RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Filoha Marc Ravalomanana : "Tolona ho an'ny taranaka no atao !"



    antso-ravalomanana-03-11.jpg

    Nanambara tamin’ny  fomba ofisialy aho hoy izy fa hirotsaka ho fidiana filohampirenena hoy ny Filoha. 

    Atao daholo izao lainga izao hoy izy hanoherana izany, lazaina fa misy didim-pitsarana manakana izany. 

    Tsy marina izany hoy izy fa izay milaza izany dia asaivo manome ny porofo :  Oviana ny didy no nivoaka ? 

    Manaraka izany dia naneho ny alahelony amin’ireo mpiray tandindrazana maty toa vono moka any atsimo ny Filoha. Tsy misy hoy izy fampiharana ny lalàna fa tonga dia maty ny olona. Tsy azo lazaina intsony hoe “accident” hoy izy satria tsy iray na roa satria toa olona milahatra mihitsy no fahitana ireo maty. 

    Koa miantso ny mpitandro ny filaminana izay nanao voady sy ny faneva “ho an’ny tanindrazana” sy ireo zandary satria natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany izy ireo fa tsy hanao vono moka ny ain’ny vahoaka. 


    Miantso ireo olona mananana traikefa, manam-panahy, mpihaino ny feon’ny fieritreretana mba hampitsahatra izao vono olona izao.

    Nohon’ny tsy fisian’ny fifandraisana hoy izy dia tsy mba afaka maneho ny heviny ny olona any.

    Fahoriana mihatra aman’aina, ary efa manenika an’ny Madagasikara izany satria rehefa tsy misy ny fandriampahalemana dia miraviravy tànana ny mpamokatra satria matahotra, koa aiza intsony no hampandrosoana ny firenena ?Fanapotehana ny firenena no misy ankehitriny : Ny fiaraha-monina sy ny zavaboahary ary ny tontolo iainana. Miantso ireo ray aman-dreny ampanahy mba hijery manokana ny hamerenanana izany fiaraha-monina izany.

    Miantso ny mpitarika ihany koa mba handinika tsara izay tokony atao satria mandinika ny any ivelany. Koa raha misy fihetsika tsy mifanandrify amin’ny zavatra takian’ny vahoaka dia ho sasa-poana ny tolona ataon’ny vahoaka. 

    Misy samy manana ny heviny any ambadimbadika any. Tsy ho avelan’ny rariny sy ny marina tsy hiseho rehefa aoriana. Miantso ny mpitarika mba izay tena zavatra marina no haseho fa tsy ny fitiavan-tena, mba ho sahy hijoro fa ho an’ny taranaka izay atao fa tsy ho araraotina ho amin’ny tombotsoa manokana.

    Nantitranteriny ihany fa na inona na inona fanakatsakanana dia tsy hisy fifidianana any Madagasikara raha tsy tafaverina any ny tenany. Mazava ny tenin’ny SADC sy Troika.Tsy misy sehatra izay tsy mikorontana ankehitriny. Porofo izany fa tsy mandeha amin’ny làlana tokony hizorany ny fitondrana misy.

    Tsy maintsy haverina hanjaka ny demokrasia, tsy maintsy atao ny fifidianana malaka eken’izao tontolo izao. Tsy mitolona ho anay fa ho an firenena ary miaraka mitolona isika. Tena modely ianareo eto Behoririka.

    http://www.tim-madagascar.org/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire