RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Marc Ravalomanana: Namory ireo mpiara-miasa akaiky aminy sy ireo mpitarika TIM...The time is now!


    The time is now...

    Nampivondrona ireo solontenan’ny Antoko TIM sy ireo fikambananaa miara-dia aminy ny filoha Ravalomanana teny Faravohitra. Nahitana solontena 250 no nanatrika izany teny an-toerana ka niompana tamin’ny fanazavana ny momba ny fahaiza mitantana, ny fampihavanana, ny fampatsiahivana ny zava-nitanga tamin’ny taona 2009 ny fihaonana tamin’izany. Nambaran’ny filoha Ravalomanana tamin’izany fa tsy misy zavatra mandeha eto raha tsy mipetraka ny fifampitokisana. 

    Anisan’ny tetika ho entiko ny fametrahana ny fifampitokisana.Ilaina ny fifampitokisana satria efa rava izany na eo anivo’ny fianakaviana, na ny fiaraha-monina na ny any ivelany ka tsy maintsy apetraka, ny famerenanana ny fanohananana, ny fiaraha-miasa ary ny fisian’ny fitoniana na "stabilité" eto amin’ny firenena ary ny fanantenana ka ireo no fototra ahahafana hiara hiasa.



    Ankoatra izay dia anisan’ny nomen’ny fitenenana tamin’izany Ramatoa Ramalason Olga izay nanazavana fohifohy ny momba ny fampihavanana. Izy rahateo dia anisian’ireo delegasiona nisolontena ny movansa Ravalomanana nanatrika izany. Nambarany fa telo mianandahy no nisolontena ny movanasa Ravalomanana tamin’izany izay nahazo ny tso –drano avy amin’ny filoha Ravalomananan izay naitana Andriamatoa Andriamahefamparany Donat, Ramatoa Ihanta Randriamanjato, Olga Ralamason. Isika manohy hatrany y fampihavanana ataon’ny FFKM hatramin’ny farany satria tombonstoam-pirenena no jerena amin’izany. Nisy ny tari-dàlana avy amin’ny FFKM nanomboka ny 19 Novambra ka hatramin’izao. Ny zavabita dia ny fihaonan’izy dimy mirahalahy, nisy ny fiafanaraha iombonanana ny 15 janoary teo. Rehefa teo anatrehan’ny 4F ka niara nanao Sonia fa tomponandraikitra teto amin’ny firenena izy ireo. Noho izany , manana andraikitra izy ireo hanarina ny firenena alohan’ny fampiahavanana sy fijerena an’I Madagasikara ara-tsosialy, toe-karena, politika. Dingana manaraka dia hidina any amin’ny farira ny fampihavanana ny 05,06,07 Martsa izao ka hiafara amin’ny kaoferansa nasioanly izany ny 26,27 Mratsa. A o no hanehoana hevitra mba hahafahana manohy ny fampihavanana. Ny antoko Tim dia manana andraikitra ao anatin’izany ka manentana antsika handray anjara. Misy kaomisona telo ao anatin’ny fampihavanana dia ny kaomisiona ny fifamelana sy ny fampihavanana, ny fanonerana sy ny indemnisation ary ny fanarenanana ny firenena.

    Mila ampatsiahiviny antsika hoy Andriamahefampary Donat ny zava-niseho tamin’ny 26 Janoary 2009. Teo no nanomboka nasehon’ny sasany fa mihozongozona ny Repoblika. Voalohan’ny niaharaboina tamin’izany ka niteraka krizy lava reny hatramin’y 2014 dia ny oriansa Tiko. Nisy ihany koa ny fahavoazana hafa ka mila asongadina amin’ny dingan’ny fampihavanana izany. Potika ny fananan’ny , very ny asan’ny Malagasy. Tsy vitan’ny nanao asa fotsiny ny Tiko fa mpamorona aherana la mila harenina.

    Marihana fa nisy ihany koa ny fanolorana solombodiakoho fanome ny raiamandreny natolotr’ireto mpizaika ireto ho an’ny filoha Ravalomanana mivady, fisaorana mitafotafo moa no nandraisan’izy ireo izany.

    Sary/Loharanom-baovao:mydago.com

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire