Na dia
mbola tsy nanambara ofisialy amin’ny filatsahan-kofidiany amin’ny fifidianana
Filoham-pirenena aza i Andry Rajoelina dia tsikaritra tato ato ny
fihazakazahany mafy amin’ny fanaovana fampihelezan-kevitra mialohan’ny fotoana.
Ny tena
marina dia tsy vao izao ity filohan’ny tetezamita FAT ity no nanao
fampihelezan-kevitra fa nandritra ny efa-taona latsaka izay dia tsy
nitsahatra ny tenany nandresy lahatra sy nihezaka namafa ao an-tsain’ny
Malagasy ny fanonganam-panjakàna feno habibiana nataony teto amin’ny Firenena.
Asa!Heverin’i
Andry Rajoelina fohy fisainana sy mora very tadidy tokoa ve ny Malagasy ka tsy
hahatsiaro intsony ny zava-doza niainany nanomboka ny taona 2009 ary niteraka
fahapotehana sy fahoriana lalina ho an’ny Firenena mandraka ankehitriny?Anjaran’ny
Malagasy tsirairay no mamaly an’izay.
Tato ato
ary dia hazakazaka arahin-tosika mihitsy ny fampihelezan-kevitry ny filohan'ny tetezamitatra tetezamita FAT amin’ny alalan’ny fitokanana zava-bita (volam-panjakàna) sy
fitetezana faritra ary fanaovana fampisehoana sy fizaràna zavatra amin'ny vahoaka.
Tany amin’ny
faritra Alaotra ohatra dia andro maromaro mialohan’ny hahatongavan’i Andry
Rajoelina mihitsy dia efa nalefa tany ireo mpikarakara sy mpanentana mba
hahavory olona maro.
Andro vitsy tao alohan’io mantsy dia hatezerana ny an’ity
lehiben’ny tetezamita FAT ity satria tsy nahavory olona hono ny
fampihelezan-kevitra tao Toamasina nandritra ny fitokanana ilay orinasa goavana
tao Ambatovy.
Ankoatr’izay
dia tsy nahafaly an’i Andry Rajoelina koa ny fanamarihana sy fanazavàna nentin’ny
orinasa Sheritt Madagascar Ambatovy izay nilaza fa volan’ity orinasa ity no
miasa hanamboarana ny tanànan’i Toamasina ary ity orinasa ity ihany koa no tompon’ny
hevitra rehetra amin’izany.
Raha
tsiahivina kely ny tantara dia i Andry rajoelina no nisora-tena ho
voatango fa tompon’ny vola sy hevitra amin’ny fikarakaràna ny renivohitr’i Toamasina.
Mba hialàna
tamin’ny fahavitsian’olona toy ny tao Toamasina ary dia nampiasa ny fomba
rehetra ny fitondràna FAT tarihan-dRajoelina mba hampahomby ny
fampihelezan-kevitra izay ho ataony any amin'ny faritr'Alaotra.
Nampiasaina
ny artista sy ny fizarana fitaovana maro isan-karazany mba hisarihana ny
olona.
Tsy niandry ela anefa dia nipoitra koa ny olana sy ny indro-ben’ny
mpandrafitra satria dia fitaovana fanaratoana trondro TSY MANARA-PENITRA sy tsy
ara-dalàna no nozarain'i Andry Rajoelina tamin’izany.
Kely loatra ny mason’ireo harato natao
fanomezana ary voararan’ny lalàna ny fampiasana azy.
Farany teo
dia nitohy tany Antsirabe ny fampihelezan-kevitry ny FAT.Mba hambaboana ny fon’ny
olona tany dia nilaza i Andry Rajoelina fa teraka tao Vakinakaratra ,hono,ny tenany.
Marihina fa
ny faritr’i Vakinakaratra dia anisan’ny faritra be mpanohana sy be mpifidy
indrindra an’ny Filoha Ravalomanana ary tsy tongatonga ho azy izany fitiavan’olona
ny Filoha Ravalomanana izany satria dia efa am-polon-taona maro ity
Filoham-pirenena sady tompon’ny Orinasa Tiko ity no nanome asa ireo vahoaka sy
tantsaha marobe ao ary tsy nitsahatra nanamboatra sy nikarakara ny tanàna
(Làlana,tsena,sns…)
Ny tena
marina dia nitsapa ny halalin’ny rano tao amin’ity faritr’i Vakinakaratra ity i
Andry Rajoelina.
Raha
tsiahivina kely ny tantara,ny taona 2009,vao vita kely monja ny fanonganam-panjakàna
dia namoaka vava ireo mpanongam-panjakàna eo amin’ny tetezamita ankehitriny fa
hanao izay fomba rehetra hamafàna ny anaran-dRavalomanana eto amin’ny Firenena.
Asa!Mety
izay ve no mahatonga ny fanjakàna FAT hihetraketraka sy hanao tsindry hazo-lena
amin’ny fananan-dRavalomanana sy ny fianakaviany ankehitriny?
Mitetika ny
haka ny fon’ny Mponin’i Vakinakaratra sy ny fon’ny Malagasy ary hampanadino ny
anaran’ny Filoha Ravalomanana eto Madagasikara tokoa ary ve no
tanjon-dRajoelina sy ny FAT amin’izao fampihelezan-kevitra sy fandokafan-tena
mandeha mafy mialohan’ny fotoana manerana ny Nosy izao?
Ankoatra ny
fampihelezan-kevitra mialohan’ny fotoana sy nandritra ny efa-taona latsaka
mantsy dia tsy mbola mitsahatra koa hatramin’izao ny fanaratsiana sy filazàna
lainga mikasika ny Filoha Ravalomanana.
Ny azo
antoka anefa na eo aza izany rehetra izany dia mbola tsy hadinon’ny Malagasy
ary tsy afaka ao am-pony mandraka ankehitriny ny fitiavana ny Filoha
Ravalomanana.
Ary matoa
sakanan’ny fitondràna FAT sy ny miaramila mpanao politikany ny
fodian-dRavalomanana eto antanindrazany,
Matoa
mihazakazaka mafy tsy mijanona manao fampihelezan-kevitra mialohan’ny fotoana i
Rajoelina sy ny fanjakàna FAT-ny,
Matoa
mitohy manaratsy sy milaza lainga mikasika ny Filoha Ravalomanana mandraka ankehitriny
ny haino aman-jerin’ny tetezamitan-dRajoelina dia tsotra ny valiny.
Mbola
mamim-bahoaka ny Filoha Ravalomanana ary matahotra fadiranovana mafy azy amin’ny
fifaninanana fifidianana Filoham-pirenena i Rajoelina sy ny mpanohana azy.
Hoy ny
olom-boafidy iray,Dokotera Raharijaona solo-tenan’i
Vakinakaratra nanao fanambaràna sy namaly an-dRajoelina omaly:”Tsy niteraka
mpanongam-panjakànai Vakinakaratra.”…Asa!Hifidy mpanongam-panjakàna ve i Madagasikara
amin’ny fifidianana Filoham-pirenena manaraka izao?
Atsipy ny teny am-pon'ny mahalala.!!!
D.R.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire