RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Alain Ramaroson :Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ?



    alain-ramaroson-fat3.jpg
    Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina,ary izay fatra-pilalao afo ihany no may...Main'ny afo natsangany...

    Izay no azo ilazàna ny zava-misy ankehitriny mikasika ny raharaha Alain Ramaroson sy ny fanjakàna FAT.

    Iza tokoa moa no tsy nahatadidy ny hafanam-po diso tafahoatra sy fanararaotam-pahefàna nataon’Ingahy Alain Ramaroson nandritra ny fanonganam-panjakàna nataony niaraka tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny mpitondra FAT ankehitriny ny taona 2009?


    Nahazo anaram-bositra “Jeneraly Ramaroson” mihitsy ny tenany tamin’izany noho ny fananany andiana miaramila manokana teo ambany fifehezany ary niteraka olana teo anivon’ny tafika sy mpitandro filaminana Malagasy moa izany satria dia nidadasika sy lehibe loatra ny fahefàna teo ampelatanan’ity rangahy ity.

    Ankoatra ireo miaramila teo ambany fahefàny dia nisy koa ireo andian-jatovo mitam-piadiana izay niara-niasa akaiky tamin’ingahy Alain Ramaroson ary nampametra-panontaniana ny maro tamin’izany fotoana hoe inona marina no tena anjara andraikitr’izy ireo teto amin’ny Firenena.
    alain-ramaroson-fat4.jpg

    Ny azo antoka aloha dia anisan’ny nandray anjara goavana tamin’ny fanonganam-panjakàna sy ny raharaha “Alatsinainy mainty” izay niteraka fahapotehana goavana (Orinasa maro sy fananan’olo-tsotra) teto amin’ny Firenena ireo andian-jatovo nitam-piadiana ireo.

    Anisan’ny mampatsiahy sy mitantara ny zava-nitranga tamin’izany fotoana ity lahatsoratra ity:VAKIO ETO
    Ankoatr’io dia mamatotra an’Ingahy Alain Ramaroson tamin’ny fanampiany sy fandraisany anjara tamin’ny fanonganam-panjakàna 2009 koa ny fijoroana vavolom-belona sy ampamoaka nataon’ny Kolonely Charles Andrianasoavina:VAKIO ETO

    Maro no nitondra faisana sy niharan’ny fihetsika tsy voahevitra nataon’ity mpitondra avon’ny (tetezamitatra) tetezamita ity teto amin’ny Firenena ary tsy afa-bela tamin’ireny ny Filoha Ravalomanana sy ny fianakaviany.

    Tsy ho tanisaina eto intsony angamba ny fanagejàna sy ny fanaovana an-keriny ny fananana sy fiara maro ben’ity Filoha niharan’ny fanonganam-panjakàna ity raha tsy hilaza fotsiny hafa tsy ilay fiarakodia tsy mataho-dàlana sy tsy laintram-bala “Mercedes” mainty fampiasan’ny Filoha Ravalomanana isika.

    Tsy ho tanisaina eto intsony koa ilay raharaha mampalahelo sy nampihetsi-po ny olona maro mikasika an’i Tpkvavy Haja mpivarotra boky tetsy Ambohijatovo izay voatifitra teo amin’ny lohany raha iny izy hanokatra ny fifarotam-bokiny iny ary nahavoatonontonona tsy nisy farany ny anaran'Ingahy Alain Ramaroson.

    Nihodikodina anefa ny tantara ary nihazakazaka ny fotoana.Ankehitriny dia anjaran’ity farany indray no iharan’ny “Pérquisition” sy fampiasan-kerin’ny miaramila any antokatranony.

    Ankoatra ny fisavàna sy fidiran’ny andiana miaramila (izay lazainy fa an-keriny) tao an-tranony tetsy Andoharanofotsy mantsy dia fantatra izao araka ny vaovao farany fa nesorin’ny fanjakàna FAT taminy koa ireo zandary am-polony izay mpiambina azy manokana.

    Raha ny fandehan-javatra ankehitriny dia azo lazaina fa mihazakazaka be ny toe-draharaha ary mivoatra isan’andro ny fifanolanana sy fampideràna fampiasan-kery misy eo amin’Ingahy Alain Ramaroson sy ny mpitondra FAT taorian’ny ampamoaka sy fanambaràna goavana nataony mikasika ny fomba nahafatesan’ny havany (Nadine Ramaroson) ary nitanisàny ny anaran’ny Minisitra Hajo Andrianainarivelo tao anatin’izany.

    Ny azo antoka dia sokina mifankahita tay (ialàna tsiny amin’ilay oha-pitenenana Malagasy)Ingahy Alain Ramaroson sy ny mpitondra FAT izay mifanolana aminy ankehitriny satria samy tsy misy afa-bela amin’ny fanonganam-panjakàna izay nitarika ny fahapotehan’ny Firenena sy ny fahantràna lalina mahazo ny vahoaka Malagasy ankehitriny izy ireo.

    Ny azo antoka koa hatreto aloha dia mivondrona ao an-damosin’Ingahy Minisitra Hajo Andrianainarivelo sahady ny FAT tarihan-dRajoelina sy ny miaramilany ka mahatonga an’Ingahy Alain Ramaroson mitaraina sahady manoloana ny fidiran’ny EmmoReg an-keriny tao antranony sy ny fanalan’i Jeneraly Ravalomanana ireo miaramila mpiambina azy manokana.

    Nilaza moa Ingahy Alain Ramaroson fa na eo koa aza izany fampiasan-kery sy fanararaotam-pahefàna ataon’ny FAT izany dia tsy hanaiky koa ny tenany fa hanohy ity raharaha nahafatesan’ny Minisitra Nadine Ramaroson ity hatramin’ny farany ary nampitandrina ny mpitondra FAT(Andry Rajoelina) mba handray fepetra haingana mikasika izany…

    Tsy sanatria mandatsa fa iza moa no nanam-po fa hoe Ingahy Alain Ramaroson mpanao be midina miaraka amin’ny fahefàny sy ny andiana miaramilany (milisy???) teo aloha no iharan’izany indray ankehitriny?

    Ho an’ny mpanara-baovao izay manaraka akaiky ity raharaha ity dia tsy vitsy no maneho ny heviny manao hoe aleo hifamono sy hifamotika ao satria samy vandana sy kary ireo.

    Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina e!Nanao ny nataony koa anie izany Kolonely Charles izany tamin'izany fotoana e… Wait and see...!


    D.R.

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire