RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Ny lasa tsy fanadino mba hibanjinana ny ho avy: Eo ampiandrasana an'i Dada!

    ravalomanana-tolona-mitohy.jpg

    Efa-taona latsaka izao (vakio hoe enin-taona latsaka) no nitolona tsy niato sy naneho hevitra am-pilaminana mba hiverenan'ny fanjakàna ara-dalàna sy mba hiverenan'ny Filoha Ravalomanana eto an-Tanindrazana ireo vahoaka.

    Nanomboka teny Ambohijatovo ka hatreny Mahamasina.Tonga teny Iavoloha ka hatreny amin'ny kianjan'Alarobia.Hatreny amin'ny kianja magro Ankorondrano ka hatrany amin'ny kianjan'ny Malacam Antanimena.Hatreny Ivato ka hatrao amin'ny kianjan'ny finoana Magro Behoririka.Ary tsy adino ny tany ampitan-dranomasina.

    Tonga sy vory maro foana ireo vahoaka naneho ny firaisan-kinany amin'ny ara-dalàna sy ny Filoha Ravalomanana raha vao misy ny fiantsoana sy fanehoan-kevitra mifanaraka amin'izany.

    Nandalo tamin'ireo vahoaka ny tomany sy alahelo raha voatery nandao tsy fidiny ny fitondràna sy ny  Firenena ny Filoha Ravalomanana vokatry ny fanonganam-panjakàna nisy.



    Nandalo koa ny fahakiviana sy fahadisoam-panantenana rehefa tsy tafiditra teto an-Tanindrazana ny Filoha Ravalomanana nandritra ny fitsenana azy in-droa nisesy teny Ivato vokatry ny sakana isan-karazany (NOTAM, sns ...)

    Nandritra izay efa-taona latsaka izay dia nisedra ny hatsiaka, hafanana, orana, setroka mandatsa-dranomaso, herisetra sy hery famoretan'ny miaramila, fampihorohoroana,sns....ireo vahoaka mpitolona.

    Hatramin'izao anefa dia mbola tsy miala fa mijoro hatrany ireo vahoaka, ary vao maika aza nahazo hery indray raha nandre ny hafatra sy fanambaràna nataon'ny Filoha Ravalomanana fa tsy maintsy mody izy ary hirotsaka hofidiana Filoham-pirenena.

    Ho an'ireo vahoaka dia tsy miova ny tanjona: Mody Dada ary mirotsaka hofidiana Filoham-pirenena indray. Mandra-piandry izany dia mitohy hatrany ny tolona!

    Indro andian-tsary vitsivitsy nanamarika ny tolona nandritra izay efa-taona latsaka izay: Sary miteny sy sary mitantara ny lasa tsy fanadino!
    Teo ampivavahana, Magro Antsirabe
    Magro Antsirabe
    Razily
    Ambohijatovo
    Ambohijatovo
    Ravalomanana ihany!
    Analakely
    Ivato
    Ivato
    Kianja Malacam Antanimena
    Magro Ankorondrano
    Kianja Mahamasina
    Ivato
    Ivato
    Ivato
    Ivato
    Zanak'i Dada!
    Avy any @ faritra
    Antsirabe
    Paris
    Paris
    Magro Behoririka
    Paris
    Behiririka
    Behoririka
    France

    D.Ranaivo

    1 commentaire:

    1. Ny lasa tokoa tsy fanadino fa ny mahagaga dia ny fahaizantsika manao safidy ny lasa tokony ho tsarovana. Ny fomba feno habibiana nanaovana ny haza lambo taloha, ny fanimbana ny tsy mitovy hevitra sy izay tady hiakatra (ny eo ihany no miverina). Dia tena sahy milaza ve Ingahy Ravalomanana fa mendrika ireny? Sa ny heloka hibaboana mody rariny? Aiza @ izany ny hoe "ny lasa tsy fanadino"? Izaho tsy hanadino ny nataon'ny mpitondra tetezamita ka tsy hanaiky koa ny hanadino ny nataon'ny teo aloha.

      RépondreSupprimer