![]() |
| (...) Tsy maintsy arovana ny Firenentsika! |
Efa elaela i Dada no tsy nandrenesam-peo ka tamin-kafaliana sy fanantenana tanteraka no nandraisan’ireo vahoaka ny vaovao sy toromarika avy aminy.Naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena sy ny fiainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny ny tenany, ary nitondra fanazavàna sy vaovao manokana mikasika ny “tondro-zotra” sy ny fanatanterahana izany ary vaovao maro samy hafa mikasika ny tolona izay ataony miaraka amin’ny vahoaka Malagasy.Toy izao manaraka izao raha fintinina ny hafatra sy vaovao ary toro-marika avy amin’ny Filoha Marc Ravalomanana.
“Miarahaba antsika vahoaka Malagasy ary misaotra an’Andriamanitra mandrakariva isika fa tsy mamela antsika irery izy ary tsy mamela antsika ho kivy sanatriavin’ny vava.
Faly aho fa manana anareo tsy kivy sy tsy ketraka n’inon’nona vavan’ny sasany sy feo mandeha etsy sy eroa. Efa nifanaiky isika tamin’ny voalohany, tenina vehivavy lehibe sy lehilahy lehibe fa tsy hiala ao ianareo raha tsy tonga i Dada ary izaho koa aty tsy hamela irery ny vahoaka Malagasy mihitsy raha mbola izaho koa izaho.
Minoa ahy ianareo fa tsy hitsahatra aho hampiasa ny fahaizako, ny fahalalako ary indrindra indrindra ny fifandraisana amin’ireo tompon’andraikitra teo aloha sy ankehitriny. Iray amin’izany ny fahatongavan’ny filoha Alemana tany Nairobia, izay nijery ahy manokana mihitsy saingy indrisy tsy nomena ahy ny pasipaoroko ka tsy tafahaona izahay. Porofon’izany ihany koa ny ny filohan’ny Sadc izay nanizingizina fa tsy maintsy tanterahana antsakany sy andavany ny tondrozotra.
Misy dia misy ireo mampisavorovoro ny saim-bahoaka, milaza zavatra tsy marina, tsy mba izay isika fa tamin’ny voalohany nitaky ny fahamarinana ary tena mitaky hatramin’ny farany ary efa nilaza aho fa vonona ary tsy matahotra hiatrika fitsarana, fa ny marina marina ihany,sarotra ny miady amin’ny marina.
Mba tsy hahatonga anareo ho tompo-trano mihono dia nisy fivoriana izay atao amin’ireo manam-pahefana voatondro ao amin’ny Sadc izay tsy maintsy hanatanterahana izay tapaky ny Sadc tany Zimbabwe iray volana lasa izay. Tsy maintsy tanterahana ny fehin-kevitra tao ary tsy maintsy hirosoana, atao ny alatsinainy izao amin’ny 9ora aty Pretoria, hivory miaraka amin’ireo izahay miaraka amin’ny delegasiona izay tarihiko ao.
Minoa ahy ianareo fa tsy hanaiky lembenana aho fa ny zavatra takiako voalohany dia hoe mahalala ny zon’olombelona ve ianareo sa tsy mahalala, fa zoko tanteraka ny mahazo ny pasipaoroko fa tsy nomena ahy koa samia mitady hevitra momba izay. Ny faharoa ho entiko ao dia mazava ny voalazanareo hatramin’izay ary andrasan’ny maro dia ny hoe mody tsy misy fepetra nefa tsy tanteraka hatramin’izao. Ny fahatelo dia mila miresaka ny samy Malagasy hahafahana milaza ny marina ary mitondra amin’ny fampihavanana fa raha tsy mazava ny marina aty ahoana no hirosoana amin’ny fampihavanana. Ny fahaefatra dia ampandroso an’i Madagasikara isika dia hiaraka ka izay olona mahavita sy atokisan’ny fikambanana iraisam-pirenena no afaka mitondra ny firenena fa tsy izay olona be resaka sy olona be lazao ary mampiesona akory.
Tena fitiavana ny firenena no itenenako izany. Tena tsy matahotra ny zava-mitranga isika satria tsy maintsy arovana ny firenentsika. Efa tadindomin-doza ny firenena, jereo ny Malagasy, jereo ny mahazo ny tsy an’asa, tonga ao daholo ireo karazana ambasadaoro isankarazany mijery ara-diplaomatika fotsiny.
Tamin’ity herinandro ity ny vondrona eoropeana eto Pretoria no niresaka tamiko, nilaza izy ireo fa aza matahotra ianareo fa tsy misy zavatra mandeha ao raha tsy tonga i Dada. Tsy sanatria midera tena toa voatango aho fa resaka fatokisana io, milaza fa hanao fanjakana tan-dalàna, demokrasia, ady amin’ny kolikoly nefa tsy izay no zavatra misy. Izay no mahatonga antsika tsy hangina mihitsy amin’izany fihetsika feno fihatsaram-bela-tsihy. Averiko indray fa raha tena anavotra ny firenena isika dia mila milaza ny marina amin’ny vahoaka Malagasy ny zava-misy.
Hiantso anareo aho amin’ny Alatsinainy rehefa avy mivory. Tonga ny fotoana tsy maintsy hahalalàna, tena misy marina ny mampisavorovoro ny zava-misy. Tsy hanadino ahy ianareo ary izaho koa tsy hanadino anareo fa manàna faharetana fa kely sisa. Mamporisika sy mampahery anareo hanaraka ny toromarika omena, tsy hilaza ny tsy marina aminareo mihitsy ny filoha Ravalomanana.
N’inon’inona fanaratsiana avelao izy hanenjika any fa andriamanitra miaro. Matoa aho niteny izany aminareo androany dia tena vonona aho ny hiatrika ny fivoriana amin’ny Alatsinainy,ary efa fantatro avokoa ny olona ho avy ao ary efa nomeko any ny anaran’ny olona avy aty amintsika.”
Tamin’ny alalan’ny fangatahana fitrotroana am-bavaka sy fanamafisana hatrany ny fifampatokisana no namaranan’ny Filoha Ravalomanana ny antso mivantana nataony. "Ento am-bavaka ny zavatra ataontsika, ataoko, ataonareo…Mamaly vavaka Andriamanitra."

Loharanom-baovao: http://mydago.com/ - http://www.tim-madagascar.org/

Manantena sy miandry anao foana ny vahoaka Dada a! Tsy t@ fifidianana no nanalan'ny sasany anao teo fa t@ fanonganam-panjakana. Ianao tokin'ny vahoka ary ny vahoaka tokinao.
RépondreSupprimer