RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Marc Ravalomanana: Vonona hampiasa ny traikefany hanatanterahana ny Fampihavanam-pirenena sy hampandrosoana ny Tanindrazana


    rajaonarimampianina-ravalomanana-ratsiraka.jpg

    Nanana ny anjara fitenenany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana nandritra ny fihaonambe nasionaly ho amin'ny Fampihavanam-pirenena izay notarihan'ireo Ray aman-dReny am-panahy ao amin'ny FFKM tetsy amin'ny CCI Ivato androany sabotsy 2 may 2015.

    Nandritra izany anjara fitenenana izany no nanehoan'ny filoha Ravalomanana ho ren-tany sy ren-danitra ny fifonany sy fialan-tsininy manoloana izay mety hadisoana vitany teto amin'ny Firenena; fa nandritra izany fotoana izany koa no nanaporofoany ny fahavononany tanteraka hitondra ny anjara birikiny amin'ny fanavotana indray ny Firenena izay tena latsaka an-katerena tokoa ankehitriny. Vonona tanteraka ny filoha Marc Ravalomanana ny hizara ny traikefa sy fahaiza-manaony ho fanarenana indrindra indrindra ny toe-karem-pirenena.

    Raha fintinina tsotsotra dia mivaky toy izao manaraka izao izany anjara-fitenenan'ny filoha Marc Ravalomanana izany:

    Matoky sy mino aho fa ho tanterahanao (Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina) antsakany sy andavany ny fehin-kevitra izay hivoaka eto mba hampiorina marina ny fampihavananana ka hisian’ny fifampitokisana ka hampandroso sy hampiadana ny firenentsika.Tsy adino ihany koa ianareo Ray aman-dReny am-panahy efatra mirahalahy (FFKM) nanana fandavan-tena tsy nikely soroka nanatanteraka hatramin’ny farany izao dinika fampihavanam-pirenena izao.Tsy nikely soroka hoy aho aminareo satria fantatra ireo fahasahiranana sy andraikitra ary tsy adino ihany koa ianareo ekipa teknika sy tompon'andraikitra rehetra indrindra ianareo mpanao serasera.

    Zava-dehibe loatra ny fahitana anareo. Mandalo kihon-dalana ny firenentsika, misendra olana maro ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao ary tsapa fa sahirana sy mijaly. Mihoatra ny 90% ny tahan’ny vahoaka mahantra mivelona amin’ny vola latsakay ny 2 dolara isan'andro. Mikoroso fahana ny toe-karena sy ny fotondrafitr’asa. Maro ireo andalana tao amin’ny tondrozotra izay efa lalàna mbola mila fampiharana indrindra ny mirakitra ny zo sy ny tombontsoa ary ny fahalalahana fototra.

    Ny disadisa sy ny fifandirana ara-politika mbola mitohy ary miteraka fizarazarana eo amin’ny fiaraha- monina ka zary lasa vato misakana tsy hirosoana amin’ny fampandrosoana maharitra. 

    Noho izany dia heveriko fa mila miroso amin-kitsom-po mankany amin’ny tena fampihavanana marina isika ka hahafahantsika mandevina im-pito mandifotr’olona ny krizy politika lavareny izay nahakizo-fara ny Malagasy. 

    Tsy ny fitovizantsika amin’ny fomba fijery amin-javatra rehetra no tanjona tratrarina satria mazava ary azo tanterahana mihitsy izany. Ny antso ataoko amintsika anio dia tena hihavana ny samy Malagasy, ny foto-kevitra 4F (fihaiken-keloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana) no taringetrantsika ary eo anivon’ny ankohonana izany no ampiharintsika, eo anivon’ny fiankaviana, ny fiangonana, ny tany ama-monina indrindra fa eo anivon’ny firenentsika.

    Ka na hisy aza ny tsy fitovian-kevitra ara-politika dia tsy hisakana antsika tsy hiara-monina sy tsy hifanaja izay no hanome hasina ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara sy hanamarina ny toeran’ny fanjakana izay misy. 

    Mbola hamafisiko ny fahavononako hampiasa ny traikefa sy ny fahaizako hanamafisana ny firaisan-kina sy hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena amin’ny lafiny ambara-tonga misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Noho izany dia tiako ny manamafy sy mamerina indray izay voalazako antsoratra tamin’ny 23 novambra 2014, manaja sy mankatoa ny tany tan-dalàna aho ary manaiky ny maha ara-dalàna ny fitondram-panjakana ny tenako izay lany tamin’ny fifidianana nandraisan’ny rehetra anjara ary maneho ny fahavononako hanohy hatramin’ny farany ity fampihavanana ity. 

    Marina tokoa fa efa nandalo tao an-tsaiko ny hisintaka ary tsy handray anjara amin’ny fampihavanana, noho ilay teritery tamin’ny 24 desambra 2014 izay nandrara ahy tsy hivezivezy ankalalahana sy handray anjara feno amin’ny fiainam-pirenena kanefa dia Malagasy manan-jo feno tahaka ny Malagasy rehetra aho.

    Etsy ankilany ireo zava-nitranga faramparany tany Ambositra sy Antsirabe ary indrindra tamin’ny faran’ny herinandro tany Toamasina.

    Eto dia miangavy anao Andriamatoa filoha ny hanafoana io "decret" io ary hamerina amiko ny fahafahako malalaka hahazoako izay zo sy higoka ny tombontsoa amin’ny maha filohampirenena teo aloha. Hatramin’izao dia mbola tsy nahazo izany ny tenako. Rehefa nieritreritra lalina aho dia nahatsapa fa betsaka amintsika ato amin’ity efitrano ity no tratry ny krizy ary itambesaran’ny alahelo sy ratra. Ny krizy politika nifanesy dia namela ratra any ampon’ny maro. Ireo kaomisiona izay noteteziko dia nahitako ireny olona ireny ka nanohina ny foko tokoa ny naheno azy ireny nitantara.Teo koa ireo mpiara-dia niharan’ny fanenjehana sy herisetra isankarazany. Nihaona sy nifandray tanana ary nifanoroka mihitsy aza tamin’ireo olona sasantsasany nanao ireny aho.

    Tamin’ny haravoana tanteraka no nandraisako ny fibebahana nataony. Raha samy miziriziry isika ka ny momba ny tenantsika manokana ihany no jerena dia tsy hiroso velively amin’ny fampihavanana isika.Tsy maintsy tokony hampandefitra ireo hambom-po manokana iska ka mba ho tombontsoan’ny vahoaka 22 tapitrisa. Ny fanajana izany dia izao fampihavanana izao no hanatanterahantsika satria kristy no nampihavanana. Tapa-kevitra aho fa hanohana ity fampihavanana ity amin’ny maha kristiana ny tenako ary mino aho amin’ny maha kristiana ihany koa fa kristy no mapihavana. Izy no nitondra antsika sy nanasitrana amin’ny aretina rehetra ary mino aho fa izy efa niantso antsika satria zanany isika mba hitarika sy handala ny fampihavanana hanasitranana ny fery mbola tsy nikobona amin’ireo tsirairay avy. Ho entintsika am-bavaka ny fampaherezana azy ireo, haverina indray ny fifandraisana izay rava, teo amin’ny samy mpiray tanindrazana. Fantatro ary fantantsika fa tsy sitrak’Andriamanitra velively ny fizarazaràna sy ny korontana koa maneke ary ampiharo ny 4F izay ifotorantsika.

    Valo taona garangidina no nitantanako ity firenena ity. Nanao izay tratry ny heriko rehetra aho ampandrosoiko ity tanindrazana malalatsika ity, namboarina ny fotondrafitr’asa isan-karazany.Tiako singanina manokana amin’izany ity toerana mahafinaritra misy antsika ity.Tsy afenina fa na iraimbilanja aza dia tsy nandoavam-bola fa fanomezana amin’ny handraisantsika ny fivorian’ny vondrona afrikana. Ny fanampiana ny tantsaha, sy tontolo ambanivohitra mba hampitombo ny vokatra, ny fampidirana an-tsekoly ny zanaka Malagasy, efa nahatratra 92% indrindra ny fitandroana mandrakariva eny amin’ny sehatra rehetra dia nanomezana fitaovana ho an’ny mpitandro ny filaminana, ny fitandroana ny fahasalaman’ny zaza latsaky ny dimy taona , tena zava-dehibe ny fikarakarana ny reny. Nahatratra 7,5%  ny fitombon’ny harikarena faobe ary nampiaiky ny firenena eran’izao tontolo izao izay nahazoantsika voalohany tamin’ny firenana eran-tany MCA.

    Mino aho ary manantena fa betsaka ny asa miandry antsika amin’izoa fotoana izao satria tsy maintsy hamerina ny fanjakana isika. Amin’ny maha olom-belona anefa na dia nanao izay tratry ny heriko aza aho , na dia efa niezaka etsy sy eroa nitady ireo mpiramiombon’antoka amintsika hanampiana ara-bola dia misy ihany mamparefo. 

    Mijoro eto aho ankehitriny manoloana anareo, ambarako ampahibe-maso ho ren-tany ho ren-danitra ho ren’ny vahoaka Malagasy ny fifonako sy fialan-tsiny. Ny fahitako ny hafalianareo , vao maika moa ny hafalian’ny olona any antokan-trano mahita sy maheno mivantana antsika.Tena zava-dehibe izany ka hafaliana ao am-poko ny mahita izany ka tena mihavana isika, mampihatra ny 4F isika. Mino sy manantena aho fa mivoaka eto amin’ity efitrano ity isika dia hahazo teny aho fa hosokafana tsy ho ela any Tiko. Azo sary an-tsaina ny ahiahy na ny hoe satria mbola ireo hetra na fanditseranana tokony aloha, aza matahotra ianareo fa vonona hanao izany aho raha misy izany saingy izao kosa ny fanjakana dia tokony hahatsapa fa tombontsoam-pirenena ny fisokafanan’ny indostria Malagasy, manome asa mivantana sy ankolaka ka mendrika ho tohanany (…)

