RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Niaiky ny Lt. Col. Charles Andrinasoavina fa fanonganam-panjakana no nitranga tamin’ny 2009


    fanonganam-panjakana-charles.jpg
    “Fanonganam-panjakana no niarahanay sy Andry Rajoelina nanomboka ny 08 Martsa 2009” io no nambaran’ny Lt. Col. Charles Andrianatsoavina tao amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety ny tenany. Araky ny fanazavan’ity manamboninahitra ity dia nandray vola avokoa izay niara-niasa tamin’izany ka “mpanefoefo karana sy frantsay no namatsy vola ny hetsika”. Nanonona mari-bola mihitsy ka nambarany fa 100 tapitrisa no vola noraisiny saingy tsy voamarika kosa hoe ariary io sa Fmg.


    Marihina fa mbola teo anivon’ny KMFP ny Lt. Col. Charles dia efa nanambara fa “raha tsy nijoro ny tenany sy ny CAPSAT dia tsy tonga teo amin’ny fitondrana Andry Rajoelina”. Tamin’izay ihany koa no nilazany fa efa nanao sesi-tany ny tenany ity farany ka niery tao amin’ny trano fonenan’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara.



    Tsiahivina fa efa herinadro maro izao no nanam-panirina hanao izao fanambarany izao ity manamboninahitra ity saingy nampanaovina fangala-piery tamin’ny mpanao gazety sy  ny fianakaviany mba tsy ahafahany manao izay. Androany anefa  dia tsy voasaka intsony izany taorian’ny fifanatrehana teo aminy sy ny CEMGAM an’ny FATE. Ity farany moa raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny zava-nitranga dia nitsoaka an’avona ary nilaza fa tsy manan-kambara.

    Izao zava –mitranga izao dia hanamafy ny fitsipahan’izao tontolo izao ny “fitondrana avon’ny tetezamita”. Manana porofo mivainaga sy fijoroana vavolombelona manko ankehitriny izao tontolo iza fa tsy hetsi-bahoaka velively ny nitranga teto Antananarivo tamin’ny taona 2009 fa fanonganam-panjakana noho ny fiarovana ny tombontsoan’olom-bitsy.

    1 commentaire:

    1. Je souhaite bien que la lois punis gravement, ses salop et mauvaise pensé, qui ne cherche qu'à eux même. Dédicace aux population soyez réaliste et un peu pensif à la prochaine fois, "mba mifohaza amin'izay fa aza mety hoentin'olona amin'ny sangany fotsiny re ry malagasy a!"

      RépondreSupprimer