RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Marc Ravalomanana:Tafa manokana,ny fiainany ao Afrika Atsimo


    ravalomanana-afrika-atsimo2.jpg
    "Amintsika miteny izao dia mbola miasa amin’ny maha-filoha lanim-bahoaka ahy aho aty."

    Isan’ny gazety 15 voafidy tamin’ny alalan’ny fifaninanana hiatrika ny fiofanana momba ny « Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny andraikitra takiana ho amin’izany » ny Gazety Tia Tanindrazana. 

    Tatsy Johannesburg, Afrika Atsimo no nanaovana izany fiofanana izany nandritry ny tapa-bolana. Tao anatin’izay fotoana izay no nanararaotana nitsidihana ny fianakaviana Ravalomanana, tany Sandton, 10 minitra miala an’i Johannesbourg raha mandeha Gautrain, fiaran-dalamby maoderna. Betsaka ny resaka mandeha momba ny filoha Marc Ravalomanana, ny amin’ny filazana fa giazana ny pasipaoriny, ny tsy fahasalamany, ny fandraharahana sy ny maro hafa ary dia niezaka nanadihady ny mpanao gazety.


    Azo lazaina fa vavolombelona ny mpanao gazety teto amin’ny Tia Tanindrazana fa tsy marina avokoa izany.

    Any am-pelatanan’i Marc Ravalomanana ny pasipaoriny, salama tsara izy, tsy manao fandraharahana na ao Afrika Atsimo na aty amin’ny faritra Afrika. Any Pretoria, 60km eo ho eo miala an’i Johannesbourg no monina izy mivady, ireo zanany kosa aty Sandton.

    Raha ny harofenitra sy ny fitandroana ny ainy dia azo itarafana fa tsara ny fifandraisana eo aminy sy ny fanjakana Afrikana Tatsimo ary dia mbola mizaka ny zo maha- filoham-pirenena azy i Marc Ravalomanana.

    Na dia fohy aza ny fotoana dia afaka nifampiresaka tamin’ny Tia Tanindrazana ny tenany.
    TT: Miandry ny Malagasy Atoa filoha hoe aiza ho aiza marina ity famahana ny krizy any Madagasikara?

    MR: Ny mahatonga ny firenena rehetra maneran-tany indrindra ny Sadec sy ny Troika maka fotoana manao an’ilay izy dia satria tsy fantatra mihitsy ny fombantsika Malagasy. Tsy mitovy ny toetran’ny Afrikana ny toetran’ny Malagasy; na ny fanaovana politika Malagasy tsy mitovy amin’ny fanaovana politika afrikana. Manana toetra isika hoe manaiky kanefa tsy manatanteraka ary mihatsara-velatsihy. 

    Ny zavatra any Madagasikara anefa tsy misy mandeha intsony raha resaka fitantanana, na ara-bola, izany hoe ara-toekarena, na ny fitantanana ny maha firenena ny firenena satria tany tsy misy lalàna any Madagasikara. Tany efa mahantra indrindra eran-tany ka izay no tena manahirana indrindra satria atosika hahantra ny vahoaka, ny ankamaroany. 

    Tsy mahita atao intsony ny vahoaka. Nalaina ny taniny, nampitahoriny izy, dia tsy afaka mamokatra izy, natosika hahantra izy amin’io resaka tsy fandriampahalemana io. Izay no tena manahirana be. Samy milaza daholo ny olona hoe dia inona loatra no manjo anareo Malagasy no dia lasa toy izao. Malaelo antsika ry zareo. Menatra mihitsy aho rehefa mivory aty antanian’ny olona hoe inona no nahatonga ny vahoaka Malagasy na nanery ireo olona vitsy ireo nampiala anao teo. Dia hoy aho, voalohany indrindra dia andron’ny demokrasia. Amin’izao anefa raha mijery aho dia tsy misy demokrasia mipetraka any Madagasikara. Nentina ilay izy natao fampitahorana. 

    Izay no nanamarinan’ny olona fa fanonganam-panjakana. Tsy nisy izay tsy niteny fa fanonganam-panjakana no tany. Hitansika tsara ireny ampamoaka nataon’ny nanao azy ireny ary dia tsy misy tsy mahafantatra ireny izao tontolo izao. Tiako fantarina mihitsy hoe manao ahoana ny aty Afrika. Tsy mitovy mihitsy ny toe-tsaina, ny fomba fanao eo amin’ny Afrikana sy ny Malagasy. Ny Afrikana rehefa milaza hoe izao no atao dia izay no ataony. Sahirana daholo na ny Afrikana na ny Eoropeana ny amin’i Madagasikara satria manaiky ary dia efa vita Sonia izao, nekena ampahibemaso kanefa dia lavina rehefa avy eo. 

    Ny fahasahiantsika miteny eo imason’izao tontolo izao, lasa nampahory ny namantsika indray. Nenjehina izy ireo, nogadraina, ary dia nisy mihitsy no maty ary mbola misy ny mbola migadra amin’izao fotoana izao dia ireo miaramila. Nisy ny fanonganam- panjakana, mbola averiko eto foana ary tsy afaka miala amin’izany izy. Na io fanonganam-panjakana tamin’ny fanodikodinana ny lalam-panorenana ary dia teo koa ny fanonganam-panjakana tamin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana, fampitahorana.

    Na ireo olona nalefa tany hanao ireny fanadihadiana ireny dia gaga, hafa ny filazana, hafa anefa ny zava-misy. Eo koa ny fampiasana vola entina handaingana sy hamafazana lainga, tena misy izany.

    TT:Ianao sy ny fiverenanao any Madagasikara, inona no azo ambara?

    MR: Tsy hiverina any Madagasikara mihitsy aho raha tsy ny fianakaviambe iraisam-pirenena no miaiky sy manaraka tsara ny fepetra hahafahana miverina any. Tsy izaho anie no matahotra hiverina any Madagasikara e! efa teny ambony fiaramanidina aho, tonga teny amin’ny habakabak’i Morondava no naverina ny fiaramanidina. Efa teny amin’ny seranana koa izahay fa tsy nety nitondra ny fiaramanidina. Efa nalefako ny vadiko, Lalao dia ireny no zava-nisy. Izahay aty, ho ahy sy ny vady aman-janako, dia misy ny zavatra rehetra ilaina aty, afaka iainana tsara fa ianareo any no tena hitako fadiranovana sy mijaly. 

    Ny laharam-pahamehana ataoko any Madagasikara rehefa tafaverina aho dia ny mampahafantatra ny olona rehetra fa toy ny olom-belona rehetra ihany, tsy misy izay tsy diso. Ny saina samy manana. Samy manana ny fomba fijeriny. Ny saina samy manana fa ny hevitra tsy mitovy. Hanazava aho fa tonga aty aho, tsy hitondra ady na korontana fa tonga aty aho handamina, hamerina indray an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena satria isika amin’izao fotoana izao dia tena very tanteraka mihitsy. 

    Dia eo koa ny fanomezana toky satria io fifampatokisana na fanomezan-toky ny sehatra iraisam-pirenena dia tena zava-dehibe mihitsy io. Ahoana moa no hahafahan’ny sehatra iraisam-pirenena hanana toky raha tsy manomboka amin’ny fiainan’ny Malagasy mihitsy aloha. Any Madagasikara, raha ny vaovao reko na ao an-tokantrano aza tsy mifampatoky. Rava tanteraka ny fiaraha-monina, tsy misy ny fidiram-bola, tsy misy intsony ny vola ka na ny mpangalatra aza tsy misy hangalarina intsony ka tonga dia mamono, manila ny ain’ny sasany. 

    Lasa araraotin’ny olona,tena vitsy ny mihazona izao fitondrana tsy ara-dalana izao.Natsangana ny tetezamita hoe hamahana ny olana kanefa tsy mandray andraikitra.

    TT: Tsy mandray andraikitra, hoy ianao. Inona izany no tokony atao, havela amin’izao?

    MR: Efa noraisin’ny Sadec sy ny Troika an-tanana io. Izaho dia matoky azy ireo. Tsy maintsy hita foana io. Izahay aty dia tena maika dia maika mihitsy ny hiverenako any Madagasikara. Tsy hisy fifidianana azo atao any ary tsy hisy hanaiky io fifidianana io raha tsy ampiharina ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana.

    TT: Desambra sahady ity ny volana, aiza ianao no hanamarika ny tsingerintaonao sy ny bonane?

    MR: Ampahany ao anatin’ny fiainan’ny olombelona ny problema. Raha tsy manana problema ianao dia tsy ao anatiny. Fantatr’Andriamanitra izay mahasoa dia apetrako eo am-pelatanany. Raha tonga ny fotoana ka hoy Izy hoe mody ianao rahampitso dia tonga dia lasa aho. Raha hoe hijanona aty ihany aho dia tsy mampaninona mihitsy fa tsy anjarako ny mandidy an’izay fa fantatr’Andriamanitra. 

    Ny fotoanan’Andriamanitra tsy mba diso mihitsy, na hoe lasa aloha na tara fa Izy no mandahatra.

    TT: Manao ahoana kosa Prezida ny fifandraisanao amin’ireo filoham-pirenena teo aloha, ny Amiraly Didier Ratsiraka sy ny Profesora Zafy Albert?

    MR: Tsy misy manakana an’izany mihitsy. Samy mitady hevitra fa ny tena zava-doza misy anie dia ny harena Malagasy nahondrana an-tsokosoko, ahazoana vola dia ireny no afafy aty entina hanapenam-bava momba ny zava-misy any Madagasikara.

    TT: Hararaotina ny mahita anao, hanontaniana ny momba ny orinasa Tiko sy ny mety ho fanarenana azy?

    MR: Tsy mampifangaro ny fitantanana ny firenena sy ny orinasa aho. Amintsika miteny izao dia mbola miasa amin’ny maha-filoha lanim-bahoaka ahy aho aty. Izay no tsy hahafahako manao asa hafa. Diso daholo ny filazana fa manana orinasa aho aty. 

    Mampamangy amin’ny Malagasy, tena mahatsiaro aho ary tsy manadino aho ary mitana ny teniko aho. Mitana ny teniko aho hoe miverina any Madagasikara ary hiasa-hiaraka indray amin’ny Malagasy, hanarina ny firenena amin’ny fomba rehetra izay azo atao sy azoko hanampiana, amin’ny androko sisa tavela.

    Gazety Tia Tanindrazana

    1 commentaire:

    1. Dia mankahery anao Dada a! Atao ahoana moa fa izao no zava-misy! Miakatra daholo aty ny vidim-piainana! Ny hena, ny vary, ny menaka, ny frais taxi-be! Misy olana daholo ireo sehatra tena mahakasika ny vahoaka! Ny fampianarana, ny jiro, ny saran-dalana, ny vidin'entana! Tsy aleonay ve dada mba ireo no vahana toa izay lalan-kely no atao? Tsy aleonay ve dada ny mpianatra no karakaraina toa izay mpanao rugby? Tsy sanatria manambany izany fa tsaronay ilay teninao hoe "Misy ny zavatra important, fa misy ny zavatra urgent".

      Ry zareo amin'ny fitondrana anefa tsy mahay miteny afatsy Euro! 'Zao no misy fa Andriamanitra no mahalala ny zavatra rehetra, misaotra Ary aloha fa mbola tsy mitrotra ilay vahoaka malagasy.

      Mankahery antsika tsika eh :)

      RépondreSupprimer