RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Marc Ravalomanana: Mijoro aho handray andraikitra


    ravalomanana-fampihavanam-pirenena2.jpg
    Marc Ravalomanana: Vonona hanolo-tanana sy handray andraikitra

    Araka ny fandaharam-potoana dia mitohy sy manomboka androany indray ny Fampihavanam-pirenena tarihan'ireo Ray aman-dReny Filoham-piangonana FFKM. Manoloana izany indrindra dia nampiseho ny fahavononany tanteraka hiatrika sy handray anjara amin'izany ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Omaly maraina teny amin'ny trano fonenany teny Faravohitra dia niara-niombom-bavaka tamin'ireo mpitondra fivavahana maro ny tenany ho fitrotroana am-bavaka izao Fampihavanam-pirenena izao izay zava-dehibe loatra ho an'ny ho avin'ny fiainam-pirenena.

    Ny 25 Aprily teo, dia nandefa taratasy ho an'ireo Ray aman-dreny am-panahy mpitarika ny FFKM ny tenany. Nanambara tao anatin'izany taratasy izany izy fa mijoro handray andraikitra ho amin’ny soa iombonan’ny Vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ka hitondra ny anjara birikiny sy handray hanjara feno amin’ny fampihavanam-pirenena. Notsindrian'ity Filohan’ny Repoblikan’ny Madagasikara teo aloha izay voafidim-bahoaka ara-pomba demokratika indroa nisesy teto amin'ny Firenena ity fa tsy ho izy velively sy ny mpiara-dia aminy no ho sakana amin’ny fandaminana sy ny ezaka hisian’ny fitoniana eto amin’ny fiainam-pirenena.

    Mivaky toy izao manaraka izao izany taratasy izany:



    _________________________________________________________________


    Andriamatoa Marc Ravalomanana
    Filohan’ny Repoblika Malagasy teo aloha


    Ho anareo FILOHAM-PIANGONANA
    FFKM – Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara
    Madagasikara

    Antananarivo, faha 25 Aprily 2015


                 Tompoko,

                 Ho aminareo mandrakariva anie ny fiadanan’I Jesoa Kristy Tompontsika

                 Voninaitra ho ahy ny manoratra ity taratasy ity mba hanazavako ny hevitro momba ny asa fampihavanam-pirenena izay sahaninareo indrindra tao aorian'ny zava-nitranga teto amin’ny firenena tato ho ato, sy izay nitranga tamin’ny tenako manokana.

                 Nandray fanampahan-kevitra aho fa hampiato ny fandraisako anjara amin’io fampihavanam-pirenena io noho ny antony niaraha nahita izay niseho tany Ambositra sy Antsirabe farany teo. 

    Nihevitra tokoa mantsy aho fa tsy mifanaraka velively amin’ny foto-kevitra 4F (Fiaikekeloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana) izay hevi-dehibe ifotoran’ny Fampihavana-pirenena , ireny zava-nitranga ireny, ka mampametra-panontaniana mikasika ny fahavononana sy finiavan’ny tsirairay hihavana amin-kitsimpo.

                  Resy lahatra tanteraka anefa ny tenako fa ny Fampihavanam-pirenena no lalan-tokana hahafahantsika mitondra vaha-olana amin’ny krizy politika miverimberina , izay nampahantra ny Firenena , sy namotika ireo ezaka rehetra ho an’ny fampandrosoana efa natomboka.

    Mihevitra ary aho, fa tsy ho izaho velively sy ny mpiara-dia amiko no ho sakana amin’ny fandaminana sy ny ezaka hisian’ny fitoniana eto amin’ny fiainam-pirenena. Koa mijoro aho handray andraikitra lalandava ho amin’ny soa iombonan’ny Vahoaka Malagasy tsy ankanavaka, ka hitondra anjara biriky sy andray hanjara feno amin’izany fampihavanam-pirenena izany, toy izay efa nambarako ombieny ombieny.

                  Tiako kosa anefa mba tsy ho herim-po very maina ny fikelezana aina fa tena hisy vokany azo tsapain-tanana ary ho tombotsoan’ny Malagasy rehetra. Arak’izany dia iriako ary hangatahako mandritra ny fivoriana ny mba:                                                                                                                   
                         1) Hisian’ny fandraisana anjara ankitsi-po avy amin’ireo mpandray anjara rehetra;
         
      
                         2) Ho fehin-kevitra matotra sy hanan-kery azo ampiharina avy hatrany ary ho hankatoavin’ny rehetra ho toy ny lalàna velona eto amin’ny firenena (CONVENTION NATIONALE) no hivoaka aorian’ny fihaonana izay hatao;

                         3) Hanatanterahana ny voalazan’ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra izay efa lasa lalàna, sy ny fanafoanana ny Didim-panjakàna 2014-10420 nivoaka ny 24 Desambra 2014 izay tsy mifanaraa amin’ny fenitra sy lalàna iraisam-pirenena, manitsakitsaka ny zo sy fahalalahana fototra mahaolona, ary tsy manaja ny zo maha-Filohan’ny Repoblikan’ny Madagasikara teo aloha ny tenako, izay voafidim-bahoaka ara-pomba demokratika indroa nisesy.

                         4) Hametrahana tahirim-bola hanonerana sy hanasitranana ireo voina sy takaitra navelan’ny krizy nifanesy teto amin’ny Firenentsika. Tsindriana eto manokana ny amin’ny orinasa norobaina, nodorana sy voatery nanakatom-baravarana. Ilaina ny fanafainganana ny fanokafana azy ireny mba ahafahany mamoron’asa ho an’ny tanora Malagasy, sy mampitombo ny harinkarena ho fampandrosoana ny Firenena.

                    Eto ampamaranana dia mbola mamerina sy manamafy ny fitokisana apetrako ary mino fa apetraky ny vahoaka Malagasy aminareo Ray aman-dReny ampanahy amin’ny asa lehibe sahaninareo aho. Mirary koa raha mirary ny hahombiazan’ny ezaka fampihavanam-pirenena izay tarihinareo Ray aman-dReny Filoham-piangonana FFKM.

    Ary dia manao veloma anareo amin’ny anaran’ny Tompo.




    Marc Ravalomanana




    2 commentaires:

    1. Ny fanahy no maha olona ...tsarovy fa fiodikodionana ny didy mitondra ny tany , fiakarana sady fidinana ,korotana no Hita amin'izany .!
      Andriamatoa filoha , efa hitanao ny faran'ny mamy ,sy ny faran'ny mangidy , mpino ianao , ka antenaiko sy ny malagasy toa ahy fa fitsapana ireny rehetra ireny mba ahafantaranao ny lalana tokony hizorana ...mankahery anao am-bavaka tompoko , ary mirary soa hatrany

      RépondreSupprimer
    2. Mankasitraka anao Mr Ravalomanana fa izao fihetsikao izao dia tena maneho tokoa fa olona vonona marina @ fampihavanam-pirenena sy mitsinjo tanteraka ny tombotsoa ambonin'ny vahoaka malagasy sy ny firenena ianao.Tsy sanatria mandrangitra @'izao fotoanan'ny fampihavanana izao fa ny sasany dia sady efa tsy tamana an-tanindrazana no mbola tsy tia fihavanana ihany koa.Iza no nahazo sy mahazo tombotsoa @ fikorontanana tsy misy farany sy ny fanonganam-panjakana matetika eto @ firenena?Samy hotsarain'ny tantara eto daholo isika rehetra na ho haingana na ho ela.Ambava homana, am-po miherotra...

      RépondreSupprimer