Ho fitsinjovana ireo gadra politika mbola voatana any am-ponja.
Ry havana, tapaka sy namana manerana ny Nosy, indrindra koa any am-pitandranomasina.Fijaliana no mianjady amin’ireo gadra politika mbola voatana any am-ponja ary fahasahiranana lalina no mahazo ireo vady aman-janany nohon’ny hetraketraky ny mpanongam-panjakana : Karama tapaka, sakafo tsizarizary, fahasalamana marefo, aretina mikiky, fianaran’ny ankizy tsy mandeha amin’ny laoniny.Izany no hiainan’izy ireo,koa manainga ny rehetra haneho firaisan-kina hitondra izay foitsika mba ho fampaherezana azy ireo.Aoka isika haneho mandrakariva ilay fitiavana izay zava-dehibe amin’ny maha-malagasy antsika.
Mankasitraka eram-po eran-tsaina sahady amin’izay fanampiana mety hatolotrao fa ho raisina am-pitiavana izany.Raha sitrakareo dia horaiketina anaty boky avokoa ny anaran’ireo izay manolotra;hisy ny rosia omena anareo.
Ny komitin’ny fianakavian’ny gadra politika
Fomba andefasana ny vola:Antsoy ny laharana 034 79 861 97 - 034 37 476 66
Arahinao email :
filongoa.gp@gmai.com
http://www.tim-madagascar.org


Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire