![]() |
| Fototra goavana iorenan'ny fampandrosoana ny fitsipi-pifehezana sy ny fanarahan-dalàna |
Nitranga ny fanakorontanana niafara tamin’ny fanonganam-panjakana niaraka tamin’ny fanevatevana ireo soatoavina tena Malagasy ny taona 2009. Tsy nionona fotsiny tamin’ny fanapotehana ny tontolo ara-toekarena sy ny lafiny ara-tsosialy ireo fahavalom-pirenena ho fiarovana ny tombontsoan’ny mpanjanaka fa nanimba tanteraka ny fihavanana izay mampiavaka ny Malagasy.
Tsy isalasalana anefa fa efa niarin-doha teo amin’ny sehatra maro i Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2008 nandritra ny fitondrana Ravalomanana. Tsy mahagaga izany satria nanana ny vina «Madagasikara Voajanahary» sy ny fandaharanasa voafaritra ara-potoana «Madagasikara Am-Perinasa» ny mpitondra voafidim-bahoaka tamin’izany.
Fotokarena miainga amin’ny MAP
Voafaritra fa ny Madagasikara Am-Perinasa taona 2007 hatramin’ny 2012 no manangana ireo fotokarena miisa 7 ho an’ny firenena dia ny mahasahana ny maha olona, ny fotodrafitrasa, ny sehatra tsy miankina, ny ara-boajanahary, ny fitarihana, ny fahalalana ary ny andrim-panjakana. Tanjona lehibe voarakitr’ireo paikady sy tetikasa ao anatin’ny MAP rahateo ny hanao izay hanatrarana ny fampihenana ny fahantrana sy ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka. Efa nahazo tohana ara-bola tamin’ireo mpiara-miombon’antoka hatrany amin’ny 7 miliara dolara moa ity fandaharanasa noketrehan’ny ekipan’ny filoha teo aloha ity saingy rava teo ilay nofinofy fampandrosoana ny Malagasy 20 tapitrisa mahery.
Asa voarefy ara-tarehimarika
Voalazan’ny Madagasikara Am-Perinasa ohatra fa ho tonga laharana faha-100 ny tondron’ny fandrosoana maha olona ny taona 2012 raha laharana faha-146 isika ny taona 2005. Tokony ho tratrantsika ny laharana faha-80 ny taona 2012 raha faha-131 izany ny taona 2005 eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Eritreretina hitombo ho 80% ny tahan’ny mponina mahay mamaky teny sy manoratra ny taona 2012 raha 63% izany ny taona 2005. Tokony ho nanodidina ny 7 hatramin’ny 10% kosa ny tahan’ny fitombon’ny toekarena ny taona 2012 raha 4,6% izany ny taona 2005. 2,8 ny tondro fahatsapana ny kolikoly ny taona 2005 izay tokony ho 5,2 ny taona 2012. Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny mpitondra nanomboka tamin’ny taona 2002 ny fanamboarana sy fikarakarana lalana ka nirefy 8.982 km izany tamin’ny taona 2005. Tokony ho nitombo 20% ny fifanakalozana ara-barotra io fikarakarana ny fotodrafitrasa io. Vinavinaina hatrany amin’ny 75% ireo tantsaha sy ny mpandraharaha ara-pambolena hanana taratasy fanamarinana ara-tany ny taona 2012 ary 7 tapitrisa taonina no voka-bary teto Madagasikara ny taona 2012.
Fifehezana sy fanarahan-dalàna
Fomba fiasan’ny reny malala hatramin’izao ny mametraka olona afaka hiaro ny tombontsoany. Tsy nety ary tena nanahirana ny mpitondra frantsay anefa ny niakaran’ny lehiben’ny orinasa Tiko teo amin’ny fitarihana an’i Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2002. Tsy maintsy nitady hevitra sy nikaon-doha mafy ity firenena mpanjanaka ity hanalana an’i Dada eo amin’ny fitantanana satria tsy voafehiny toy ireo olom-panjakana manampahaizana maro nofaniny sy nokolokoloiny Ramose.
Natanjaka sy sahy nanao dingana lehibe rahateo ity filoham-pirenena teo aloha ity ary tsy nisalasala nisafidy ny diplaomasia nifantoka tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny vazantany efatra. Nitsingilahila rahateo ny toeran’i Lafrantsa nanomboka teo ka tsy maintsy niroso tamin’ny fanonganana ny filohan’ny Repoblika Malagasy voafidim-bahoaka tahaka ny nitranga tamin’ireo firenena zanatany afrikanina toa an’i Cote d’Ivoire, Burkina Faso, Centrafrique, Lybie taorian’ny fiketrehana drafitra maty paika nanirahana ireo mpanongam-panjakana notohanan’ireo mpiasam-bahoaka manao fanamiana ny taona 2009. Nampisongadina ny fitondrana Ravalomanana tsy mety lefy ao an-tsain’ny maro ankoatra ny asa fampandrosoana haingana sy maharitra ny fitsipi-pifehezana sy ny fanarahan-dalàna. Antony iray rahateo moa io mbola hilazan’ireo zatra ny gaboraraka sy ny fitantanana lavitry ny mangarahara hatramin’izao fa didy jadona no nanjaka nanomboka tamin’ny taona 2002 hatramin’ny 2008.
Lahatsoratra: http://tiatanindrazana.com/

Misaotra Mr Ravalomanana t@'izay efa vitanao t@'ity firenentsika ity, aza adino fa mbola maro be ny vahoaka ao andamosinao manohana anao sy mitrotro ambavaka anao.
RépondreSupprimer