RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Mifohaza ry Malagasy! Raiso ny andraikitrao!

    Araka ny efa nampoizin’ny maro,manoloana ny maha antomotra ny fodian’ny Filoha Ravalomanana eto antanindrazany ,dia niteny sy namoaka fanambaràna tamin’ny alalan’ny tsangan’olona solo-tenany eto Madagasikara indray ny firenena frantsay.Nambaran’I Andry TGV ary fa hosaziany hono,ny Filoha Ravalomanana raha mody eto Madagasikara;ary handray fepetra mikasika izany ny FAT.

    Tsy asiana resaka lava intsony fa ho an’ny olona mahay mamaky teny tsara sy mpanara-dalàna rehetra,fa indrindra ho an’ireo izay dodona hanala an’I Madagasikara ao anatin’izao fahoriana sy fahantrana lalina mahazo azy izao dia mazava tsara ny andinindinina voasoratra ao anatin’ny tondro zotra famahàna ny krizy;indrindra eo amin’ny andininy faha 20: MAHAZO MODY TSY MISY FEPETRA NY SESI-TANY POLITIKA REHETRA,ARY AO ANATIN’IZANY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC.


    Rehefa metimety amin’ny mpanongam-panjakàna sy ny reny malalany ny fepetra takiana ao anaty tondro zotra dia ekeny izany androany mba hamitahany sy hiatsaràny vela-tsihy amin’ny vahoaka Malagasy sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena,fa rehefa hitany fa hanapaka tampoka ny fahefàna sandony sy feno halatra kosa dia tsipahany tampoka rahampitso.Toy izany hatrany ny filalaovan’ireo olom-bitsy tsy mataho-tody ny aim-pirenena sy ny ain’ny vahoaka roapolo tapitr’isa nandritra izay telo taona nisian’ny fanonganam-panjakàna sy nanaovan’izy ireo voron’azon’adala ny fitondràna izay.

    Tsara ny manamarika fa mbola ny firenena frantsay mpihatsara vela-tsihy irery ihany hatramin’izao ka hatramin’izay no mbola tsy menatra manohana io fitondràna FAT tsy ara-dalàna io amin’ny lafiny rehetra(na ara-bola na ara-miaramila na ara-diplaomatika,sns…) fa ny firenen-dehibe hafa kosa dia tsy mitsahatra manameloka ary mampitombo ny sazy mahazo an’I Madagasikara toy ny nataon’ny vondrona eropeana farany teo.

    Ho an’ny vahoaka dia tsotra ny resaka,ny antony tsy hamelàn’ny FAT ny fiverenan-dRavalomana eto Madagasikara dia tokana ihany:Tahotra sy horohoro eo anatrehan’ ny Filoha Ravalomanana satria fantatry ny FAT sy ny frantsay mpanohana azy tsara ny mbola tanjaka sy herin’ity Filoham-pirenena voafidim-bahoaka farany teto Madagasikara ity raha tafaverina antanindrazana ny tenany.Fantatr’ireo fahavalom-pirenena sy fahavalon’ny fandrosoana manao takalon’aina ny Malagasy ankehitriny tsara soa sy ny fampandrosoana vitan’ny Filoha Ravalomanana teto amin’ny tany sy ny Firenena talohan’ny nanonganany azy.Ary indrindra ho an’ireo zanak’I Dada izay tsy nitsaha-nitolona sy miandry azy fatratra nandritra izay telo taona nanaovan’ny sasany sesi-tany azy izay .

    Raha tsy hitanisa hafa tsy ireo isika dia mazava tsara ny tahotry ny FAT izay afeniny ao ambadiky ny raharaha 7 febroary hatrany mba hanakorontanana sy hamendrofendroana ary hilalaovana ny sain’ny Malagasy.Atao fitaovana io raharaha io mba hanakanana ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana eto Madagasikara.

    Tsara hatrany ny manamarika sy mitondra fanazavàna fa hatrany ampiandohàna dia mbola tsy nitsahatra nangataka ny hisian’ny fanadihadiana manara-penitra sy mahaleo-tena ary iraisam-pirenena(eo ambany fiahian’ny ONU) ny Filoha Ravalomanana mba hampazava tanteraka iny raharaha manjombona loatra iny ary hahalalàna marina ireo izay tena tompon’antoka sy nahavanin-doza.Ny zavatra hita hatreto dia manao be marenina sy tsy manaiky ny hisian’izany fanadihadiana lalina sy manara-penitra izany ny fitondràna FAT.Manoloana izany dia mipetraka ho azy ny fanontaniana hoe:Iza marina no tena matahotra ny hivoahan’ny marina mikasika ny raharaha 7 febroary?Iza no mahazo tombotsoa amin’ny fanaovana fitaovana ny fitsaràna sy ny miaramila ankehitriny?Iza no mahazo tombotsoa amin’ny faharetan’ny krizy sy ny fahapotehan’ny Firenena?
    Eo anatrehan’izany rehetra izany,ary eo ampamalian’ny tsirairay amin’ny fomba fijeriny avy ireo fanontaniana vitsivitsy ireo dia azo antoka fa ny vahoaka Malagasy hatrany no tompon’ny teny farany sy ny fahefàna,ary efa voaporofo ara-tantara izany;saingy tsy azo odian-tsy hita kosa fa na maro aza ny vahoaka liam-pahafahana sy fandrosoana kanefa tsy miteny sy minia mangina manoloana ny fahavoazana mahazo ny Fireneny dia ho toy ny vatolampy lehibe ihany isika,goavana sy mafy saingy tsy miteny ka na ny voron-kely faran’izay malemy indrindra aza dia afaka manao maloto sy izay tiany atao eo an-tapon-dohatsika avokoa.

    Vahoaka roapolo tapitr’isa no ataon’andian’olom-bitsy takalon’aina ankehitriny noho ny fitiavan-tena sy fitiavan-karena diso tafahoatra.Harem-pirenen’ny vahoaka Malagasy no iharan’ny tantely afa-drakotra sy rapa-dango ataon’ny mpanjana-tany sy ny mpikaraman’adiny ankehitriny.Tsy ho azo moramora foana ny fahafahana sy fandrosoana gejain’ireo mpanao voron’azon’adala sy mihazona ny fahefana sandoka amin’ny alalan’ny hery famoretana ankehitriny raha tsy ny tsirairay no mandray andraikitra sy mijoro avokoa hiady sy handà ny geja ary ny didy jadona.Mihohaza ry Malagasy!!!Aza miandry ny hafa foana handray andraikitra sy hiteny amin’ny toeranao fa mijoroa manoloana ny tsy rariny mahazo ny Tanindrazanao ankehitriny.

    D.R.

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire