RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Affichage des articles dont le libellé est ampamoaka. Afficher tous les articles
    Affichage des articles dont le libellé est ampamoaka. Afficher tous les articles

    Mitohy ny ampamoaka - Ny Président HCC Jean Michel RAJAONARIVONY: mpiray tsikombakomba ihany koa?

    hcc-rajaonarivony-2009.jpg

    Manomboka mivoaka tsikelikely indray izao ny anaran’ireo olona nandray anjara mivantana tamin’ny raharaha 17 Marsa 2009. Isan’ireo ny filohan’ny HCC Jean Michel RAJAONARIVONY. Misy ny karazana tantara izay manamarina izany.
    VAKIO ETO

    IRAY TSIKOMBAKOMBA TAMIN’NY FANONGANAM-PANJAKANA NY HCC 

    Tamin’ny 17 marsa 2009 dia nisy niantso tao amin’ny HCC fa hisy haka an-keriny ao amin’ny lapan’Ambohidahy ny Président Jean Michel RAJAONARIVONY sy ny membre ny HCC. Tokony ho teo amin’ny 04 ora sy sasany izany antso izany. Tamin’io fotoana io ihany koa no raikitra ny fifanjevona teny amin’ny Episcopat Antanimena izay nahitana ny fisamborana an’i Vice amiral Hyppolite RAHARISON, Général de division Ranto RABARISOA, Général de division Rivo RAZAFINDRALAMBO, ny Président ny FJKM Pasteur Lala RASENDRAHASINA narahana herisetra sy fandrahonana basy eran’ny tokotany sy ny trano.