    Manao antso avo ho an’ireo firenena vahiny mpiara-miombon’antoka amintsika aho mba hanohana izao fitondram-panjakana izao na ara-tekinika na ara-bola indrindra fa ny fametrahana tahirim-bola hanoherana sy hanasitranana ny voina namely tamin’ny krizy nifanesy teto Madagasikara na ny atao hoe "solidarite nationale", hanao izay tratry ny heriko aho hahazoana io miaraka amin’ny fanjakana ary ho avy io fa aza matahotra ianareo. Takiako ihany koa ny handraisan’ny hery velona rehetra, mampirisika ny filoha teo aloha Zafy sy Rajoelina mba hiverina, fanamby lehibe ity ataontsika ity ka tokony hikaon-doha isika dimy mirahalahy.(…) misy ireo mpiara-miasa tamiko tamin’ny fotoan'androny, nanana hafanam-po diso be loatra,ka nanao fihetsika tsy mendrika, fampijaliana dia izaho ihany koa no hitondra izany fifonanana izany.(…) manaraka izany dia mbola manamafy hatrany aho ny fahavononako hitondra ny trai-kefa sy ny fahaiza-manao hanarenana ity toekaren’i Madagasikara ity izay mikoroso fahana nandritra ny enin-taona.(…) 

    Averiko eto indray hoy aho aminareo ny fahasahiako hiaraka hiasa hamerina ny toekarena kanefa tsy afa-manoatra loatra aho satria ny vola na fananana vokatry ny fihariana ara-mpianakaviana dia mbola giazana ankehitriny; ny tiako ho resahina amin’izany dia raha mba foana ity "decret" na fanagejana etsy sy eroa dia faka manao lavitra noho ireny aho.

    Loharanom-baovao: mydago.com

    6 commentaires:

    1. Ny sasany tsy mba nifona fa anjely sy tsy misy pentina daholo.Mampiseho ny maha olo-marina sy mpitondra tia Tanindrazana anao tokoa izao fanetre-tena goavana ataonao izao Atoa Ravalomanana.Izay manetry tena tokoa no hasandratra ary lozan'ireo izay tsy tia fihavanana eto @'ity Madagasikara ity fa dia hotsarain'ny taranaka fara-mandimby eto daholo.Ny azo antoka dia vitsy ny olona toa an-dRavalomanana, vitsy ny olomanga toa azy koa anjaran'ny Malagasy no maka lesona sy misintona anatra @ tantara.Tohizo ny llalantsika e!

      RépondreSupprimer
    2. fangaha tsy nifanaraha hoe samy mifona daholo no izy rery no nifona??? Mahagaga!!! ... R8 UP!!!

      RépondreSupprimer
      Réponses
      1. Raha ny tokony ho izy tokoa dia samy mifona sy mihaiky heloka daholo saingy indrisy fa ny sasany mihevi-tena ho anjely sy tsy manan-tsiny angamba.Ny mampalahelo aza dia misy manao gilalahy mangala-ketsa ka izy efa fototry ny olana indray no mbola avo vava sy miavona sady tsy mba mipitrapitra mampalahelo fa vao maika mivandravandra mampatahotra.Mila ampiana sy tohanana i Ravalo satria dingana goavana tsy manam-paharoa izao fihetsika ataony eto @ Firenentsika izao.

        Supprimer
      2. Ny ahy ny marikoriko ahy dia ireto panao pôlitika efa zatra fanjakan'barofo ireto.Tsy tia filaminana fa dia ny hanakorontana foana.Hita mitsy hoe tsy mba manisy hasiny ny vahoaka.Raha tsy zany tokoa ve moa hanongam-panjakana satria matahotra safidim-bahoaka, nefa raha ny tena izy dia ny safidim-bahoaka no ahafahana mandrefy marina ny tena herin'ny mpanao politika.Ny an'sasany heveriny hoe rehefa maavidy miaramila mahay mapiteny kalaknikov maro izy dia hoe any aminy ny hery.Mbola ela ny firenentsika vao tafarina raha mbola reo mpitondra zatra manongam-panjakana reo foana no omena vahana eto.Isika vahoaka koa tokony mba ho tonga saina amizay fa tsy hanaiky atao tohatra sy fitaovana foana.Zao ny fahantrana ôtran'ny inona nefa ny sasany voky dia natory sy mandany ny azo any Dubai any.mampalahelo !

        Supprimer
    3. Ny anay aloha rehefa tonga soa aman-tsara i Ravalomanana dia efa valim-bavaka lehibe izay e!Enin-taona no niandrasanay azy.Efa fandresena goavana ny fahatongavany eto Madagasikara.Mafy anie ny nahazo azy tany an-tany lavitra tany e, fa mafy koa ny nahazo an'ireo mpanohana azy tsy nitsaha-nitolona nandritra izay taona maro izay.Tonga izy io fa na dia ny mahita azy eto an-tanindrazana fotsiny aza dia efa maha-velom-bolo sy fanantenana.

      RépondreSupprimer
    4. Faharesen-dahatra kosa ny fifonana e, misy fotoanany ny zava-drehetra , mbola ho avy ny fotoana hifonan'ny bola tsy nahavita ka , aza matahotra, mivavaka ho azy isika!

      RépondreSupprimer