Araka ny efa nampoizin’ny maro,manoloana ny maha antomotra ny fodian’ny Filoha Ravalomanana eto antanindrazany ,dia niteny sy namoaka fanambaràna tamin’ny alalan’ny tsangan’olona solo-tenany eto Madagasikara indray ny firenena frantsay.Nambaran’I Andry TGV ary fa hosaziany hono,ny Filoha Ravalomanana raha mody eto Madagasikara;ary handray fepetra mikasika izany ny FAT.
Tsy asiana resaka lava intsony fa ho an’ny olona mahay mamaky teny tsara sy mpanara-dalàna rehetra,fa indrindra ho an’ireo izay dodona hanala an’I Madagasikara ao anatin’izao fahoriana sy fahantrana lalina mahazo azy izao dia mazava tsara ny andinindinina voasoratra ao anatin’ny tondro zotra famahàna ny krizy;indrindra eo amin’ny andininy faha 20: MAHAZO MODY TSY MISY FEPETRA NY SESI-TANY POLITIKA REHETRA,ARY AO ANATIN’IZANY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC.