RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • 28 Mars 2009 - 28 Mars 2017: Valo taona anaty haizina i Madagasikara (VIDEO+SARY)


    razily-sainam-pirenena1.jpg
    Razily sy ny Sainam-pirenena malagasy

    Fampiasan-kery sy fomba feno habibiana no nanonganan-dRajoelina sy ny andia-miaramilany ny fitondran’ny Filoha Marc Ravalomanana telo taona lasa izay (valo taona). Telo taona (valo taona) aty aoriana dia mbola tsy maty ao am-pon’ny Malagasy ny fitiavana sy fanohanana ity Filoham-pirenena izay voafidim-bahoaka in-droa nisesy teto amin'ny Firenena ity na dia tsy nitsahatra aza ny fanaratsiana sy filazàna lainga ary fanenjehana azy nataon’ireo mpanongam-panjakàna sy ny fitondràna ankehitriny.


    Indro averina amitsika vetivety ity horonan-tsary amin’ny fiteny frantsay ity mampiseho sy mampatsiahy ny zava-nisy telo taona lasa izay (valo taona lasa). Ny tantara no hitsara, ary ny lasa tsy fanadino mba hibanjinana ny ho avy.


    Indro andian-tsary vitsivitsy nanamarika io vanin'andro io.(Sary nalaina tao amin'ny http://www.topmada.com)

    Vahoaka sesehena avy ao Ambohijatovo

    Fiara nitondra ireo naratra
    Nanomboka nitifitra ireo miaramila



    Santionany t@'ireo bala nampiasain'ireo hery famoretana



    Hery famoretana eo am-pitifirana

    Miditra an-tsehatra ny fiara tsy mataho-dalana

    ...Ary nitabataba ny basy marovava


    Tsara ny mampatsiahy fa vahoaka MALAGASY tanam-polo no enjehina sy tifirina eto

    Andian-jatovo tgv vitsivitsy miaraka @ kibay sy vy mandratra miandry ety ambany miaraka amin'ireo miaramila

    Ary tsy nitsahatra ny tabataban'ireo basimarovavan'ireo miaramila...


    Vahoaka nitady ireo havany sy namany tetsy @ HJRA







    D.R.

    2 commentaires:

    1. Vahoaka tanam-polo sady betsaka vehivavy dia sahin'ireto miaramila tsy mifaditrovana tsy matahotra an'Andriamanitra ireto ny mitifitra sy mampiasa herisetra aminy. Miaramila biby sy mifoka rongony mihitsy.

      RépondreSupprimer
    2. Tegna mampalaheflo ny zapatea niseho. Ary tsisy gaga isika mpanohana ny filoha Ravalomanana raha otran'izao ny fijaliagna mianjady amin'ny Nosy Malalantsika amin'izao.

      RépondreSupprimer