Raha tsy
mitandrina sy tsy mailo ny Malagasy dia ho voasoloky sy ho voahosihosy zo toy
izay nitranga nandritra ny fanonganam-panjakàna ny taona 2009 indray.Izay no
azo ambara manoloana ny fifidianana mifono fitaka sy fandrika miandry azy ireo
afaka volana vitsivitsy.
Raha ny zava-misy nandritra izay efa-taona niainan’i Madagasikara tao anatin’ny krizy izay tokoa mantsy no jerena dia toa izay sitra-po sy haitraitran’ny mpanongam-panjakàna hatrany no nisy sy tanteraka teto (na dia teo aza ny sarintsarin-tsazy izay narangarangan’ny vondrona iraisam-pirenena sy ireo firenen-dehibe maro milaza fa hanampy an’i Madagasikara):
-Nanomboka
tamin’ny fandavan-dRajoelina ny Sonia nataony tany Maputo izany izay anisan’ny
vato misakana sy fototra lehibe tsy mampivaha ny krizy ankehitriny.
-Tao koa ny
fanakatonana ireo hainoamanjery ampolony maro (maherin’ny 80 isa) manerana an’i
Madagasikara.Hany ka izay feon-dakolosy tian’ny mpitondra tetezamita sy ny
lehibeny ihany sisa no ren’ny Malagasy indrindra ireo izay any amin’ny faritra.
-Ny
fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary voalohany amin’izany ny
andramena (Bois de rose) izay nihazakazahan’ny mpanongam-panjakàna ary naha
mpanefoefo sy naha mpanakarena tampoka ireo olom-bitsy ao anatin’ny tetezamita
ankehitriny.Ankoatra ny andramena anefa dia toy ny vorona azon’adala ihany koa
ny fanondranana antsokosoko sy tsy ara-dalàna ny volamena izay mahatratra an-jatony kilao maro isam-bolana no mivoaka an’i Madagasikara.Tsy tanisaina intsony ireo
karazam-biby sarobidy sy tsy fahita hafa tsy eto Madagasikara izay eo andalam-paharinganana tanteraka.
Fehiny dia
halatra be vava sy fandrobàna tsotra izao no ataon’ireo milaza azy fa mpitondra
eto Madagasikara ankehitriny ka mahatonga ny Malagasy ho tompo-trano mihono sy
tompony mangatak’atiny eto amin’ny Tanindrazany sisa.Ireo Mafia sy ireo vahiny
mpanararao-paty ny fanjakàn’Ibaroa misy no mahazo tombony goavana sy
mihoa-papana.
-Ny farany
fa tsy ny kely indrindra dia ny fanakanan’ny mpanongam-panjakàna amin’ny heriny
rehetra mba tsy hahatanteraka ireo teboka telo anisan’ny lehibe indrindra
takian’ny tondro zotra mialohan’ny fifidianana:
- -Ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana Marc eto antanindrazana (Manampy trotraka izany ny fitsabatsabahana lalina sy ny mizàna tsindrian'ila ataon'ny masoivoho frantsay sy ny politika maloton'i françafrique)
- -Ny fisokafan’ny hainoamanjery rehetra nakaton’ny mpitondra FAT
- -Ny fivoahan’ireo gadra politika rehetra
Inona amin'ireo fepetra takiana ireo no efa tanteraka eto Madagasikara ankehitriny? Manginy fotsiny ny tsy fandriam-pahalemana goavana mahazo ny vahoaka izay tsy mitsahatra mihamafy tato ato (fifanandrifian-javatra ve?).Aiza ho aiza ny fimpihavanana sy fitoniana ?
Raha ny fihazakazaky ny toe-draharaha ankehitriny ary no jerena dia mazava fa fifidianana tia kano tsy tia kano no miandry ny Malagasy.Fifidianana ankahamehana mifono fitaka sy soloky izay hitarika an’i Madagasikara hivarina any amin’ny fahapotehana sy filentehana bebe kokoa hatrany.
Fifidianana
feno fihatsaram-bela-tsihy satria na dia efa hita izao aza fa tsy mizotra amin’ny
tokony ho izy ny fanomanana izany dia teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza
hatrany ilay izy.Ary voalohany manakipy ny masony manoloana ny tsy rariny sy ny
tsy fanarahan-dalàna misy ankehitriny ny firenena frantsay izay soloin’ny masoivohony tena eto Madagasikara.
Fifidianana
mitanila tanteraka satria ny mpanongam-panjakàna ihany no sady mpitsara no mpilalao
ihany koa eny ambony kianja.Ny olon-dRajoelina avokoa no tompon’ny sehatra
rehetra amin’ny fikarakaràna izany fifidianana izany.
Amin’ny
fomba ahoana no hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra
ao anatin’ny fitoniana sy fihavanana raha toa ka ny Filoham-pirenena
voafidim-bahoaka farany (in-droa nisesy)teto amin’ny Firenena aza tsy avela
mody eto an-tanindrazany ?
Amin’ny
fomba ahoana no hisian’ny fifidianana madio sy tsy mitanila raha mbola gejain’ny
mpitondra ankehitriny ireo hainoamanjery maro tsy mitovy fomba fijery aminy?
Manoloana
izany indrindra dia nitondra fanazavàna tamin’ny alalan’ny antso antarobia mikasika
ny toerana misy ny ankolafy Ravalomanana eo anatrehan’ny
toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny Filoha Ravalomanana omaly maraina tetsy
bel’Air nandritra ny fivorian’ireo mpitarika ao amin’ny ankolafy.
“Tsy handray anjara amin’ny fifidianana na filoham-pirenena na solombavambahoaka isika raha tsy tonga any Madagasikara aho.” Hoy ny filoha
Ravalomanana tamin’ny teny hentitra.Nomarihiny sy notsipihany tamin’izany fa
tsy feno ny fepetra hanatanterahana ny fifidianana ary tsy tanteraka ny
ampahany maro amin’ny fanatanterahana ny tondro zotra.Araho eto ny vaovao.
Nantitraterin’ny Filoha
Ravalomanana tamin’izany koa fa tsy misy kandidà avy amin’ny anaran’ny ankolafy
Ravalomanana raha tsy efa tonga eto Madagasikara ny tenany.
Ny zavatra azo antoka
dia tsy misy hafa tsy ny fifidianana madio sy mangarahara tsy mitanila ary eken’ny
rehetra no hahafahan’i Madagasikara mivoaka amin’izao krizy manara-penitra
izao.
Zava-dehibe sy maika indrindra anefa dia ny fifohazan’ny Malagasy tsirairay mba tsy hatoritory manan'aretina intsony fa mba hijoro ho tompon’andraikitra
amin’izay eto amin’ny Firenena fa indrindra ho saro-piaro amin’ny fampiharana
sy fanajàna ny zony amin’ny alalan’ny safidiny na ny fifidianana.
D.R.

Hafa ihany ny Filoha Ravalomanana e!Lozan'ireo mpanongam-panjakàna nahavanin-doza ka nampilentika ny Firenena ohatr'izao.
RépondreSupprimer