RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Guy Rivo Randrianarisoa: Hijoro hiaro ny anaran-dray


    Guy-randrianarisoa-ravalomanana.jpgNoheverina fa antoko anisan’ny nanana ny tanjaka sy ny heriny ny antoko Tiako i Madagasikara izay niainga tamin’ny Tiako Iarivo, folo taona lasa mahery kely izay.
      
    Ny zavatra hita anefa dia tsy nahavita niaro ny fitondrana azony na dia betsaka sy azo notsapain-tanana aza ny zava-bitany. Nanana ny maro an’isa izany antokon’i Marc Ravalomanana izany tamin’ny androny teo anivon’ireo Parlemanta sy ny fahefana mpanatanteraka.

    Noho ny zava-nisy tamin’ny 2009 anefa dia anisan’ireo antoko voalohany nipatitaka ny Tiako i Madagasikara ary dia azo heverina fa ireo mpikambana sasany tao, ireo lohandohan’ny mpisorona tao no nanisy hoditr’akondro ny filoha mpanorina ka dia izao no niafarany.

    Nizarazara ny Tiako i Madagasikara taorian’ny 2009 ka mandrak’androany aza dia mbola misy foana ireo tsy maty voalavo an-kibo. Nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny kongresy avy any Alaotra, Rtoa Rasoamalala Odette Brenda ny sabotsy teo, teny amin’ny Magro fa misy milaza azy ho mpanohana an-dRavalomanana kanefa any ambadika mamely kibay ihany.

    Nanapa-kevitra ny filoha nanorina ny antoko fa handray an-tanana ny Tiako i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana izany.

    Ankoatra an’i Mamy Rakotoarivelo izay notendrena ho Sekretera jeneraly dia fantatra ihany koa izao fa hanampy azy i Guy Rivo Randrianarisoa, araka ny toromarika nomen’ny filoha nasionalin’ny Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana.

    Ny sabotsy teo no nilazan’ny mpitondra tenin’ny filoha Ravalomanana izany tetsy amin’ny kianjan’ny Magro.

    Tsy misy tompon’ny antoko fa an’i Marc Ravalomanana io anarana Tiako i Madagasikara io, araka ny fanazavana.

    “Izay efa niala tato amin’ny Tiako i Madagasikara dia aleo hiala fa ny vahoaka Malagasy eo foana. Izay te hiverina dia azy izany”, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa izay nandiso ny vaovao naely tato ho ato nilazana fa marary na nigadra na tsy ireto ihany no tanjona hita i Marc Ravalomanana.

    Ankoatra izay dia nambarany fa i Marc Ravalomanana miverina an-tanindrazana, milatsaka hofidiana ary lany ho filoham-pirenena amin’ny safidim-bahoaka malalaka no tanjona.

    Adidin’ny tsirairay ny manosika izany, hoy ihany i Guy Rivo Randrianarisoa satria hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena no tarigetran’i Marc Ravalomanana ka mila tohanana izy. “Matoa sakanana ny fodiany eto dia fahatahorana an-dRavalomanana handray andraikitra”, hoy ihany ity mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana ity.
     
    Soa 

    http://tiatanindrazana.com/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire