RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Tsimbazaza - Fanambaràna vondrona parlemantera TIM: "Ampy izay ny fanohanana izao fitondrana izao"


    solombavambahoaka_TIM.madagasikara.jpg
    Solombavambahoaka TIM (sary:Mada24)

    Izahay Solombavambahoaka Mpikambana ao anatin’ny Vondrona Parlemantera Tiako I Madagasikara dia faly miarahaba ny Filoha Marc RAVALOMANANA tongasoa an-tanindrazana ny 13 Oktobra 2014 lasa teo.

    Tsapanay tokoa fa lehilahy tena ilain’ny Firenena Malagasy ny tenany raha ny resaka fampandrosoana no resahina. Derainay ny fomba fijery nananany hatramin’izay izay nasehony teo am-pahatongavana fa tonga tsy hitondra korontana izy fa tonga amin’ny fihavanana sy ny fandriam-pahalemana. 

    Tsy mila sotasota sy tsy mila ady ny TIM ka izany no nahatonga anay ho mpikambana mpanorona sy mavitrika tao amin’ny PMP ho fitsinjovana ny vahoaka malagasy. Nanaiky sy nanohana ny Filoha RAJAONARIMAMPIANINA ny TIM sy ny Ankolafy RAVALOMANANA ho fitandrovana ny fitoniana eto Madagasikara. 

    Tsy nasiana resaka akory ny fifanarahana dia ny fampodiana ny Filoha Marc RAVALOMANANA. 

    Mahatsapa anefa izahay fa tsy izany no fihetsika nataon’ny Fiadidiana ny Repoblika ny tenany ka raha vao tonga an-tanindrazana izy dia nandefasana andia-miaramila misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika nalefa teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra izay mifanohitra tanteraka amin’ny fampanantenana fa hiantoka sy hanantanteraka ny fampiavanam-pirenena. Nalaina an-keriny teny ny Filoha Mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana ary nosimbaina ny fananany. 

    Mitsipaka sy manameloka marindrano ny fihetsika mamoafady toy ireny izahay Solombavambahoaka TIM. Tsapanay fa tsy misy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Tsy nohajain’izao Fiadidiana ny Repoblika izao ny zo maha-olompirenena Malagasy ny Filoha Marc RAVALOMANANA tamin’izao fanilikilihana azy izao. 

    Tsy voahaja ny and. 20 ao amin’ny tondrozotra izay efa lalana velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Koa alohalika ny ranombary ankehitriny dia manambara koa izahay hoe :

    Ampy izay ny fanohanana izao fitondrana izao.

    Takinay ny fahafantarana ny toerana nihazonana ny Filoha Marc RAVALOMANANA satria zonay Solombavambahoaka ny mifanatri-tava aminy.

    Tsy ekenay ny finiavana hanala  azy an-tanindrazana.

    Lazainay ampahibemaso fa ny vondrona parlemantera TIM dia vondrona mpanohitra ara-dàlana manomboka izao.


    Tsimbazaza, 14 Oktobra 2014

    *TIM: Tiako I Madagasikara

    3 commentaires:

    1. Ahoana ny hevitrareo manoloana ny fihetsik Min Rolland Ravatomanga tsy mety miala anaty gouvernement fa ampiavana an-dRavalomanana sy Rajaonarimampianina hono?

      RépondreSupprimer
      Réponses
      1. fa naninona izy tsy nanana heritreritra hampihaona nandritra hatramin'izay?Zao na fanambarana kely fotsiny aza tsy ataony t@'ireny kidnapping nahazo ny filoha Ravalomanana ireny.Tsy azo antoka e!

        Supprimer
      2. Matoa tokoa tsy teny Faravohitra izy dia mazava fa tsy lahara-pahamehana ho azy aloha ny ho eny.Faharoa tsy tokony ho izy irery no tao anaty governemanta raha hiroso marina amin'ny fampiavanana ny tenany,fa tokony ho niady.Fahatelo,mety nana-kevitra ihany izy tany am-boalohany,saingy mahery ny vola e!

        Supprimer