RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Affichage des articles dont le libellé est Raharaha 07 febroary. Afficher tous les articles
    Affichage des articles dont le libellé est Raharaha 07 febroary. Afficher tous les articles

    Mifohaza ry Malagasy! Raiso ny andraikitrao!

    Araka ny efa nampoizin’ny maro,manoloana ny maha antomotra ny fodian’ny Filoha Ravalomanana eto antanindrazany ,dia niteny sy namoaka fanambaràna tamin’ny alalan’ny tsangan’olona solo-tenany eto Madagasikara indray ny firenena frantsay.Nambaran’I Andry TGV ary fa hosaziany hono,ny Filoha Ravalomanana raha mody eto Madagasikara;ary handray fepetra mikasika izany ny FAT.

    Tsy asiana resaka lava intsony fa ho an’ny olona mahay mamaky teny tsara sy mpanara-dalàna rehetra,fa indrindra ho an’ireo izay dodona hanala an’I Madagasikara ao anatin’izao fahoriana sy fahantrana lalina mahazo azy izao dia mazava tsara ny andinindinina voasoratra ao anatin’ny tondro zotra famahàna ny krizy;indrindra eo amin’ny andininy faha 20: MAHAZO MODY TSY MISY FEPETRA NY SESI-TANY POLITIKA REHETRA,ARY AO ANATIN’IZANY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC.

    Jeneraly Rakotonandrasana Noël Nanao ampamoaka avy eny Tsiafahy

    rakotonandrasana-tsiafahy1.jpg

    Nisy indray ny ampamoaka avy any amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Nivoaka tsimoramora tao amin’ity fonjabe ity ilay antontan-taratasy ary nampitaina tamin’ny havana akaiky ireo manamboninahitra voatazona eny noho ny raharaha BANI.

    Ireo no nampita tamin’ny mpanao gazety an’izany ampamoaka anaty soratra izany. Mbola masiatsiaka noho ny an’ny Lietnà-Kolonely Charles Andrianasoavina izany na dia mifameno tanteraka aza. Tsy iza fa ny Jeneraly Noël Rakotonandrasana no namoaka izay tsiambaratelon’ny mpanongam-panjakana izay nosoratany tao anaty antontan-taratasy folo pejy. Notantarainy tao avokoa ny momba ny fanonganam-panjakana (taloha, nandritra ary taoriana) sy ny manodidina azy (ireo olona rehetra izay nandray anjara sy nikononkonona tamin’izany ary ny mpamatsy vola).