RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Fifidianana mora sy manara-penitra ???



    fifidianana mora sy manara-penitra
    Safidin'ny basy sy ny safidim-bahoaka...

    Mihazakazaka dia mihazakazaka ny fizotran’ny raharaham-pirenena satria dia efa hamaramparana ny volana janoary sahady isika izao amin’ity taona vaovao ity.Taona izay hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka.Taona izay manamarika ihany koa ny faha efa-taona nisian’ny fanonganam-panjakàna mavaivay teto amin’ny Firenena.
     
    Eo amin’izay resaka fifidianana sy fanonganam-panjakàna izay indrindra no tiana hisarihana ny sain’ny besinimaro ary hamohazana ihany koa ireo izay matoritory sy mandrimandry manan’aretina ankehitriny.

    Tsy ilaina intsony angamba ny mampatsiahy fa latsaka an-katerena tanteraka i Madagasikara,ary mitotongana andro aman’alina ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy  nanomboka ny taona 2009.Miaina tanteraka ao anatin’ny fahantràna sy tsy fandriam-pahalemana tanteraka ny ankamaroan’ny vahoaka.

    Raha ny tatitra nataon’ny banky iraisam-pirenena ohatra dia efa mihoatra ny 87%-n’ny Malagasy no miaina tanteraka ao anaty fahantràna ankehitriny vokatry ny krizy tsy manam-paharoa misy nandritra ny  efa-taona izay.

    Tsy tanisaina intsony ireo zaza Malagasy an’aliny maro mba tsy hilazàna hoe an’hetsiny  voatery nandao tsy fidiny ny sekoly ary lasa manampy ireo ray aman-dreniny eo amin’ny sehatry ny fitadiavam-bola.

    Ankehitriny ary dia vohizina mafy ary ambara ombieniombieny fa ny fifidianana no hany vahaolana hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy lalim-paka mampahory sy mampahantra ny Malagasy izao.Eo indrindra no tiana hanairana sy hamohazana ny sain’ny tsirairay satria :

    1-Fifidianana mangarahara sy madio inona no antenaina eto raha toa ka mbola i Andry Rajoelina lehiben’ny mpanongam-panjakàna ihany no mitantana ny tetezamita sy manomana izany fifidianana izany ?

    2-Fifidianana ara-dalàna sy madio inona no antenaina eto raha toa ka ny Filoha Ravalomanana Marc izay Filoham-pirenena ara-dalàna sy voafidim-bahoaka indroa nisesy teto amin’ny Firenena aza tsy avela hiditra eto mba hanomana izany miaraka amin’ireo mpiara-dia sy mpanohana azy?Tsy efa sazy goavana ho azy sy ireo vahoaka marobe mpanohana azy ve ny tsy famelàna azy hirotsaka hofidiana ?  

    3 –Fifidianana ara-dalàna sy madio inona no antenaina eto raha toa ka mbola mihidy sy voatampim-bava hatrany hatramin’izao ireo haino aman-jerin’ny mpanohitra sy tsy miandany amin’i Rajoelina?

    *Tsara ny manamarika fa tao anatin’ny efa-taona izay nisian’ny fitondràna tetezamitan’ny FAT dia maherin’ny 8O ny isan’ireo haino aman-jery nakaton’ny fitondran-dRajoelina manerana an’i Madagasikara,ankoatr’ireo izay efa may sy kila nandritra ny fanonganam-panjakàna 2009.

    4-Fifidianana mangarahara sy madio inona no antenaina eto raha toa ka mbola mitsabaka sy miditra lalina amin’ny raharaha politika hatrany ireo miaramila ?

    Ireo fanamarihana vitsivitsy ireo dia ahatarafana fa tena mbola manjaka tanteraka ny tsy rariny eto ary mbola mahazo vahana sy ambonin’ny lalàna hatrany i Rajoelina sy ireo mpanongam-panjakàna namany satria nandritra ny efa-taona izay dia ny feo sy safidin’ny basy no manjaka eto fa ny feo sy safidin’ny Malagasy kosa dia nangina sy nampanginina tanteraka.

    Fanantenana mba andrandrain’ny Malagasy hanehoany ny safidiny sy ny zony io fifidianana ho avy io nefa araka ny voatanisa etsy ambony dia ho fihatsaram-bela-tsihy sy famitaham-bahoaka no betsaka satria dia ny mpanongam-panjakàna izay voasazin’ny lalàna ary tsy tokony hikitikitika ny resaka fifidianana na dia kely akory aza no mahazo vahana sy tafiditra lalina amin’ny fikarakaràna sy fanomanana izany.

    Manampy trotraka amin’ny fanomezana vahana ny mpanongam-panjakàna izany ny fanambaràna nataon’ny masoivoho frantsay vaovao eto Madagasikara ,Atoa François Goldblatt,izay milaza fa tsy tokony hiverina eto Madagasikara mialohan’ny fifidianana ny Filoha Ravalomanana Marc.Adinon-drangahy ity sa odiany tsy fantatra ny nanisy resaka mikasika an-dRajoelina izay iharan'ny sazy iraisam-pirenena vokatry ny fanonganam-panjakàna sy fanosihosena ny zon'olom-belona nataony?

    Ny tsy famelàna ny Filoha Ravalomanana Marc hirotsaka hofidiana Filoham-pirenena dia efa sazy sy fahavoazana goavana ho azy sy ireo vahoaka Malagasy maro be izay mbola mametraka fitokisana aminy.Izao indray dia mbola mampibaribary tanteraka amin’ny fanohanana sy fanampiana ankolaka ny mpanongam-panjakàna koa ity masoivoho frantsay vaovao ity.

    Ny azo antoka ary fantatry ny frantsay sy ny mpanongam-panjakàna tsara izany dia mbola manana ny maha izy azy ary mbola manana ny lanjany ara-politika tsara ny Filoha Ravalomanana Marc eto Madagasikara na dia teo aza ny fanapotehana ara-politika sy ara-toe-karena nataon’ireo fahavalony azy nandritra ny efa-taona izay.

    Fantatry ny mpanongam-panjakàna sy ireo mpiara-dia aminy tsara koa fa mihena ampitoerana toy ny fen’antitra ny mpanohana azy (na dia eo aza ny propagandy mialohan’ny fotoana sy kawitry manara-penitra isaky ny mihetsika).Ankilan’izay kosa anefa dia tsy mitsaha-mitombo ireo Malagasy miandrandra sy manantena ny fiverenan’ilay Filoham-pirenena nametrahany fitokisana tamin’ny alalan’ny fifidianana indroa nisesy eto amin’ny Firenena indray.

    Fehiny dia famitaham-bahoaka sy fihatsaram-bela-tsihy tanteraka mba tsy hilazàna hoe fitsofan-drano amin’ny fomba ara-dalàna ny fankàna an-keriny fitondràna sy ny fanonganam-panjakàna nataon-dRajoelina ny fanatanterahana fifidianana eo ambany fiahiany sy fitondràny.

    Aleo hazava tsara ny resaka fa tsy hisy fifidianana vanona,mangarahara sy madio eto raha tsy miala tanteraka eo amin’ny fitondràna i Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy rehetra.Tsy hisy fifidianana ara-dalàna sy ara-drariny eto raha tsy mody sy tafaverina soa aman-tsara an-tanindrazana aloha ny Filoha Ravalomanana Marc.

    *Loharanom-baovao avy amin'ny Reporters sans frontières

    D.R.

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire