![]() |
| Marc Ravalomanana tonga teo Faravohitra miatrika ireo vahoaka mpanoana azy |
Na dia teo aza
ny sakana maro isan-karazany apetraky ny fitondràna ankehitriny mba hanakanana
ny Filoha Marc Ravalomanana tsy hody an-tanindrazana dia tsy nahasakana azy
izany. Noporofoin’ity Filoha mamim-bahoaka ity teo imason’izao tontolo izao
omaly fa vonona sy sahy izy hiverina an-tanindrazana mba hitondra ny anjara
birikany amin’ny fanarenana sy fampandrosoana indray ny Firenena Malagasy izay
latsaka an-katerena tanteraka ankehitriny. “Ny ahy rehefa lazaiko dia tsy
maintsy tanterahiko” hoy ny Filoha Marc Ravalomanana.
Tamin’ny
fotoana tsy nampoizin’ny rehetra no nigadonany tetsy amin’ny trano fonenany
tetsy Faravohitra. Niharihary teo anatrehan’izao tontolo izao omaly fa vahoaka
sesehena faly sy tony ary milamina tsara no nitsena azy na dia tampoka
tanteraka aza izany fa tsy araka ny hevitra vohizin’ny sasany tsy misy farany
hoe hiteraka korontana ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana eto
Madagasikara. Ny nifanohitra amin’izany aza no niseho satria dia nahavaky vava ny
rehetra ny nahita ny fihetsiky ny fitondràna Rajaonarimampianina tamin’ny
alalan’ireo mpitandro ny filaminana nisambotra ny Filoha Ravalomanana. Tsy nisy
fanajàna na dia ny mahaolom-belona fotsiny ihany aza ankoatra ny maha
Filoham-pirenena teo aloha azy nasehon’ireo mpitandro ny filaminana izay
nirahin’ny fitondràna hisambotra azy tao amin’ny trano fonenany fa avy hatrany
dia tamin-kerisetra tsy manam-paharoa no nanatanterahana izany.
Raha ny
zava-nisy teny an-toerana izay navoakan’ny mpanao gazety teto Madagasikara sy
ireo gazety vahiny manerana izao tontolo izao avy eo dia tifitra variraraka
tamin’ny setroka mandatsa-dranomaso, izay mahery vaika dia mahery vaika avy
hatrany no nanaparitahan’ireo zandary sy miaramila ireo vahoaka vory maro be
tonga teny Faravohitra; ary taorian’izany dia niditra an-tsehatra ireo andiana
miaramila “GSIS” misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika
nampiasa herisetra sy nanapotika ny vavahady vy fidirana ao amin’ny trano
fonenan’ny fianakaviana Ravalomanana. Tao anatin’ny fihetsika feno herisetra
tanteraka no nanatanterahan’ireo “GSIS” izany satria dia “fusil d’assaut,
calibre 12 » izay basy mahery vaika mihitsy no nitifiran’ireto farany ilay
vavahady. Vokany ary manaporofo izany herisetra izany dia nitsonika tanteraka ireo vy matevina mandrafitra ilay vavahady araka ny hita eto amin’ny sary.
![]() |
| Diam-bala "calibre 12" eo amin'ny vavahady Vy (Sary: Daniel Rakotoarisoa) |
Eo
anatrehan’izany fisamborana feno herisetra sy habibiana izany dia nanaitra sy
nahatalanjona ny maro ny fanambaràna nataon’ny Filoha Rajaonarimampianina teny
Iavoloha. Nanambara mantsy ity farany fa tsy nosamborina na nogadraina ny
Filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa voatery natao izao fihetsika izao mba
hiarovana ny ainy.
Aleo hazava
ny resaka fa ireny fihetsika mamoafady nataon’ny mpitandro ny filaminana ireny
dia “fangalàna an-keriny” no anarany. Fangalàna an-keriny izay sady tsy manaja
ny zon’olombelona no manosihosy sy manao tsinontsinona tanteraka ny hasin’ireo
vahoaka Malagasy maro be izay tsy mety mitsahatra manohana ny Filoha
Ravalomanana nandritra izay enin-taona nanesoran’ireo mpanongam-panjakàna azy
teo amin’ny fitondràna izay.
| Ireo andiana miaramila hisambotra ny Filoha Ravalomanana (sary: RFI) |
Nanatitrantitra
sy namerimberina ny Filoha Marc Ravalomanana fa tonga hitondra fampihavanana sy
fitoniana ary fampandrosoana. Vonona hifanome tànana amin’ny fitondràna
ankehitriny ny tenany ary vonona hifamela amin’ny filohan’ny tetezamita teo
aloha Andry Rajoelina. Koa raha fampihavanana marina no tanjona izay fototry ny
fampandrosoana ny firenena sy vahaolana hialàna amin’ny krizy ankehitriny dia
mipetraka ihany ny fanontaniana manao hoe: “Inona marina no tena tanjon’ny
fitondràna Rajaonarimampianina manoloana izao fisamborana ankeriny mihantra
amin’ny Filoha Marc Ravalomanana izao?”
Marihina,
ary aoka tsy hadino fa Filoha am-perin’asa sy nametrahan’ny vahoaka Malagasy ny
fitokisany in-droa nisesy tamin’ny alalan’ny fifidianana teto amin’ny Firenena
ny Filoha Marc Ravalomanana.
Ny azo
antoka dia misedra sy miharitra ny mafy maro ny Filoha Ravalomanana manaloana
ny fasahiany mijoro amin’ny marina. Tsy vitan’ny iharan’ny fanapotehana
ara-politika ny tenany fa etsy andanin’izany dia ianjadian’ny tsy rariny sy ny
tsindry hazolena tanteraka ihany koa ny fiainany manokana miaraka amin’ny vady
aman-janany nandritra izay enin-taona izay.
Raha ny vaovao
farany heno dia notazomin’ny fitondràna tao amin’ny toby Ratsimandrava etsy
Andrefan’Ambohijanahary ny Filoha Marc Ravalomanana omaly hariva. Misy vaovao
hafa maro koa anefa milaza fa nafindra toerana izy ary tsy fantatra mazava izay
tena toerana misy azy marina amin’izao fotoana izao.
Sahy izy na
dia sakanana, Marc Ravalomanana!* Notanterahiny ny teniny, ary tonga tokoa izy.
Tsy mba mpitari-bato vilam-bava sy mpampandry adrisa ny tenany fa avy hatrany
dia “asa fa tsy kabary”. Mila ahy, mila anao…Mila antsika rehetra i
Madagasikara! Mifohaza ry Malagasy!
Indro zaraina amintsika ny toromarika sy vaovao voalohany avy amin'ny Filoha Ravalomanana raha nitafa mivantana tamin'ireo vahoaka maro be tonga teny Faravohitra ny tenany.
Madagasikara Malalako

.jpg)
Dia mbola voaporofo indray izao fa anisan'ny olom-be goavana tsy azo tsinotsinoavina ary manana anjara andraikitra lehibe @ fanarenana sy fampandrosoana an'ity firenena ity Ingahy Ravalomanana. Miantso ny fahendrenao sy ny feon'ny fiheritreretanao filoha Rajaonarimampianina, fotoana izao hanatanterahana marina ny tena fampihavanam-pirenena mba hirosoan'ity firenentsika ity @ fampandrosoana marina.Aoka tsy hanao fihetsika na hanadray fanampahan-kevitra tsy voahevitra ianao Atoa filoha Rajaonarimampianina fa iankinan'ny ain'ny firenena izany.Ny fisamborana ankeriny mba tsy hitenenana hoe "kidnapping" nahazo an-dRavalomanana omaly ireny aza efa sangy mihoatra ny loha.Antenaina fa efa fanjakana ara-dalana no misy eto fa tsy tetezamitatra Rajoelina intsony.Mampatsiahy ny habibiana fanaon-dRajoelina mantsy ireny omaly ireny.
RépondreSupprimerHazo avo hanan-drivotra ny Filoha Ravalomanana e! Andriamanitra tsy andrin'ireo mpampiasa hery ireo andrinay vahoaka ihany.
RépondreSupprimerHafa ihany izany mamy hoditra amin'ny vahoaka izany e! Hafa ihany ny Filoha tena matoky tena sy manana ny maha izy azy! Hafa ihany ny filoha tena voafidim-bahoaka marina.Andriamanitra anie homba anao sy ny ankohonanao Ravalomanana. Andamosinao mandrakariva Antsirabe
RépondreSupprimer