Nafana tanteraka ny teny amin’ny manodidina ny lapan’ny fitsarana androany maraina. Tonga nanotrona ireo mpitari-tolona ho tsaraina ny mpandala ny ara-dalàna. Hiram-pivavahana, hiakam-pitolomana no niandrasan’izy ireo izany fotoana izany.(...)
Tsy nahatohitra ny vahoaka ny col. Richard “La Bombe”
Niezaka hanaparitaka ireto mpitolona ireto ny EMMOREG saingy tsy nahatohitra. Nidina teny an-toerana mihitsy ny Kol. Ravalomanana Richard saingy nijoro hatramin’ny farany ihany koa ny vahoaka. Maro no tsy nikoso-maso taminy ka tsy nahomby avokoa ireo fisamborana nokasainy hotanterahina.
Tsy navelan’ny vahoaka hiditra ny lapan’ny fitsarana Yves Aimé sy Fetison
“Tsy mendrika ho tsaraina ianareo fa Rajoelina no mila tsaraina”. Izany no nasetriny vahoaka ny fahatongavan’ireo mpitari-tolona izay nanaiky hiatrika ilay fotoam-pitsarana. Tsy nanaiky hatramin’ny farany mihitsy ireo vahoaka ary niafara tamin’ny fanakatonan’izy ireo ny lapan’ny fitsarana mihitsy izany. Teo dia tsy maintsy nandray fitenena I Fetison Rakoto andrianirina nandamina ireo mpiara-mitolona aminy.
Taorian’izay dia niezaka nandresy lahatra ireo nanidy ny lapa ireto mpitari-tolona. Nandritra an’izany no nazahoana vaovao avy ao anatiny fa nahemotra mihitsy ny fotoam-pitsarana noho ny tahotra amin’ny filaminana.
Ambohijatovo ! Ambohijtovo !
Tsy mbola nanaiky hody maina anefa ireo mpiara-mitolona ka dia nanapa-kevitra ny mpitarika fa hihazo ny Kianjan’Ambohijatovo. Dia an-tongotra no nanaovan’ny vahoaka “cordon humain” niala avy any Anosy nihazo ilay tanjona nampangataheta hatrizay. Nijoro hatrany izy ireo niaro ny fiara nitondra ny Pr. Zafy Albert sy Fetison.
Noho ny tonga teo Ambohijatovo dia niezaka nifandamina tamin’ireo EMMOREG ny avy ao amin’ny Mouvance Zafy saingy tsy nahazo valiny mahafapo. Na izany aza dia navelan’izy ireo handray fitenenana mandritry ny folo minitra ka afaka nampita ny lamina hanohizana ny tolona.
13 Mai! 13 Mai
Vehivavy roa tsy nahatsiaro tena
Rehefa tonga teo Behorirka dia nifampitaona ny vahoaka satria natokany ho andro fanehoan-kery androany. Nikasa ny hihazo an’ny 67 Ha izy ireo tamin’izany. Raha vantany vao nivadika teo Antanimena anefa ireto mpitolona dia nirefotra avy hatrany ny lacrymogène. Voatery niverinatao amin’ny Magro Behorirka ny ankamaroan’ny olona ary nisy nametraka sakana manodidina mba ho fiarovan-tena. Ora roa taty aoriana dia tao amin’ny kianja mihitsy no nandefasan’ny EMMOREG grenady mandatsa-dranomaso.
Hatreto aloha dia vehivavy efa mahazo taona roa no fantatra fa tsy nahatsiaro tena satria sempotra noho ny entona nalefan’ireo hery famoretana.
ARAHO ATO VAOVAO SY HORONAN-TSARY(VIDEO)FANADIHADIANA MIFANDRAIKA AMIN'IZANY
http://collectif-gtt.org/
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire