![]() |
| Vahoaka analiny maro tsy manaiky ny fanonganam-panjakàna... |
Raha tsiahivina tokoa ny zava-nisy dia vahoaka alin-kisa nian-dahy sy niam-bavy no vory teo Ambohijatovo tamin’io andro io mba haneho amin’izao tontolo izao fa tsy ara-dalàna ary tsy eken’ny Malagasy ny habibiana sy fampiasan-kery nataon-dRajoelina tamin’ny fangalaram-pahefàna nataony.
Andro vitsy
tao alohan’io daty io no nisora-tena ho filoha tao Mahamasina i Andry Rajoelina
rehefa avy nanongana ny Filoham-pirenena ara-dalàna Marc Ravalomanana izay
voafidim-bahoaka in-droa nisesy teto
amin’ny Firenena.
Toe-javatra
izay tsy neken’ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna sy ny demokrasia ka nahatonga
azy ireo hitolona sy hitroatra ary hanohitra ny fitondràn-dRajoelina mandraka ankehitriny.
Aoka tokoa
mantsy tsy hadino fa efa-taona aty aoriana dia mbola mitohy ny tolona na dia
efa làlan-tsarotra sy lava aza no nandalovany vokatry ny tsindry hazo-lena sy
fampiasan-kery ataon’ny fitondran-dRajoelina.Fampiasan-kery izay mampibaribary
ny tahotra sy tsy fatokisan-tena misy eo amin’ity lehiben’ny
mpanongam-panjakàna ity.Fampiasan-kery ihany koa manaporofo fa fahefàna tsy
ara-dalàna azo tamin’ny basy sy herisetra no eo am-pela-tanany.
![]() |
| Razily sy ireo hery famoretana |
Ny
mampalahelo dia lasa vorona azon’adala tanteraka ankehitriny ny miaramila sy ny
mpitandro ny filaminana ary ny fitsaràna ary lasa fitaovana sy fananan’olo-tokana
ara-baki-teny mba ahafahana mifikitra eo amin’ny tetezamitatra.
Ny lasa
hono tsy fanadino mba hibanjinana ny ho avy.Anjaran’ny tsirairay no misintona
lesona amin’ny zava-nisy nandritra izay efa-taona nisian’ny
fanonganam-panjakàna izay.Ary tsy misy jamba mihoatra ny mahiratra nefa minia
manakipy ny masony.Zovy tokoa moa no tsy mahatsapa sy tsy mahita ny fahoriana
sy fahatràna lalina iainan’ny vahoaka Malagasy sy ny Firenena ankehitriny?Ny
tsy fandriam-pahalemana mihoa-papana izay mampandry an-driran’antsy ny vahoaka manginy
fotsiny.
Nofidina
manokana ity horonan-tsary manamarika loatra ny tantaram-pirenena ity anio.Horonan-tsary
izay mahalaza zavatra betsaka ary tsy mila hazavaina eto intsony fa dia aleo ny
sary no hiteny sy hanambara hoy ny fitenenana.
Hankalaza
ny datin’ny 29 martsa isika rahampitso.Daty goavana izay tsy afa-misaraka amin’ny
tantaran’i Madagasikara.Ny zavatra azo antoka sy tsy tokony hampandrimandry
manan’aretina ny Malagasy dia mbola tsy vita ny ady sy tolona nataon’ireo zoky
sy Ray aman-dRenintsika tamin’ny taona 1947 fa mbola mitohy mandraka
ankehitriny izany.Tolona izay tokony handraisan’ny Malagasy tsirairay avy
anjara mba hamoahana tanteraka ny Firenena ao anatin’izao haizina sy lavaka
mangitsokitsoka misy azy izao.
Napetraka,hono,ny
fanamby ary tratra ny tanjona hoy ny lehiben’ny mpanongam-panjakàna raha
nikabary izy volana vitsy lasa izay.Koa fanontaniana no apetraka sy hamaranana
azy manao hoe:Fahantràna manara-penitra ve no tanjon’ny fanonganam-panjakàna nataony
teto amin’ny Firenena?
D.R.


Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire