsika izao.Zava-dehibe ny fampahalalana ny vahoaka Malagasy mba tsy hahatonga azy ireo hihaino siotsion-dresaka, na hisavorovoro amin’ny vaovao henony etsy sy eroa, ka izay no hiantsoako anareo mpanao gazety hilazako ny zava-misy sy zava-marina.
Vao iray volana izay no nihaonako tamin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina taty, 24 May. Tena niresaka tsara izahay, ny zavatra nitovizanay hevitra dia hoe ahoana ny fomba ataontsika hampandrosoana an’i Madagasikara sy hamerenana ny fifampatokisan’ny mpamatsy vola hahafahana manarina ny toe-karena indrindra ny hisian’ny fandriampahalemana eto Madagasikara.
Nahafinaritra ny dinika nataonay satria samy olona hanatantareka ny teny noteneniny. Tamin’izay ihany koa anefa no nilazan’ilay mpahay lalàna Brian Currin, "tokony ho sarahina ny fanomezana pasipaoro ny filoha Ravalomanana sy ny dinika atao momba ny voalazan’ny tondrozotra satria ny ny pasipaoro dia zony tanteraka no mahazo azy , fa vao teraka ny olona dia mahazo pasipaoro ao anatin’ny lalàna iraisampirenena izany. Koa miangavy anao izahay, omeo ny pasipaorony."
Tamin’izay ihany koa no nilazako fa , milaza ny ministeran’ny raharahambahiny fa atero aty aminay ny pasipaoro diplaomatika anankiroa. Teo no niatombohan’ny resaka hoe izao dinika izao dia fanomboahana fa mbola azo tohizana. Hoy aho hoe tsy sanatrian’ny vava aho hanao izay filam-boa tsy hary amin’ny fifanarahana. Efa nilaza aho tamin’ny volana Febroary 2014 fa hanohana ny fitondrana izay tarihin’ny filoha Hery.Tsy hivadika amin’ny teniny mihitsy ny filoha Ravalomanana fa tazoniko hatramin’ny farany izany.
Nilaza aho fa hanampy, misy fivorian’ny filohampirenena Afrikana atao any Wasingtown amin’ny 05 sy 06 Aogositra ka nanao izay azo atao amin’izay,mba hanafoanana ihany koa ny sazy mihatra amin’i Madagasikara, ny fiverenana amin’ny AGOA, tsy afenina aminareo izany fa nanao izay azo atao.
Tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny FMI tamin’ny herinandro teo dia nilaza ny mpivory fa tena firenena banky ropitra, i Madagasikara ka aleo aloha omena vola 45 millions de dollars, avelao aloha handeha amin’io satria tsy mbola mazava tsara ary tsy maintsy misy jerena miaraka ireo fepetra rehetra tsy maintsy atao. Tsy maintsy ny tombontsoam-pirenena no jerentsika. Mahatsiaro aho ary tsy miala ao ampoko fa manana adidy amin’ny famahana an’i Madagasikara ao anaty krizy.
Hamafisiko fa misy teny indraindray etsy sy eroa milaza fa izaho tsy te hody. Te hody dia te hody aho sy te hiaraka amin’ny vahoaka Malagasy indrindra ny famerenana ny fifampitokisana amin’ireo firenena eran-tany.
Izaho mahafantatra fa tsy moramora ny manarina an’i Madagasikara. Tsy maintsy averina ny fandriampahalemana, ny fitoniana, hajaina ny demokrasia ,ny zon’olombelona, izay takian’ny mpamantsy vola indrindra ny fanatanterahana ny tondrozotra.
Tena diso ny filazana fa tsy te hody aho , izay no ilazako anareo fa te handray anjara, te hamerina ny fiaian’ny Malagasy. Fantatro fa mbola ao dia ao ny fifampitokisako amin’ireo firenen-dehibe eran-tany.
Amin’ny volana Okotobra izao ny fanendrena ny filohan’ny kaomisiona ny vondrona Eoropeana, raha olon-kafa no lany eo dia tsy mbola azo atokisana. Ny tiako resahina aminareo dia te hanamafy aho fa manohana ny fitondrana ary matoa aho nahazo fanasana tamin’ny fomba ofisialy avy eny Ambohitsorohitra nankeny Faravohitra dia tena nanantena fa izay tokoa ilay fifampitokisana ary nasaina hanatrika ny fetin’ny 26 Jona.
Tena faly aho naheno ny vaovao, ity tokoa ilay fotoana kanjo rehefa avy eo dia tsy maintsy olona akaiky anao. Efa nomanina daholo ny taratasy rehetra ary naterina tany amin’ny ambasady. Hilazako aminareo fa tena te hody mafy. Misy dia misy tokoa ireo filazana fa raha tsy tafaverina aty ny pasipaoro roa dia tsy afaka manome pasipaoro vaovao izahay. Ny filazana hoe raha tsy lasa any amin’ny ambasady ianao manao laissez- passer dia afaka miverina aty Madagasikara. Nefa ny Afrika Atsimo milaza fa misy fangatahana nataonay any amin’ny fanjakana Malagasy rao taona lasa izay ,amin’ny fanadiahadiana momba ny raharaha 07 Febroary.Tsy maintsy valiana ao anatin’ny iray volana izay, fitondrana tetezamita tamin’izay.
Ny vadiko aty Afrika Atsimo, ary nanatena fa hanao 26 Jona any izahay. Tsy afaka mihetsika mihitsy aho satria ny pasipaoro tsy aty.Tamin’ny 2009 nanome ry zareo tamin’ny tetezamita fa vao mainka ve amin’izao fitondrana ara-dalàna izao.
Mbola averiko indray fa ny finoana sy fanantenana tsy foana , ny fifampitokisana, ny fiaraha-miasa, tsy miova mihitsy aho.Ny farimpiainan’ny olona fandiranovana dia fantatro tsara izany. Raha tsy mahay miasa miaraka isika dia lasan’ny hafa ny famantsiam-bola.

Tsy maintsy apetraka ny tany tan-dalàna, ny zon’olombelona. Ny zavatra atao azoko dia hamerenana ny tany tan-dalàna, sy hampandrosoana ny vahoaka Malagasy. Tsy mieritreritra ny hanao valifaty izany aho. Tsy afaka mandeha aho raha tsy misy "laissez-passer" avy amin’ny ambasady.
Rehefa vita ny famelabelaran-kevitra nataon’ny filoha dia nisy ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety tamin’ny filoha Ravalomanana.
Mpanao gazety : Raha ohatra ianao tonga rahampitso dia mijanona aty sa tonga dia mody? Nilaza ny ambasadin’ny Afrika Atsimo fa noho ny olana amin’ny fitsarana any Afrika Atsimo no tsy hahafahanao mody? Hilatsaka hofidianave ianao amin’ny 2018.
Filoha Ravalomanana : Voalohany indrindra raha tonga an’i Madagasikara aho dia fantatrareo tsara fa hanatrika ny 26 Jona. Raha tonga any aho dia anao izay azo atao amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, hanao izay tena mahamaika dia ny hisian’ny fandriampahalemana, ny fitoniana mba hahazoantsika toky amin’ireo mpamatsy vola. Ny amin’ny olana aty Afrika Atsimo, ny fitsarana dia efa nilaza fa fitsarana tsy mahefa no nitsara ny filohan’ny Repoblika. Nangataka izy ireo ny hanaovana fanadihadiana, izay efa roa taona izay. Tsy mbola nieritreritra ny hilatsaka mihisty aho.
Mpanao gazety : Raha tsy misy hetsika ataon’ny fitondrana amin’ny fanomezana "laissez-passer" anao anio na rahampitso dia mbola tazoninao ihany ve ny fanohanana ny fitondrana?
Filoha Ravalomanana : Tena mbola tohanako, mahafantatra aho izany hoe anaran’ny filohampirenena izany aho.
Mpanao gazety : Momba ny fampihavanana ataon’ny FFKM,
Filoha Ravalomanana : To teny amin’ny vahoaka Malagasy ireo (...). Manana adidy amin’ny firenena ireo saingy ny fepetra hanatanterahana izany no tokony hiarahana miasa amin’nyFFM izay efa voalazan'ny tondrozotra. Maniry aho ny hisian’ny fiaraha-miasa. Tsy misy fifampitokisana amin’ny mpamatsy vola raha tsy misy fampihavanana.
Mpanao gazety : Vonona hihavana amin’ny Rajoeina ve ianao?
Filoha Ravalomanana : Hihavana aminy aho.
Mpanao gazety: Momba ny hoe mivadimbadika ny filoha Ravalomanana ?
Filoha Ravalomanana: Inareo ihany no mitsara, anontanio ny vahoaka Malagasy, raha nivadika tamin’ny vahoaka aho nandritra ny dimy taona izay dia tsy "credible" tamin’ny vahoaka. Tsy nivadika izany aho fa manana ny "principe"-ko.
Mpanao gazety : Mety hanome fe-potoana ny fitondrana ve ianao?
Filoha Ravalomanana : Manana ireo mpanao lalàna ireo aho. Tsy maintsy ireo no hilaza na ny mpamantsy vola, ireo no ilaza fa tsy mety intsony ka aoka aloha, tsy mety raha izaho no hiteny fa manao "chantage". Manana fijery amin’izany aho fa tsy hamaly.
Marihina fa niditra mivantana tao amin’ny Magor Behoririka ny hariva teo ihany koa ny filoha Ravalomanana, ary nilaza fa mety tsy ho tonga hanatrika ny fankalazana ny fetim-pirenena na dia faniriana aza no ho tonga noho ny tsy fahazoany alalana hiditra eto an-tanindrazana, dia izany aza dia nirary ny vahoaka malagasy hanao fetim-pirenena sambatra ny tenany.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire