RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • "Migadra ny Filoha Marc Ravalomanana! Voageja miaraka aminy ny fahafahana sy fanantenan'ny vahoaka malagasy maro be!"


    Raha ny vaovao mari-potitra avy any Antsiranana, izay toerana hitazoman’ny fanjakana ny Filoha Marc Ravalomanana ankehitriny dia fantatra izao fa efitrano kely iray no misy azy, izay sady ao avokoa ny toeram-pivoahana (WC), no ao ihany koa ny toeram-pidiovana.

    Tsy misy fahitalavitra (télévision), no tsy misy « radio » ihany koa. Tapaka tanteraka ny fifandraisan’ny Filoha Ravalomanana amin’ny aty ivelan’ny toerana hitazomana azy satria dia nesorina teny aminy koa findainy (téléphone). Voafetra eo anelanelan’ny amin’ny 09 ora ka hatramin’ny 2 ora ihany ny fotoana ahafahan’ny fianakaviany mamangy azy.

    Tsara ny mampatsiahy fa fotoana vitsy taorian’ny nanamborana azy tamin-kerisetra tao amin’ny trano fonenany tao Faravohitra dia nanao fanambaràna ny fitondram-panjakàna fa « Tsy nosamborina ary tsy nogadraina ny Filoha Ravalomanana fa…napetraka any amin’ny toerana sahaza azy »


    Raha ireo fepetra voatanisa etsy ambony mikasika ny fomba fitazomana ny Filoha Ravalomanana ankehitriny ireo no jerena dia asa na fandatsàna, na fanesoana, na koa famitaham-bahoaka tsotra izao ny hevitr’io fanambaràna nataon’ny fitondra-panjakàna io satria ny mby tonga ao an-tsaina avy hatrany raha tsorina amin’ny teny mahitsy tsy misy olakolaka sy fihatsaram-bela-tsihy ny resaka dia « migadra », « mifonja » ny Filoha Marc Ravalomanana.


    Nandritra ny enin-taona ity Filoha mamim-bahoaka ity no tsy nitsahatra nijoro sy nitolona ho an’ny fahamarinana sy ny tany tan-dalàna. Nandritra ny enin-taona izy no tsy nitsahatra nitolona ho an’ny « demokrasia » sy ny fampandrosoana ny firenena izay very tanteraka taorian’ny fanonganam-panjakàna nahazo ny fitondràna nentiny.

    Mbola ilaina ve ny mampatsiahy fa maro amin’ireo mpitondra ankehitriny no tafiditra anatin’ilay lisitra 109 izay niharan’ny sazy iraisam-pirenena* vokatry ny tsy fanajàna ny zon’olombelona sy ny fanonganam-panjakàna nataon'izy ireo teto amin’ny Firenena ?

    Mbola ilaina ve ny mampatsiahy fa ny Filoha Marc Ravalomanana dia Filoham-pirenena nametrahan’ny vahoaka malagasy ny fitokisany in-droa nisesy tamin’ny alalan’ny fifidianana ary izany dia vita nandritra ny fihodinana voalohany avokoa (1e tour dia vita) !

    Mbola ilaina ve ny mampatsiahy fa nandritra ny vanim-potoana nitondran’ny Filoha Marc Ravalomanana no nandroso sy niroborobo indrindra i Madagasikara sy ny toe-kareny ?

    Vokatr'izany dia na tsy teo amin’ny fitondràna intsony aza ny tenany, na lasa sesi-tany lavitry ny Tanindrazany aza izy dia tsy nanakana sady tsy nampitsahatra velively ny fitiavana sy fanohanan’ny vahoaka azy izany.

    Matoa nanongam-panjakàna, matoa nanova fitondràna tamin-kery ireo izay nanao izany tamin’ny taona 2009 dia tokony nanana antoka fa hahavita tsaratsara kokoa sy hahavita be lavitra noho ilay fitondràna nahongana. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : « Nahavita nampandroso Firenena tsaratsara kokoa noho ny fitondràna Ravalomanana izay nolazaina fa tsy nahavita azy sy tsy nahomby ve ireo mpanongam-panjakàna ? »

    Tsy misy jamba mihoatra ny mahiratra minia manakipy ny masony hoy ny fiteny. Iaraha-mahita sy iaraha-mahatsapa ankehitriny ny toerana misy ny Firenena sy ny fiainan’ny vahoaka Malagasy na eo amin’ny lafiny ara-politika io na ara-tsosialy ary indrindra indrindra ara-toe-karena fa tena maizina tanteraka.

    Nahongana tamin-kery sy tamin’ny fomba mamohehitra teo amin’ny fitondràna ny Filoha Marc Ravalomanana. Tsy vitan’izany fa nopotehina sy noravaravana tanteraka ny fananany sy ny fianakaviany ary tsy nitsahatra niharan’ny tsindry hazo-lena sy fampihorohoroana ny vady aman-janany.

    [
    Tojo Ravalomanana : "Fihino tsara ny dadanareo fa mafy izany hoe eo am-pisakafoanana no « kidnapper »-na ny dadanao. Tonga teto Madagasikara aho novakianareo ny tranonay mivady (Andranomanelatra Antsirabe), tonga i Neny nalefanareo tany Bangkok izy sy ny zaobaviko, bebeanay aza maty noho ny antsojay nataonareo, izao indray vakinareo ny tranonay sady alainareo an-keriny i Dada, asa inona indray ny manaraka? Rahoviana ny mpitandro ny filaminana vao hampiasaina hitandro filaminana marina? Tsy nisy fomba vanona kokoa nahafahan'i Hery Rajaonarimampianina nihaona tamin'i Dada ve? Nefa izy koa filoham-pirenena lanim-bahoaka!"]

    Ankehitriny dia mifonja na “napetraka amin’ny toerana sahaza azy” araka ny fanambaràn'ny fitondràna ankehitriny any Antsiranana ny tenany rehefa avy nalaina an-keriny tao an-tokatranony.

    Vakio koa: Marc Ravalomanana: "Filoha sahy! Tsy matahotra mijoro amin'ny fahamarinana!"

    Saingy  na eo aza izany rehetra izany dia tsy kivy na ketraka ny Filoha Marc Ravalomanana fa mijoro sy sahy mandrakariva manoloana ny adidy sy andraikitra goavana izay tsy maintsy iantsorohany eto amin'ny Firenena.

    Hoy indrindra ny teny famerimberiny matetika hoe:“ Tsy misy afaka manala ny fitiavako ny Tanindrazako ato am-poko ary ny andro sisa iainako dia hanompoako sy hampandrosoako an’i Madagasikara”.


    Madagasikara Malalako

    5 commentaires:

    1. Izao no andro sady ora hijorona sy handraisana andraikitra ry malagasy.Aza avela hiady irery Ravalomanana fa atambaro ny hery nitolomana nandritra izay dimy taona izay hitakiana ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro. Fanjakana mpandainga sy mpamahan-dalitra vahoaka ny eto milaza fa natao résidence surveillée izy nefa tena migadra.Tsy rariny!

      RépondreSupprimer
    2. Vita @ ampahany ny adidin'i Dada izay e!Tonga soa aman-tsara eto @ tanindrazana izy.Anjarantsika vahoaka ny ambiny.

      RépondreSupprimer
    3. Ho an'ireo mbola misalasala na miahiahy na tsy dia maharaka loatra ny zava-misy. Tsy hoe tolona hanavotana na hamonjena olona 1 no atao fa tena tolona ho an'ny firenena.Tena efa diso tafahoatra loatra ny fahasahian'ny frantsay sy ny karana manimbazimba ny Malagasy.Ampy kosa zay e...miala tsiny amin'ireo namana frantsay sy karana fa tena misy fetrany ny fandeferana ry reto a....

      RépondreSupprimer
      Réponses
      1. Ny misalasala tsy maintsy hisy eny ihany fa rehefa mahita ny maro miroso ry zareo tsy maintsy tapa-kevtra ihany.Tena marina ny teninao saingy hanapiko kely azy dia olona iray Ravalomanana, fa olona iray mi-représenter malagasy antapitrisany.Ary zay no tena antony lehibe atahoran'ny sasany azy ka hanaovany an-dRavalomanana ohatr'izao.Mila mijoro isika vahoaka e!Mila mifankahery ary mila miray hina.

        Supprimer
    4. Izaho dia midera manokana ny fasahian'ny Filoha Ravalomanana.Ela fidola loatra ry fianakaviam-be iraisam-pirenena mpihatsara velatsihy izay miteny imolotra fotsiny hoe tsy maintsy tanterahiny ny tondrozotra indrindra ny fodian'ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana.Tetsy ankilan'izany efa fantatra hatry ny ela fa tsy hanaiky ny hodian-dRavalomanana izany ry Rajaonarimampianina sy Rajoelina miaraka @ frantsay ka dia notanterahin-dRavalomanana ny teniny hoe ho avy aho.Tonga izy fa leo ny miandry sy fihatsaram-belatsihy lava.Ampy izay hoy izy!Tena sahy rangahy iny ary tombony lehibe ho an'i Madagasikara ny fananany olomanga izay ankavitsiana toa azy.Azo atoka fa tsy hamela azy ho irery ny vahoaka ary ho hita eo izay hataon'ny communauté internationale satria raha ny marina dia hanafaingana ny fampihavanam-pirenena izao fahatongavan-dRavalomanana izao.Tokony ho araraotina!Amiko dia tokony hisaorana izy satria tao anatin'ny andro vitsy dia nihazakazaka be ny fivoaran'ny toe-draharaham-pirenena.

      RépondreSupprimer